Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2021
Sazy famonjàna dimy taona no arangarangan'ny manampahefana ao Hong Kong ho an'ireo izay manatrika ny fiaretantory fahatsiarovana ny Vonomoka tao Tiananmen
Nampitandrina ny birao fa araka ny didy fanapahana momba ny filaminam-bahoaka, ireo mandika lalàna dia hiatrika hatramin'ny sazy famonjàna mandritra ny dimy taona na herintaona noho ny fampielezany (fanaovany doka ho) an'ilay fiaretantory.
Onja COVID-19 vaovao manempotra an'i Taiwan
Hatreto dia tranga COVID-19 miisa 3.161 no voaisa ao Taiwan ho an'ny volana May 2021. Tany aloha, latsaky ny 1.200 no fitambarany hatramin'ny nanombohan'ilay valanaretina.
Mpanakanto Maleziana roa miatrika ny famotopotoran'ny polisy noho ny fanehoan-kevitra an-tserasera sy ny zavakanto
"Manakana ny fanehoan-kevitra ara-pamoronana, mampangatsiaka ny fifanakalozan-kevitra ampahibemaso, ary manimba ny fahatokisana ireo manampahefana Maleziana ny fanenjehana ireo mpanakanto toa an'i Zunar sy Fahmi."
LAHATSARY Myanmar: Fanonganam-panjakana sy tsy fankatoavam-bahoaka
Indro ny famerenana ny webinar Global Voices Insights tamin'ny 22 Aprily momba an'i Myanmar raha tsy nahita izany mivantana ianao.
Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”
"Nosamborina ireo tanora ireo satria niezaka niaro ny farihy lehibe indrindra eto Phnom Penh sy hitahiry azy ho an'ireo andiantaranaka ankehitriny sy hoavy."
Ny sandan'ny fanoherana: Ny vehivavy sy ny fikatrohana pôlitika ao Vietnam
Tokony hihevitra ny vehivavy fa "ny tolona ataontsika dia tsy hanoherana fotsiny ny jadona...fa koa tolona iray hanafahantsika ny tenantsika hiala amin'ireo teritery ara-potokevitra ananantsika, hiala amin'ireo fitsaratsaram-poana izay isika ihany no mametraka azy ho antsika."
Mpikatrok'i Hong Kong nodidiana higadra noho ny fiaraha-mahatsiaro tamin'ny taona 2020 ny famonoana tao an-kianjan'ny Tiananmen
Nivory hahatsiarovana ny famonoana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 jona ny Hongkongers hatramin'ny taona 1990. Manamarika ny didim-pitsarana fa izay rehetra mbola mandray anjara amin'ny fiaraha-mahatsiaro amin'ity taona ity dia mety hoampangaina ho nanao fivoriana tsy araka ny lalàna.
Nanao fanangonam-bola handoavana ny onitra fanalam-baraka ho an'ny PM Lee Hsien Loong ireo bilaogera any Singapaoro
"Ohatra iray amin'ny fanoherana kinendry iray iadiana amin'ny fomba fanenjehan'ny governemanta ny olona tsirairay amin'ny alalan'ny resa-bola ny fandraisana anjara amin'ny hetsika fanangonam-bola ."
Taiwan, ‘toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany'? Tsy izany, hoy ny Taiwaney
Niteraka fanehoan-kevitra mahery tao amin'ny Twitter Taiwaney ny fonomboky momba ny tantaran'i Taiwan ao amin'ny Gazety britanika The Economist tamin'ity herinandro ity, izay nahatalanjona ireo mpikirakira marobe ny lohateny hoe "Taiwan: Ilay toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany."
Miatrika fiantsoan'ny polisy ny mpanomana fihetsiketsehana pro-demaokrasia ao Hong Kong
Nahatsinjo mialoha ny vondrona mpikatroka Hong Kong fa mety hampiasa ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ny polisy hamoritra ny mpiara-dia sivika