Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2012
Hong Kong: Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fanovàna ireo Mpanakanto

Eo an-dalàm-pametrahana ilay Volavolan-dalàna 2011 (fanovàna) Copyright (zon'ny mpamorona) any amin'ny Filan-kevitry ny Mpanao Lalàna mba hodinihana fanindroany amin'ny 9 Mey 2012 ny governemantan'ny RAS any Hong-Kong. Volavolan-dalàna manameloka ireo hetsika fandikana ny copyright amin'ny teknolojia rehetra izany raha toa ka "mihoatra ny fanimbana ara-toekarena bitika"
Mpitsoa-ponenana: Media Sy Teknolojia An-tSerasera Hikarakaràna ny Mpitsoa-ponenana
Fikambanana roa samihafa no mifantoka amin'ny tombontsoa sy ny vokatsoa azo avy amin'ny fampiasana ny Media sy ny teknolojia an-tserasera ho entina manampy ny mpitsoa-ponenana hanatsara ny fiainany.
Manomana Ny Fihetsiketsehana Bersih 3.0 i Malezia
Nikarakara Bersih 3.0 Duduk Bantah (hetsika sit-in) ny hetsika ho amin’ny fanitsiana hisian'ny fifidianana (Madio) ny 28 aprily any Dataran Merdeka ao Malezia. Nahitana fitakiana telo ny hetsika. 1. The Election Commission must...
Shina: Fihetseham-po Manoloana Ny Fandraràna an'i Sola Aoi, Japoney Malaza Mpilalao Horonantsary Mamoafady
Sahiran-tsaina ireo mpiondana aterineto tamin'ny fandraràn'ny governemanta hanatsahatra ny fisehoan'ny kintan'ny horonantsary mamoafady Japoney, Sola Aoi amin'ireo fandaharana amin'ny fahitalavitra. Ho fanehoan"izy ireo ny fanohanany, nampiseho teny filamatra nandritra ny lalao baolina kitra iray tany Guangzhou izy ireo, izay nahasarika ny saina tokoa.
Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".
Korea Avaratra: Resaka Manodidina Ny Fandefasana Balafomanga Tsy Nahomby
Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny...
Fifidianana Tany Myanmar Tantaraina Tafahoatra?
Nifaly izao tontolo izao nahare ny valim-pifidianana (ampahany) ofisialy farany teo tany Myanmar nahitana ny fandresen'ilay olo-malazan'ny demokrasia Aung San Suu Kyi sy ny antokony National League for Democracy. Saingy raha henoina ny filazan'ny mpiserasera sy ny mpanara-maso politika sasany, tokony tonena ihany ny tsinjatsinjaka tamin'ny fandresen'ny NLD satria mbola ny antoko manohana ny fitondrana miaramila ihany no antoko matanjaka ao an-toerana
Indonezia: Nanangana Ny Kaonty Twitter-ny Ny Minisitra Mamim-bahoaka
Taorian'ny fananganana ny kaonty twitter-ny, nibahana tao amin'ny tontolon'ny aterineto ny amin'i Dahlan Iskan, minisitry ny Orinasam-panjakana mamim-bahoaka. Tamin'ny herinandro lasa, afaka naneho ny ahiahiny mivantana tamin'ny minisitra ny mpiserasera sasany tamin'ny alalan'ny Twitter
Singapore: Raha Isika No Nandefa Ny Balafomanga…
Rehefa nandamoka ny nandefasan'i Korea Avaratra ny balafomanga, nalaza ny fampiasana tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe: #ifSingaporelaunchedarocket [raha i Singapore no nandefa ny balafomanga]. Tsy ampy toy inona akory, indreo ny...
Indonezia: Mafana Ny Fifidianana Ho Governoran'i Jakarta
Nampiseho ny fanadihadiana notontosain'ny Ivon-toerana Mpanao Fanadihadiana Indoneziana fa ny tompon'i Fauzi “Foke” Bowo no mitarika amin'ny fifidianana governora ao Jakarta. Jakarta no renivohitr'i Indonezia. Miaraka amin'i Nachrowi Romli, 49.1...