Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2020

Nisara-bazana tamin'ny fanitarana ny fe-potoana iasana napetrak'i Beijing ny mpanao lalàna mpanohana ny demokrasia any Hong Kong

Hita ho mitolo-batana manoloana ny tanibe ny fanekena ny fanitarana nomen'ny NPC ao Beijing raha midika fanaovana ankivy ny LegCo ny fandavana izany.

Tampon-tendrombohitra rava ao amin'ilay toerana fitrandrahana vatosoa (jade) ao Myanmar, nefa feno fianakaviana monina ihany na dia mampidi-doza aza

Na eo aza ny loza ateraky ny fhotsahan'ny tany bebe kokoa, misy fianakaviana 77 mbola mijanona ao, milaza fa tsy vitan-dry zareo ny hifindra toerana

Azia Atsimo Atsinanana: Tafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpanao gazety

Tao anatin'ny roa herinandro farany no nahitana tranga mampiahiahy momba ny fisamborana, fanamelohana ary fanaovana bemidina mikendry ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety ao Thailandy, Kambodza, Malayzia ary Vietnam.

Lahatsarim-panadihadiana mandranty ny fandrahonan'ny fanarahamaso famantarantava ao Serbia

Ampitandreman'ny lahatsarim-panadihadiana antserasera ny vahoaka amin'izay maha-mampidi-doza ireo fakantsary fanarahamaso an'ny shinoa miaty teknolojiam-pamantarantava.

Mifandray amin'ny alalan'ny fanentanana antserasera hanoherana ny fifanarahan'i Shina sy Iran ny Iraniana sy ny Hongkongers

Na dia misy aza ny sakana ara-pitenenana sy aar-kolontsaina dia mitovy fijery ny mpikatroka avy ao Hong Kong ansy avy ao Iran raha eo amin'ny resaka fitsipahana ny tolotra fifanarahana maharitra 25 taona omen'i Shina amin'i Iran.

Mpianatra mpikatroka miisa efatra nosamborina tany Hong Kong noho ny ‘fandrisihana fisintahana’ tao amin'ny tambajotra sosialy

Nisambotra tanora miisa efatra izay 16 ka hatramin'ny 21 taona ny sampan-draharaha vaovaon'ny Polisim-pirenena any Hong Kong noho ny fiahiahiana azy ireo ho nanao fandrisihana fisitahana tao amin'ny lahatsoratrany tao amin'ny tambajotra sosialy.

Shina: famonoan-tenan'ny mpianatra sangany iray hafa – ny tantaran'i Yang Yuanyuan

Na izany aza, tsy azo ovana ny natioran'ny olombelona. Misy fetrany foana ny fifehezan-tena ary ho montsana tanteraka raha toa ka henjana loatra.

Fantsona YouTube malaza manome torohay ny hoe ahoana izany mainty any Japana

Manasongadina antsafa ahitana mainty hoditra ampolony mponina any Japana ny fantsona YouTube malaza sy ny tranonkala The Black Experience Japan.

Mpanao fihetsiketsehana “Manila Pride” mamaly bontana sy mitantara ny fijaliana iaretana rehefa ahiboky ny polisy

"Midrikina isika manohitra ny sedra rehetra. Fanoherana ny androm-piainantsika. Eto isika handrava ireo rafitra mpamoritra, hanova ny zavatra tsy azontsika ekena." hoy i Carla Nicoyco, Filipiana mpikatroka avy amin'nyvondrompiarahamonina LGBTQ+.