Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2013
Mbola Matroka Ny Fahalalahan-Gazety ao Myanmar Na Misy aza ny Fivoarana
Noderain'ny vondrona maro ho dingana mankamin'ny fahalalan'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena ny fanapahan-kevitr'i Myanmar hanafoana ny sampana malaza amin'ny fanaovana sivana. Saingy mbola navoitran'ny mpikatroka mpanara-maso ny fahalalahan-gazety ihany ny fitohizan'ny fampitahorana, fahasarotana ary ny fanafihana nahazo ny mpanao gazety monina ao Myanmar tamin'ny herintaona.
Shina: Fanaovana Tsindry Hazo Lena Olona Nitatitra Fisiana Fandikan-dalàna Iray Mba Hilaza Ny Loharanom-baovaony
Manao tsindry hazolena amin'i Zhu Ruifeng ny mpitandro ny filaminana ao Chongqing , ilay vavolombelon'ny fisian'ilay horonan-tsary mirakitra ilay tantara ratsinà resaka firaisana ara-nofo mba honolorany ny orizinalin'ireo horonan-tsary miisa 7 ireo mahavoarohirohy manampahefana miisa iraika ambinin'ny folo ao amin'ny governemanta.
Korea Atsimo: Lehiben'ny Polisy Teo Aloha Nogadraina Fa Nanala-Baraka Ny Filoha Efa Nodimandry
Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina...
Senatera Aostraliana Voaraoka Fa ‘Nitsabaka’ Tamin'ny Raharaha Politika Ao Malezia
Notànana nandritra ny 15 ora tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Kuala Lumpur, ao Malezia ilay Senatera Aostraliana Nick Xenophon alohan'ny nandroahana azy rehefa voampanga ho ‘fahavalom-pirenena izy.’ Nilaza ireo manampahefana Maleziana fa “mety...
Maleziana, Psy: “Aza Miakan-tsehatra Hihira Ho An'ny Antokon'ny Fitondrana Mpanao Kolikoly”
Nahazo fanasana avy amin'ny Praiministra Najib Razak sy ny antokon'ny fitondrana Barisan Nasional (BN) ilay mpanakanto malaza Psy mba handray anjara aminà lanonana karakarain'izy ireo ao Malezia, kanefa raha tokony hiarahaba azy ho...
Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy
Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.
Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana
Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.
Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa
Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..
Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo
Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana,...
Manafàna Ny Adi-hevitra Momba Ny Fanivaivàna Mpanjaka ny Raharaha Somyot
Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny 21 volana sy ny tsy namelana azy hahazo fahafahana vonjimaika in-12 misesy dia nomelohin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Bangkok ho nanitsakitsaka ny lalàna tamin'ny fanivaivana ny...