Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2016
Sriracha, Saosy Vietnamiana Malaza Eran-tany Feno Fitiavana
"....isaky ny mametraka hafatra ao amin'ny Facebook na indraindray amin'ny mailaka manontany ireo namako raha mitady zavatra avy any California....., dia saosy Sriracha no valiny voalohany."
Nosamborina ny Lehiben'ny Hetsika “Bersih” Manohitra ny Kolikoly ao Malezia
"Ity ve no karazana firenena tian'ny Maleziana hiainana, izay manjaka ny kolikoly, misy hosoka ny fifidianana ary gadraina ireo tsy manan-tsiny?"
LAHATSARY: Nahoana no Mafana Ny Saka Japoney Mandritra ny Ririnina? Mibonoka ‘Kotatsu’, Tahaka ny Olombelona Ihany
Maneho sarin'ny fahazoana aina sy ny hafanana ny teny kotatsu, ary tsy ho an'ny olombelona ihany.
Ny Fijerin'ireo Firenena Miteny Paortiogey Ny Fahalanian'i Trump Ho Filoha
Fitetezana ireo fanehoankevitra tany amin'ireo firenena miteny portiogey manerana ny tany, niainga avy any Paortiogaly sy Brezila, ka hatrany Timor-Atsinana, mandalo an'i Afrika.
Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices
Amin'ity herinandro ity, atombotsika amin'i Etazonia izay itantaran'i Omar Mohammed ny sombin-tantara nosoratany, "Amerika Nitia Anao Aho" ary avy eo ho entinay ianao ho ao Kiobà, Siria ary Taiwan.
Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.
Novonoin'ny Manampahefana Shinoa Ara-Pitsarana Noho ny Raharaha Vono Olona Ilay Maherifom-Bahoaka Nanohitra ny Fakàna An-keriny Ny Taniny
"Tsy mpamono olona izy ... Nandray ny anjara toerany hiaro ny fianakaviany fotsiny izy. Saingy nandrava ny tranon'ny vahoaka shinoa ny fiaramilina mpandroaka tany… "
Velona Ao Amin'ny Aterineto Ny Taompolo 1990 Tao Japana Noho Ny Sangan'asan'ny Lehilahy Iray
Manome topi-maso mahafinaritra momba ny fiainana tao Japana nandritra ny taompolo 1990 ny tranonkala goavan'i Lyle Hiroshi Saxon.
Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi
Noheverina ho mahafinaritra tamin'ny voalohany ireo fitafiana iraisan'ny Keyakizaka46 niatrika ny Halloween. Saingy nisy ny olona nanamarika fa mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ireo fanamiana ireo. Ampy na tena izy ve ny fialantsiny?
Sarimiaina Efatra Mandala Ny Fifandeferana Ara-pivavahana Sy Ny Fiarovana Ny Ankizy Mpitsoa-ponenana ao Myanmar
Nisy fifandonana tsindraindray teo amin'ireo Bodista nasionalista sy ny vondrona miozolomana vitsy an'isa tao amin'ny vondrom-piarahamonina maro, indrindra fa tany amin'ny faritra andrefan'ny firenena.