Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2015
Nataon'ny artista ho lasitra hisiam-piovana nandritra ity 2015 ity izao tontolo izao
Manatona ny taona 2016, ataontsika tamberina ny tantara 16 avy ato amin'ny tahirin-javakanton'ny Global Voices nivoaka tamin'ny fotoana nahamety azy.
Ngonongonom-bahoaka Ao Kambodza taorian'ny “Namotsian'ny” Ben'ny Tanàna Ny Hosodokon'ny Mpanakanto Iray Avy ao Etazonia
"Mandefa hafatra mazava ny governemanta Kambojiana fa tsy ho leferina ny zavakanto-bahoaka. Na izay na rorain'izy ireo fotsiny amin'ny fomba mahatrotraka indrindra azo atao ny sarintavan'olona nataon'ireo mpanakanto."
Fotoana Tsy Hay Adinoina Tao Myanmar Tamin'ny Taona 2015
Dingana lehibe teo amin'ny tantaran'ny firenen'i Myanmar ny fandresen'ny mpanohitra tao Myanmar manoloana ny antoko tohanan'ny miaramila. Izany sy ireo zava-nitranga hafa tsara ho tsaroana tamin'ny taona 2015 ao Myanmar
Endri-tsoratra Kanji Iray Mampiseho Ny Taonan'ny Fanjavozavoana Ao Japana
Ny endri-tsoratra 安 no voafidy tamin'ny fomba ofisialy ho kanji-n'ny taona 2015. Noheverina fa mampiseho ny "fandriampahalemana" ny endri-tsoratra, saingy tsy mandrakizay izany...
Krismasy ao Japan? Mivonòna amin'ny hazo mihazakazaka, jiro mahajambena ary ny akoho mendy
Manana fomba manokana iavahany i Japan eo amin'ny fankalazana ny noely ka tafiditra amin'izany ny firentirentin'ny jiro, ny mofomamy mampilendalenda ary ny akoho voatono mafilotra.
Voarara ao Brunei tokoa ve ny krismasy?
Eny sy tsia. Afa-mankalaza any an-tranony sy any amin'ny toeram-pivavahana ny tsy-miozolomana. Ary araka ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera iray, "Nahoana no izay lazaina ho 'fandrarana' ny krismasy ihany no mahatratra ny fampitam-baovao tandrefana amin'izao fotoana izao?"
Satria Tsy Mety Mandray Mpitsoa-ponenana Fanampiny i Japana, Niparitaka Ny Sary Namboarina Misy Fankalahana
Na dia nahatsikaritra sy nanitsy sary iray namboarina hitsikiana amin'ny teny anglisy momba ny famerana ataon'ny Japana amin'ny Miozolomana aza ny mpiserasera aterineto, lavitry ny marina ny hoe manoka-baravarana tanteraka amin'ny mpifindramonina sy mpitsoa-ponenana i Japana.
Nahoana No Faranan'ny Filohan'i Taiwan Ma Ying-Jeou Amin'ny Fihaonana Antampon'ny Helodrano Ety Ny Fitondrany ?
Midika fa misy zavatra tena, tena tsy ampoizina ny minitra farany nihaonan'ny Filoha Shino Xi Jiping sy ny Filoha Taiwane Ma Ying-Jeou roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena any Taiwan.
Misaona an'ilay mpampianatra ambony, Benedict Anderson, ilay nanao izay ivoahan'ny fandripahana ny komonista tamin'ny 1965 ho fanta-bahoaka, i Indonezia
Mankalaza ny fiainan'ilay Profesora Benedict Anderson, mpanoratra ny boky "Fiarahamonina Nosaintsainina" sady manam-pahaizana momba an'i Azia Atsimo-atsinanana ao amin'ny Oniversite Cornell ny Indoneziana. Namoy ny ainy tamin'ny herinandro lasa teo i Anderson.
Ahoana Ny Fankalazan'ireo Mpikatroka Aziatika Atsimo-Atsinanana Ny Andron'ny Zon'Olombelona
Nanakoako manerana an'i Azia Atsimo-atsinanana ny lohahevitra fitadiavan-drariny satria nasongadin'ireo vondrona mpikatroka ny fanitsakitsahan'ny governemantan'izy ireo ny zon'olombelona sy ny fihoara-pahefana ataony.