Shina: Fihazàna Ivelan'ny Fari-piadidiana Mahazo Mpanao Gazety Iray Mpanadihady

Zhou Xiaoyun, mpanao gazety mpanadihady, monina ao amin'ny faritanin'i Guangdong any Shina, dia karohin'ny manampahefana avy amin'ny governemanta ao amin'ny fileovan'i Funing, faritra Jiangsu, taorian'ny namoahany tranganà kolikoly goavana iray. Nanomboka ny 14 Aogositra 2012, niantso vonjy tamin'ny alàlan'ireo sehatra tambajotra sosialy maro samihafa i Zhou.

Tokony ho tamin'ny 10:30 maraina ny 14 Aogositra, taorian'ny nivoahan'ity lahatsoratra [zh] manaraka ity tao amin'ny famoahan'i Zhou, tao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika Sina Weibo. Amin'ny fotoana anoratana ny lahatsoratra dia efa in-15.700 no naverina naparitaka izy io :

sary ao amin'ny mombamomba an'i Zhou Xiaoyun ao amin'ny Sina Weibo.

【周筱赟因揭黑遭跨省!】我揭露江苏阜宁县下文件安置61名判刑领导刑满重新入编,当地承认文件真实但强调完全合法,遭我驳斥后,竟派6名领导昨天飞到广州对我跨省!发誓一定要挖出周筱赟!通过各种关系传话,先威胁再利诱,查我银行账号想干吗?竟还有自称美女网友想搞色诱。阜宁县政府你还要不要脸?

[Karohan'ireo manampahefana ivelan'ny fari-piadidiany i Zhou Xiaoyun taorian'ny namoahany tranganà kolikoly goavana] Navoakako ny taratasy ofisialy avy amin'ny polisin'ny fileovana ao Jiansu Funing izay manendry mpanao heloka bevava 61 ao anatin'ny asam-panjakana. Ny governemantam-paritra dia efa nanamafy sahady fa tena izy io taratasy io, saingy nanindry fa tena ara-dalàna tsara ilay fanaovana fifampiraharahàna. Laviko  ny tohan-kevitra avy amin'izy ireo. Avy eo nalefan-dry zareo fiaramanidina ny mpitarika 6 mba ho any Guangzhou, omaly, ary nianiana ry zareo fa tsy maintsy hitany i Zhou Xiaoyun. Nampitain-dry zareo tamin'ny alàlan'ny fantson-tambajotra maro samihafa ny hafatra, nampiasa fiteny mandrahona tamin'ny voalohany, avy eo ry zareo niezaka namandrika ahy – inona no hitadiavan-dry zareo (mombamomba) ny kaontiko any amin'ny banky? Avy eo sipa iray milaza tena ho mpankafy ahy ety anaty aterineto no niezaka nambabo ahy. Henatra ho anareo, governemanta ao amin'ny fileovan'i Funing!

Ampiasaina ny teny hoe cross-province hunting, na “fihazàna ivelan'ny fari-piadidiany” 跨省追捕 mba hamaritana ny manampahefana izay mampiasa ny fahefany any ivelan'ny toerana voafaritra ho azy. Mety ho alain-dry zareo an-keriny sy entiny ho any amin'ny fari-piadidiany ilay ahiahiana avy eo mba hotsarainy. Saingy tato anatin'ny taona vitsy lasa, betsaka dia betsaka ireo  cross-province hunting nitranga nikendrena ireo mpikirakira aterineto avy any ivelan'ny faritany ka namoaka ho fanta-bahoaka tety anaty aterineto ny kolikoly ataon'ireo manampahefana ao an-toerana. Nanampy [zh] vaovao misimisy kokoa i Zhou tamin'ny tolakandro:

阜宁县这次派出6名主要领导,带队的是阜宁县委宣传部部长,人高马大,气势汹汹闯进来,但没找到我。从江苏阜宁到广东广州,横跨这么多省,机票钱应该是纳税人买单吧?还托了各种老乡的老乡、同学的同学来带话,要当面找我谈谈,被我拒绝。查我银行账号是想栽赃吗?对于色诱,我是不是要将计就计呢?

Nandefa mpiasam-panjakana ambony 6 ny fileovan'i Funing. Ny mpitarika azy dia ny lehiben'ny departemantan'ny fampielezan-kevitra. Lehilahy vaventy lery, nihazakazaka niditra an-katezerana tao amin'ny birao ranamana. Saingy tsy nahita ahy. Jiansu Funing dia lavitra tokoa miala an'i Guangdong Guangzhou. Tsy maintsy mandalo faritany maro ry zalahy ary ny tapakilan'ny fiaramanidina taingenany dia ny mpandoa hetra no miantoka azy. Nataon-dry zalahy izay hahitàna ireo mpiara-miasa tamiko tao amin'ny fileovana sy ireo mpiray sekoly tamiko mba hampita hafatra ho ahy, milaza hoe te-hiresaka mifanatri-tava amiko ry zareo. Nandà aho. Notsikilovin-dry zareo ny kaontiko tany amin'ny banky. Fomba entiny hanapaingorana ahy ve izany? Ary raha ny momba ilay fambaboana nataon'ilay sipa, tena mety handresy lahatra an…

Ny tatitr'i Zhou Xiaoyun dia navoaka [zh] tao amin'ny gazety an-tsoratra Nanfang Weekend tamin'ny 9 Aogositra 2012.  Ilay tatitra fanadihadiana dia namoaka fa ny governemantan'ny Fileovan'i Funing dia nandambolambo mpiasam-panjakana 61 teo aloha izay efa voaheloka hisazy am-ponja noho ny raharaha kolikoly, tamin'ny asam-panjakana. Araka ity antontan-taratasy nitete ity, ireo mpiasam-panjakana 61 dia nomena safidy na handray ny karaman-dry zareo nefa tsy handray ny asany marina akory, na halefa handray fisotroan-dronono feno ary hahazo no tombontsoa azon'ireo mpiasam-panjakana hafa rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.