Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jona, 2020

Tranonkala sôsialy shinoa miampanga ny Fetiben'ny fihinanana hena alika ao Yulin

Niteraka fampiakarampeo mafy tety anaty tambajotra, tonga hatramin'ny fanaovana antso hanaovana ankivy ilay hetsika, ny fetibe fanao isantaona atokana ho an'ny hena alika ao Yulina, faritanin'i Guangxi, atsimo-andrefan'i Shina

Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna

Ny volana Jona, nitranga tany aminà tanàna isankarazany manerana an'i Japàna ireo famoriambahoaka "Black Lives Matter", tafiditra ho isan'ny fanehoana firaisankina erantany miaraka amin'ireo mpanao hetsipanoherana ao Etazonia sy any amin'ireo firenena hafa.

Fantaro mandritra ny fijanonana ao an-trano ny hatsarantarehy sy ny lova any Filipina, Vietnam ary Thailandy

Very mpitsidika an-tapitrisany ny firenena Aziatika Atsimo Atsinanana saingy tsy very ny fahaiza-manaony amin'ny resaka fampiroboroboana ny fizahantany.

Kasain'i Timor-Leste haverina ampiharina ny lalàna manameloka ny fanalambaràka, na eo aza ny ahiahy momba izay fiantraikany amin'ny fahalalahana maneho hevitra

"Loza mitatao ho an'ny rehetra io tolodalàna io, indrindra fa ireo olona marefo tsy manana fifandraisana politika na tsy manam-bola. "

Iza avy ireo ‘mpirotaka’ mety higadra taorian'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina tao Hong Kong?

Ny ampahatelon'ny mpirotaka miisa 612 miandry ny fitsarana azy no tanora latsaky ny 20 taona, raha farafahakeliny 14 no latsaky ny 16 taona.

Setrin'ny fanentanana mandrisika ny mponin'i Wuhan mba haneho fankasitrahana ny lehiben'ny Antoko Komonista amin'ny ady amin'ny COVID-19

Tsy manana hery hitomaniana akory izy ireo kanefa misy olona miteny azy ireo ankehitriny mba hianatra mahay misaotra. Manohitra ny maha olona izany.

Diarin'ny COVID-19 avy any Wuhan: Rehefa lasa fanangonam-baovaon'olom-pirenena ny diary

"Lasa toy ny bibin-tsaonjo miova ho lolo ny diary rehefa mandeha ny fotoana."

Mahatsiaro an'i Marco Leung, maty voalohany tao Hong Kong tamin'ny hetsi-panoherana fandroahana olona ho any Shina

"Herintaona izay no nandaozanao anay. Tsaroako fa ianao no olona voalohany nilaza ireo Fitakiana Dimy."

Lavin'i Taiwan ny hanolotra ilay mpitsabo mpanampy “nanevateva” ny filoha Filipiàna tao amin'ny Facebook

"Tsapako fa nohenoin-dry zareo izay zavatra nezahako nampitaina ary izany dia mampiseho fa eto Taiwan, omena lanja tokoa ny demaokrasia."

Mpampihanaka COVID-19 malaky sy ny “andavanandro vaovao” indoneziana

Fihaonana ara-pivavahana iray tamin'ny volana marsa no ahiana ho niteraka ny fianahan'ny viriosy tany amin'ny faritany miisa 22, hoy ny manampahefana ara-pahasalamana.