‘Gabbie’ chatbot manampy ireo niharam-boina manoloana ny fanorisorenana ara-nofo ao Filipina

Pejy Facebook Gabbie

Fantaro i Gabbie, chatbot fandefasan-kafatra ao amin'ny Facebook izay manampy ny Filipiana hitatitra ny tranganà fanafihana sy fanorisorenana ara-nofo. Gabbie dia tetikasan'ny Gabriela, vondrom-behivavy ao Filipina.

Maherin'ny 10.000 ny vehivavy eo anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 49 taona izay samy niharan'ny endrika fanararaotana ara-batana sy ara-nofo isan-karazany tamin'ny taona 2012. Nandrakitra tranga maherin'ny 23.000 momba ireo vehivavy niharan'ny ratra ara-batana sy tranga fanolanana miisa 1.897 nandritra ny fotoana iray ihany ny polisy. Avy amin'ny fikarohana tamin'ny taona 2013 notontosain'ny Sampan'ny Antontan'isa ao Filipina ny tahiry rehetra.

Amin'ny alalan'i Gabbie, manantena hampianatra ireo niharam-boina sy hamporisika azy ireo hitatitra ny herisetra nihatra tamin'izy ireo any amin'ny manampahefana ny Gabriela.

Toy izao no fiasan'i Gabbie: raha misy olona mandefa hafatra ho an'i Gabbie, dia anontaniana izy raha toa ka niharan'ny herisetra na fanorisorenana na te hahalala bebe kokoa fotsiny momba ny herisetra ara-nofo. Ahitana fampahalalana momba ny lalànan'i Filipina mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy i Gabbie.

Raha te-hitory ny mpiherisetra azy ny mpiserasera, dia hanontany zavatra maromaro momba ny tranga i Gabbie ary hangonina anaty tahiry azon'ny mpiserasera trohina sy halefa any amin'ny mpisolovava, any amin'ny sampan-draharaha misahana ny olombelona na sampan-draharaham-panjakana ireo valinteny. Misy ihany koa ny safidy hametrahana ny fitarainana any amin'ny Gabriela.

Nanandrana ilay fitaovana ilay mpisera Facebook Lovely Ramos ary nahita izany ho fanabeazana sy mora ampiasaina. Ireto ambany ireto ny pikantsary sasany nalainy rehefa nandefa hafatra tany amin'i Gabbie izy.

Taorian'ny nahafantaran'ny mpisera iray ny karazana fanorisorenana nihatra taminy, dia hanome fanazavana fototra i Gabbie, anisan'izany ny lalàna mifandraika amin'izany. Pikantsary avy amin'ny pejy Facebook an'i Lovely Ramos.

Tamin'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mailaka tamin'i Joms Salvador ao amin'ny Gabriela, nanoritsoritra ny fomba nanampian'i Gabbie azy ireo tamin'ny fanentanany hanome tolotra ho an'ireo niharan'ny fanorisorenana ara-nofo izy:

Gabbie provided an additional platform for victims of sexual harassment to reach out to GABRIELA and for us to respond to specific situations where for example….Facebook is more accessible or convenient to them compared to phone or face-to-face counseling. Gabbie also served to complement our direct services to a growing number of victims even as we are faced with limited institutional staffing and volunteers.

Nanome sehatra fanampiny ho an'ireo niharam-boina tamin'ny fanorisorenana ara-nofo i Gabbie mba hihazo an'ny GABRIELA mba  ahafahanay mamaly ireo toe-javatra manokana, ohatra. …. Mora idirana kokoa ny Facebook na mora ampiasain'izy ireo raha oharina amin'ny toro-hevitra an-telefonina na mifankahita mivantana. Manampy amin'ny famenoana ny tolotray mivantana ho an'ireo niharam-boina tsy mitsaha-mitombo ihany koa ny Gabbie satria voafetra ireo mpiasa sy mpilatsaka an-tsitrapo ato aminay.

Nilaza ihany koa i Salvador fa i Gabbie dia natao hipaka any amin'ireo mpianatra sy ireo tanora hafa mpisera aterineto:

Gabbie is almost a year old but she still has a lot of potential in further expanding our services to victims of sexual harassment and in educating the public about women’s rights. We are hopeful that through Gabbie, we can reach out more to young women, who are statistically the segment of the female population more vulnerable to sexual harassment, and who are more exposed to digital media.

Efa ho herintaona i Gabbie saingy mbola manana fahafahana be dia be izy amin'ny fanitarana ny tolotra ataonay ho an'ireo niharan'ny fanorisorenana ara-nofo sy ny fanabeazana ny vahoaka momba ny zon'ny vehivavy. Manantena izahay fa amin'ny alalan'i Gabbie, dia afaka mipaka any amin'ireo tovovavy bebe kokoa izahay, izay araka ny antontan'isa, no anisan'ny ampahany betsaka amin'ny vehivavy mora iharan'ny fanorisorenana ara-nofo, ary mora hita kokoa ao amin'ny media nomerika.

Hatramin'ny fanombohana azy tamin'ny ny volana Novambra 2017, niseho tamin'ny tati-baovao maromaro i Gabbie ary nampiroboroboina tany an-tsekoly, ny lapan'ny tanàna, sy ny fiantsonan'ny fiarandalamby.

Mikasa ihany koa ny Gabriela mba hampisy fiteny maro kokoa ao amin'i Gabbie – hatramin'izao, dia amin'ny teny Anglisy ihany no ahafahana miresaka. Mikasa ny hampiroborobo an'i Gabbie amin'ireo mpiasa Filipiana am-pitandranomasina ihany koa ny Gabriela:

If we could improve on Gabbie’s program, she also has the potential further reach out to a growing number of overseas Filipino workers who may also be experiencing sexual harassment and are searching for information.

Raha afaka manatsara ny fandaharan'asan'i Gabbie isika, dia afaka mipaka any amin'ireo mpiasa Filipiana am-pitandranomasina tsy mitsaha-mitombo, izay mety hiharan'ny fanorisorenana ara-nofo sy mitady vaovao ihany koa.

Misy Filipina 12 tapitrisa eo ho eo monina sy miasa ivelan'i Filipina.

Na dia manamora ny fitadiavana vaovao antserasera mahakasika ny fanorisorenana sy fanafihana ara-nofo ho an'ny Filipiana aza ity fitaovana ity, dia mametraka ahiahy mikasika ny fiainana manokana sy ny fiarovana ihany koa. Natao hanaja ny Lalàna momba ny fiarovana ny tahiry manokana ao amin'ny firenena i Gabbie ary miaro ny vaovao rehetra omen'ny mpisera azy. Saingy ny fiarovana ny tahirin'ireo misera amin'ny Gabbie dia miankina amin'ny fotodrafitrasa nomerika amin'ny fampiharana Facebook Messenger, sy ny fomba fitehirizana sy fitantanana ny tahiry manontolo ao amin'ny Facebook.

Efa voampanga imbetsaka tamin'ny fanohintohinana ny tahirin'ireo mpiserasera azy ny Facebook. Vao tamin'ny faran'ny volana septambra 2018, nanambara ny orinasa fa farafaharatsiny, kaonty 50 tapitrisa no mora niharan'ny olana ara-teknika izay nahafahan'ireo mpanafika niditra tamin'ny torohay rehetra momba ny mpiserasera, anisan'izany ny karajia manokana tahaka ny tolotra omen'i Gabbie. Tamin'ny volana aprily 2018, mety niharan'ny olanan'ny mombamomba azy ireo manokana ireo Filipina 1,8 tapitrisa farafahakeliny noho ny tranga fanararaotana tahiry avy amin'ny Cambridge Analytica. Raha ny marina, dia nanoratra taratasy ho an'ny Facebook ny Vaomiera Nasionaly momba ny Fiainana Manokana ao Filipina fotoana fohy taorian'izay, mitaky ny mangarahara sy ny fiaraha-miasa amin'ny fitadiavana ny fizarana angon-drakitra manokan'ireo mpisera Facebook Filipiana izay tsy nahazoana alalana .

Na izany aza, ny Facebook no fampiharana fandefasan-kafatra malaza indrindra any Filipina, mahatonga an'i Gabbie ho mahomby na dia tsy tonga lafatra aza, amin'ny fampielezana fahalalana amin'ny fomba hiadiana amin'ny fanorisorenana sy fanafihana ara-nofo. Satria feno herintaona amin'ny volana ambony i Gabbie, dia tokony hitady fomba matanjaka kokoa sy azo antoka kokoa ny Gabriela mba hiarovana tsara kokoa ny tsiambaratelon'ny mpampiasa azy ary hampitombo ny lazany sy ny fielezany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.