Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2019
Faha-11 taona am-ponja: Tafatafa niarahana tamin'ny zanakavavin'ilay Vietnamiana mpanohitra, Tran Huynh Duy Thuc
"Na amin'ny fampiakarana fitsarana ambony ho amin'ny fandravana na amin'ny famerenana indray ny fangatahana, hiady izahay mandra-pivoaka azy, mba hiantohana fa omena voninahitra ny zon'olombelona eto Vietnam."
Mitsikera ny fanararaotana ara-pitsarana ataon'ny Huawei amin'ireo mpiasany teo aloha ny mpiserasera Shinoa
Nosamborin'ny polisin'i Shenzhen i Li Hongyuan, mpiasan'ny Huawei teo aloha rehefa niampanga azy ho nanodikodim-bola ny Huawei. Nogadraina 251 andro izy.
Voaheloka ireo atidoha tao ambadiky ny vono olona tany Ampatuan saingy mbola mitohy ny ady amin'ny tsimatimanota ao Filipina
Nanome hery anay, nanamafy ny fahabetsahanay ny folo taona farany. Taorian'ny famonoana, dia mbola nitohy ny famonoana mpanoratra gazety. Dimy ambin'ny folo tamin'ireo mpiara-miasa aminay no voatifitra teo ambanin'ity fitantanam-panjakana ity.
Filipina: Mahatsiaro ny vono olona tany Maguindanao
Iray volana mahery izay no lasa, tamin'ny 23 Novambra 2009, nisian'ny famonoana nataon'ny tafika manokana an-dry Ampatuans, mpitarika ady niara-dia tamin'ny Filoham-pirenena Filipiana Gloria-Macapagal Arroyo, ireo lehilahy sy vehivavy maherin'ny 60, saingy efa tafiditra amin'ny eritreritra iombonan'ny vahoaka Filipiana ity hetsika mahatsiravina ity.
Ireo Bilaogera Sinoa miresaka Sivana, MSN, Sns.
Rehefa any Rôma, manaova toy ireo Rômanina [dikanteny kitoatoa an'ilay ohabolana]. Raha toa ka andeha hilalao eo amin'ny sehatry ny varotra ianao dia tsy maintsy manaraka ireo fitsipika. Raha toa ka te hilalao eo amin'ny tontolon'ny bilaogy aty Sina ny MS, tsy maintsy manaraka ny fitsipika izy, sa tsy izany?
Tambajotram-panoratan-gazety vaovao nivoady ny hampiroborobo ny fahalalahan-gazety sy fampitam-baovao mahaleotena ao Kambodza
"Tsy ampy fiarovana ary ambany fandrahonana hatrany ny gazety malalaka eto amintsika."
Ny fifaningoran'ny ‘kawaii’ sy ny kolontsaina pelaka Japoney
Fa ampahany lehibe amin'ny asan'i Rune izay tsy dia resahina firy ny asa nataony ho an'ny gazetiboky Barazoku (1971-2008). Barazoku no gazetiboky voalohany amidy ho an'ny rehetra eny an-tsena natokana ho an'ireo lehilahy voasinton-dehilahy amin'ny resaka fananahana tany Japana.
Mampiavaka an'i Japàna ve ilay toerana miringiringy natao ho fitaingenana bisikileta mitety valanjavaboary?
Ao Japàna, ilay valanjavaboary miavaka ao Okayama dia manasa ireo mpitsidika mba handresy ny lalànan'ny fisarihan'ny tany avy eny ambony bisikilety miringiringy eny ambony be eny.