Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011
Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta

Ny 28 Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina...
Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza
Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.
Video: Ireo mpanao kiraro erantany
Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran'tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Mexika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.
Thailandy: Miverina indray ireo mpanohitra miakanjo mena
Ireo mpanohitra ny fitondrana miakanjo mena any Thailand no nanetsika ireo mpikambana ao aminy an'arivony tao afovoan'ny Bangkok hanohy ny fitakiany ho amin'ny fanovana demokratika any an-toerana. Milaza ny mpitandro ny...
Japana: Famporisihana ny olona hanadino ny nofinofiny
Ahoana tokoa moa raha ohatra ka misy olona manontany soso-kevitra aminao mikasika ny lalana izorany hanatratrarany ny nofinofiny nefa tsapanao fa tsy tsara ho azy ireo izany? Inona ny zavatra mety indrindra tokony ho atao?
Sina: Lehilahy iray voasambotra fa nitoraka bilaogy momba ny fitokonan'ny mpamily fiarakaretsaka

Voalazan'ny NDdaily fa lehilahy iray fantatra amin'ny anarana hoe Atoa. Zhou no voasambotra noho izy nitoraka bilaogy kiritika mikasika ny fitokonan'ireo mpamily fiara karetsaka tao an-tanànan'i Xianning tao amin'ny faritanin'i...
Malezia: Mamaly Fanontaniana ao amin'ny Twiter ny Praiministra
Ny tenifototra #tanyanajib, izay midika hoe ‘anontanio an'i Najib’ amin'ny teny Malay, dia lasa lohahevitra ifanakalozana ao amin'ny twitter tamin'ny Talata lasa teo. Izany dia mifandraika amin'ny filazàn'ny Praiministra Maleziana, Najib Razak fa hoe hamaly ioreo fanontaniana alefan'ny mponin'ny aterineto ao amin'ny twitter izy.
Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra
Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.
Sina: Io àry! 77 yuan isam-bolana ny hofan-trano
Mba hanehoana ny fijeren'ny CCP (Antoko Kaominista Sinoa) ny fiainan'ny olon-tsotra, dia nandefa ny fitsidihin'ny Filoha Hu Jintao ny fianakaviana kely fidiram-bola tao Beijing tamin'ny 30 Desambra taona 2010 ny fandaharan'ny tambajotram-baovao CCTV. Na izany aza, ny fifampiresahan'ny Filoha Hu sy i Guo Chunping, nambara fa solotenan'ireo mponina kely fidiram-bola, eo amin'ny toerana ahitàna trano azo ipetrahana, dia niteraka firehetana vaovaon'ny hatezeran'ireo mponin'ny aterineto izany
Korea Avaratra: Mitombo ny Fitarainan'ny Vahoaka
(Ny rohy dia amin'ny teny Anglisy sy Koreana) Nitatitra ireo teratany Koreana Tavaratra fa ao anatin'izao olan'ny tsy fahampian-tsakafo izao ary ny fifandimbiasan-toerana efa an-dàlana, maro ny vahoaka Koreana Tavaratra...