Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2009

28 Febroary 2009

Kore : fitontongan'ny ekonomia, orinasa iza no manam-bintana indrindra ny ho velona

Raha nanantena ny maro amintsika fa hifarana tsy ho ela ny fitontongan'ny ekonomia dia hita fa mbola ady haharitra ela izy ity. Mampihena ny isan'ny mpiasa ny orinasa na mampidina ny vokany. Mizara ny traikefany ny terantany anankiray izay miasa ao amin'ny orinasa Japone. Karazana fandrefesana ara-bola maro no nampidirina.....

26 Febroary 2009

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa...

25 Febroary 2009

Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong...

Mitsidika any Indonezia i Clinton

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny olana ara-toe-karena.” Indonezia no firenena silamo lehibe indrindra eran-tany ary fahatelo amin'ny demokrasia malalaka indrindra....

22 Febroary 2009

Shina: Manao atsangory eo ambozon'ny filoha Mao

Tamin’ny 19 Febroary, dia mivezivezy aty anatin’ny aterineto ny sary izay mampiseho ankizivavy iray atao atsangory eo ambozon'ny Filoha Mao. Ekena fa sarivongana mijoro ao Plaza ao Hunan ilay nosoavaliny  , tanàna fiavian’ny Mao io. Kanefa, nvetivety monja dia nameno ny voalohan'ny takelaka maro ny sary, ary  nahazo tsikera miisa...

FitorahanaBlaogy amin'ny tokony ho izy: Midira amin'ny Fifanakalozan-kevitra Malalaka momba ny VIH/SIDA

Ity andron'ny mpifankatia (14 Febroary) dia manamarika, tsy ny fiantombohan'ny fanentanana eto amin'ny  Global Voices fotsiny ihany miantso ny olona mba “hampianatra ireo Olona Tiany hampiasa Blaogy na hampiasa ny  Micro-Blog,” fa ao koa ireo ainga maro samihafa mikasika ny hetsika ara-pahasalamana mitodika mankany amin'ny VIH/SIDA mba ho fandrisihana ireo...

Japana: Fotoan'ny sery indray.

Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia...

20 Febroary 2009

Brioney: ny dia amin'ny ankapobe

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch

I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao Phnom Penh. Izy no nitantana ny fonjan'ny Tuol Sleng Prison tao Phnom Penh, izay nahafatesana olona manodidina ny 12 000...

Sinoa: May ny CCTV

Ny alin’ny 9 Febroary, tratran’ny afo ny ampahan’ny tilikambon’ny Ivo-toerana Televiziona Sinoa (China Central Television (CCTV)) rehefa nandrehatra afomanga entina hankalazana ny fankalazana ny fetin’ny arendrina ny vaomiera mpikarakara. Nahafatesana mpamono afo iray ny hain-trano araka ny tatitra, nandratrana olona fito, nandravana fitaovam-pampielezam-peo mitentina lavitr’isa Yuan maromaro (milliards). Nahatsikaritra ny...