· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2018

Shina: Rava ny Sivana Lahatsary Nataon'ny Fanjakana

  30 Avrily 2018

''Rehefa hita maty ivelan'ny efitrano fonenany tany Ruian ny tanora mpampianatra iray, famonoantena no tsoakevitra avy tamin'ny tatitry ny polisy, fa miahiahy fanafenana ny marina kosa ny fianakaviany sy ireo mpianany. Olona an'arivony maro no nidina an-dalambe ho fanoherana, ary notsenaina tamin'ny herisetran'ny polisy.''

Filipina: Ilay Jeneraly Miaramila Miteraka Adihevitra Be Indrindra

  27 Avrily 2018

''Mpamono mitohy mitafy fanamiana i Palparan. Raha toa ka manao sarisary momba ny fiasan'ny atidohany sy ny maha-izy azy ary ny 'izy' aminy ireo mpitsabo ny marary saina dia mety ho hitan'izy ireo fa tsy hafa amin'ny fironan'i Jack Ilay Mpanokatra Kibo sy Hitler izy. Foka tanteraka, mamono am-pitoniana sy am-pangatsiahana.''

Ireo Famonoana Tsy Mandal Fitsaràna ao Filipina

  27 Avrily 2018

Iray amin'ireo fototry ny fitarainana amin'ny fiampiatoana amin'ny asany ny Filoham-pirenena Filipiana, Gloria Macapagal-Arroyo, ny fandrisihany famonoana politika tao amin'ny firenena. Nampangain'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona Ramatoa Arroyo ho anisan'ireo olon-dratsy indrindra mpandika ny zon'olombelona teo amin'ny tantara maoderin'ny firenena

Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka

  23 Avrily 2018

Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.