Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2010
Ireo mpitoraka blaogy mikasika ny lamaody any Indonezia
Ireo mpitoraka blaogy malaza any Indonezia dia ireo mpitoraka blaogy miresaka lamaody sy ny fomba fiainana izay matetika tanora vehivavy . Iza izy ireo ary fa maninona izy ireo no malaza?
Kambodza: Fanokafana ofisialy ny vavahadin-tseraseran'ny zon'olombelona voalohany
Sithi.org, varavaran-tserasera natao hanehoana ireo sehatra sy valina fanadihadihana mikasika ny tsy fanajana ny zon'olombelona any Kambodza no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny 22 jolay lasa teo, miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ireo...
Sivana any Singapore
Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.
Taiwan: Tanimbary goavana teo ivelan'ny trano fiasàn'ny Filoha
Ny faha 18 Jolay, ho fanoherana ny Lalàna famerenana ny tany amin'ny fanjakana dia navadik'ireo tantsaha Taiwanese ho toy ny tanimbary midadasika ny lalambe migodana manoloana ny trano fiasàn'ny Filoha, fa tsy hoe hanao zaridainan'ny tanàna.
Sina: Uighur mpitoraka blaogy voaheloka hifonja 15 taona an-tranomaizina

Lahatsoratra nosoratan'i Oiwan Lam nivoaka tao amin'ny Advocacy Araka ny voalazan'ny uighurbiz.net, ilay Uighur mpanao gazety mpanadihady sady mpitoraka blaogy, Gheyret Niyaz(海來特.尼亞孜) dia voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina tamin'ny 23...
Korea Atsimo: Fisaonam-pirenena noho ny fahafatesana vady andefimandry Vietnamiana iray
Maty novonoin'ny vadiny Koreana ny vady andefimandriny tanora Vietnamiana iray tany Korea. Maneho fiaraha-mioriny noho ity fahafatesana mahatsiravin'ity vady andefimandry tanora ity ireo mpitoraka blaogy Koreana, sady manao antso avo amin'ny governemanta mba hanaraka ny fanajàna zon' olombelona ny fahazoana ireo vady andefimandry avy any ivelany .
Filipina : olana rano ao Manille
Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka namaky ny...
Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina
Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io...
Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy
Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube,...
Thailand: Korontana ho an'ny Praiminisitra ny hafatra an-tsoratra amin'ny finday
Nandefa simaiso tamin'ireo mpampiasa finday Thai an-tapitrisany ny Praiministra Thailand Abhisit Vejjajiva rehefa nandray ny asany tamin'ny 2008, nangataka ny firaisan-kina. Ankehitriny, izy miatrika ny heloka amin'ny kolikoly tamin'ny nahazoany ny "fanomezana" avy amin'ireo orinasa mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Voampanga ihany koa izy amin'ny fanitsahana ny zo manokan'ny mpanjifa finday