Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2020

31 Janoary 2020

Mpanora-gazety Thailandey voasazy noho ny lahatsoratra Twitter fifandirana arakasa nataony tamin'ny taona 2017

"Avo ny fanivanantena eto Thailandy... Rehefa rarànao ny fahalalaham-pitenenana... rarànao ny fiarahamonina misokatra."

28 Janoary 2020

Shina 2007: Nomena loka BoBs ny Shinoa

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2007) Tamin'ny taona 2007, nanomboka ny 22 Oktobra 2007 ny fifidianana tamin'ny bilaogy tsara indrindra Best of Blogs: afaka nifidy tamin'ny aterineto ho an'ny bilaogy, bilaogin-dahatsary ary ny rakipeo ny mpisera. 7.000 no notendrena manerana izao tontolo izao araka ny Deutsche Welle. Tafiditra tao anatin'ny...

24 Janoary 2020

Miala tsiny ny Facebook tamin'ny nandikana ny anaran'ny Mpitarika Shinoa Xi Jinping ho ‘Mr. Shithole’

"Ary nanasonia raki-pandalovana tao amin'ny lapan'ny solotenambahoaka ny filohan'i Shina, Mr. Shithole."

23 Janoary 2020

Fifidianana filoham-pirenena tany Taiwan: Voafidy indray i Tsai Ing-wen niaraka tamin'ny isam-bato betsaka indrindra azo hatramin'izay

Hoy i Tsai: 'Mbola manao antso amin'ny manampahefana ao Beijing indray aho hampahatsiahy azy ireo fa ny fandriampahalemana, ny fangaraharahana, ny demokrasia ary ny fifanakalozan-kevitra no lakilen'ny fifandraisana ara-politika miabo sy ny fampandrosoana maharitra'

22 Janoary 2020

Nandositra ny mponina rehefa namoaka setroka sy lavenona ilay volokano kely indrindra nifoha any Filipina

Mponina miisa 30.000 mahery no tombanana ho voakasik'izany ary nafindra toerana niala tao amin'ny faritanin'i Batangas sy Cavite noho ny fipoahan'ny volokano.

21 Janoary 2020

Ao Hong Kong, ady ataon'ireo mpanao gazety amin'ny fanivanantena, fandrahonana ary herisetra ataon'ny polisy manohitontohina ny fampitambaovao momba ny “revôlisiônan'ny Elo”

Tranonkala 4 mpamoaka vaovao tsy miankina no niaraka namoaka fanambaràna niombonana natao hanamelohana ny herisetra ninian'ny pôlisy natao tamin'ireo mpanao gazety. Mba hampitonitoniana an'i Beijing, manao fanivanantena ny sasany amin'ireo gazety.

20 Janoary 2020

Tsy nahasakana olona anarivony hanao ny ‘Hazakazaka anoherana ny jadona’ tao Thailandy ny fampitahorana ara-pitsarana sy ny filàna vaniny

Tsy vitan'ny hoe diso fa fahadalàna ihany koa ny setriny ataon'ny manampahefana sy ny tetika fampitahorana. Raha miverina ho ao amin'ny demaokrasia ny firenena, dia tsy tokony hisy olom-pirenena hiatrika fampitahorana tahaka izao? 

17 Janoary 2020

Nilaza ny mpitondra vaovao avy any Beijing ao Hong Kong fa antenainy ny hiverenan'ilay tanàndehibe amin'ny làlana marina

Nilaza ny Tale vaovaon'ny Biraon'ny Fifandraisan'i Beijing, Hong Kong fa manantena ny hiverenan'ilay tanàndehibe haingana amin'ny làlana tokony hizorany izy

16 Janoary 2020

‘Tsy hanampina ny vavako raha izay fampiatoana’: Tanora miteny taorian'ny nanisihana hafatra momba ireo Uyghurs ao Xinjiang tao anaty fampianarana ankosotra TikTok

GV Mpisolovava

Fampianarana ankosotra no ampiasain'i Feroza Aziz hanafenana ny fitsikerana ao amin'ny TikTok ny fomba fitondran'i Shina an'ireo Uyghurs

13 Janoary 2020

Nifarana am-pilaminana ny fitokonan'ny mpiasan'ny casino, fandresen'ireo mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Kambodza

Mety hiatrika sazy noho ny fanitsahana ny didim-pitsarana izay nilaza ny hetsi-panoherana ho tsy ara-dalàna ny mpiasa na dia nahomby aza ny fitokonana.