Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2017
Sarimihetsika 15 Izay Miresaka Ny Fifandraisana Saropady Misy Amin'i Taiwan (Taioàna) Sy Japàna
Efa tany amin'ny faramparan'ny taona 1980 vao nanomboka nanadihady ny tantaran'ireo firenena roa ireo ny mpamokatra sarimihetsika, nanomboka tamin'ny fifehezan'ny fanjanahantany sy ny Ady Lehibe Faharoa ka hatramin'izao.
Lahatsary : Ireo Fandaharana Fampahafantaram-baovao Ho An'ireo Tanoran'ny Kids News Network
Manome fahafahana ireo ankizy any amin'ireo firenena samihafa mba hijery ireo fandaharana mikasika ny zava-misy natokana indrindra ho azy ireo, amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto, mba ho afaka mikaroka sy mizara amin'ny aterineto ireo heviny, ny tambajotra Kids News Network.
Ilay Lalàna Japoney Miady Amin'ny Fihokoana, Mahatonga Resabe, Nolanian'ny Antenimiera
"Mety hihitatra ka hisy fiantraikany amin'ireo olom-pirenena tsotra ilay lalàna izay natao hiadiana amin'ireo heloka nomanina".
Costa Rica: Nanapaka ny Fifandraisana Diplomatika Amin'i Taiwan Mba Hiarahana Amin'i Shina
Manokatra varavarana sy tsena eo anoloan'i Shina ny hatendàna ara-toekarena ananany ary mino aho fa arakaraky ny andehanan'ny fotoana dia io no tena mitondra tombony betsaka raha mitaha amin'ny sanda ara-pihetsehampo aterak'ilay fahatapahana. Ho ela velona anie ny zava-baovao
Fanohanana Manerantany Ho An'ny Akademika Thailandey Miisa Dimy Voampanga Ho Nandika Ny Fandrarana Ny Fivoriana Ara-politika
"Ahoana no ahafahantsika manatanteraka ny fanavaozana raha mbola manenjika ireo izay miteny ny ahiahiny momba ny olan'ny vahoaka ho toy ny fahavalony ny fanjakana?"
Japana: Ny Zotra Haingam-pandeha ao Yamanote
Tany am-piandohan'ity herinandro ity, mpiasa handeha hiasa miisa 20.000 teo ho eo tao Tokyo no voatery niandry 20 minitra rehefa nisy vehivavy iray 40 taona nanomboka nihazakazaka rehefa avy nitsambikina teo amin'ny lalambin'ny Zotra Yamanote [ja], iray amin'ireo lalamby be mpampiasa indrindra ao an-tanàndehibe.
Shina: Maninona Ireo Bilaogera No Mangina Manoloana Ny Loza Voajanahary?
Nikaroka ihany ny mpanomponareo saingy niala maina.. Aiza ary no misy ny olana raha izany?
Manaisotra ny VPN Ao Amin'ny Tranombarotra ao Shina ny Apple

"izao no dingana lehibe indrindra nataon'ny governemanta shinoa hanakanana ny fampiasana ny VPN hatramin'izay, ary talanjona izahay mahita ny Apple manome vahana ny ezaka fanivanana shinoa."
Nanameloka Ny Polisy Noho Ny Fisamborana Tsy Ara-dalàna Sy Ny Fanagiazana Boky I Zunar, Mpanao Sariitatra Politika Maleziana

"Azonareo atao ny mandràra ny bokiko, azonareo atao ny mandràra ireo sariitatrako, kanefa tsy afaka mandràra ny saiko ianareo. Hotohizako hatrany ny sariko mandra-pahatapitry ny ranomaintiko."