Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2020
Taorian'ny fanakatonan'ny COVID-19, atolotry ny Mozea Ghibli ny fitsidihana an-tserasera
Atolotra amin'ny fitsidihana virtoaly fohy ao amin'ny YouTube ny iray amin'ireo toerana tian'ny mpizahatany malaza indrindra any Japana.
Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo
Nanakona ny mason'ireo olompirenena silamo tsotra ny fankahalàna ireo tandrefana eny anivon'ireo vahoaka silamo, ka tonga hatramin'izao fandàvana ny hino izay rehetra vaovao avy amin'ny media tandrefana izao, na ohatra aza ka ireo toby fanibohana miozolmàna no resahana
Mamoaka hira ao amin'ny YouTube ny kintan'ny pop malaza ao Japana ho famelombeloman'aina mandritra ny fihibohana
Rehefa nofoanana moa izany ny fitetezan-kianja fanao isaky ny lohataona sy ny andro mafana, dia maro ireo kintana malazan'ny pop japoney no nanapa-kevitra ny hanainga ny toetsain'ny mpankasitraka mihiboka an-trano amin'izao fotoana izao namoaka manontolo ny kaonseritra sy rakikira jerena maimaimpoana ao amin'ny YouTube.
Manamboatra fiarotava i Shina noho ny tinady manerantany nateraky ny COVID-19

Noho ny tinadim-piarotava sy vokatra ara-pitsaboana hafa mitombo izaitsizy manerana ny tany, nanova ireo zotram-panambatambaram-bokatra hahavaly izany tinady izany ny orinasa shinoa.