Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny  Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.

Tena mahagaga ny tsy firaharahian'ny olona azy io raha ny fandrakofana be azon'ilay tranga tany am-piandohana no jerena. Ny taona 2011, andianà mpifindra monina voaray hiasa tao  Caucasus no voalaza fa nirohotra nanafika tanàna iray antsoina hoe Sagra [ru], noho ny disadisa tao an-toerana nahatafiditra zaza tsy ampy taona iray mpaninjara rongony.  Nampitovian'i Aleksei Navalny, tamin'ny ” Spartan warriors” [ru] ireo izay mponina nahavita niaro ny tenany samy irery ary nahavita namono mihitsy iray tamin'ireo mpanafika aza.

Tarika “Pussy Riot”mpihira mbola any amin'ny fitsarana ao amin'ny Tribonalin'i Tagansky , Mosko, Rosia (4 Jolay 2012), sary avy amin'i Anton Belitskiy, fizakà-manana © Demotix.

Etsy ankilany, Navalny dia niantso ireo mpikambana tao amin'ny tarika Pussy Riot voasambotra  hoe “vehivavy mitapy,” ary niantso ny hetsika nataon'izy ireo ho “resaka dokam-barotra fampahafantarana.” Tsy nampihemotra azy izany fivadihan-javatra izany, tao anatin'ny fampahafantarany ny tenany mba hijoro ho vavolombelona amin'ny Fitsarana azy ireo  [ru], araky ny fahitany azy, mba hanamarina ilay”natiora politika”-n'ilay  fampisehoana nataon'ny Tarika tamin'ny volana February tao amin'ny Katedraly  “Christ the Savior” (Kristy Mpamonjy). (Tsy navelan'ny fitsarana hanao fijoroana vavolombelona i  Navalny.) Mbola tsy naneho ny heviny tamin'ny fitsarana an'i Sagra izy .

Angamba mety ho hafa ny fihetseham-po, fa angaha i Evgeny Roizman, ilay  mafana fo mipetraka any Yekaterinburg, manohitra ny fidoroana dia tsy mahatsiaro tena ho voakasik'izany teo aloha. Amin'ny ampahany dia ny fanairany ny fahatongavantsain'ny mponina mikasika ny zava-nitranga avy hatrany taorian'ilay fitsarana no mahatonga ankehitriny ilay fitsarana amin'izao fotoana ‘hankaleo’ ny ankamaroan'ny Rosiana. Teo am-piandohany, dia ireo mponina teo an-tanàna, fa tsy ireo jiolahim-boto, no notsiniana ho nitarika ny herisetra, nahatonga ireo Rosiana “tsara, marina” hifanjevo tamin'ny fitsarana. Amin'izao fotoana izao, na izany aza, dia ireo mpikambana 23 voalaza fa “andian-jiolahimboto“[ru] no niakatra fitsarana.

Kanefa, na ankehitriny aza, dia mbola mahagaga ihany hoe toa hita ho mankaleo sy tsy dia misy dikany loatra ny raharaha Sagra. Ary na izany na tsy izany, nisy olona iray namoy ny ainy tamin'iny, ary tandindonin-doza ny ain'ny olona sy ny fananan'izy ireo. Miresaka fironana mahery setra anaty tsy fanarahan-dalàna ilay tranga ary Fanaparam-pahefana any amin'ny tany lavitra andriana. Na dia nifarana haingana aza iny fanafihana iny ary tsy dia nisy rà nandriaka loatra, dia nisy fanafihana nitam-piadiana ihany tany amin'ireo fiarahamonina madinika izay tsy mba nitàm-piadiana– Tokony ho tsaroan'ny tsirairay ny Vono Olona tao Kushchevskaya  [ru].

Ohatra tsara eo amin'ny fihetsiky ny fitsarana Rosiana iny raharaha iny — hita ao daholo ny mariky ny tsy fetezana : fitsarana izay mampifamadina ny niharam-boina amin'ny mpanao heloka toy ny efa zava-panao raiki-tampisaka, fibaradahana noho ny tsindry ataon'ny vahoaka; ary ny  famotsorana ny sasany amin'ireo voampanga amin'ny fampandoavana onitra  [ru], raha toa ilay mpiady tranainy iray izay notsarain'io fitsarana io ihany, raharaha tsy nisy herisetra tsy afaka nialàna akory tamin'ny fitanana am-ponja vonjy maika nandritra ny herintaona.

Ny fitsarana an'i Sagra aza navela nanao fianianana tao an-trano fitsarana ny mpiaro ary nangataka ny handàvan'ny mpitsara ny tenany ihany. (Tsy neken'ilay mpitsara, mazava ho'azy.) Ny iray tamin'ireo voampanga dia nokaikerin'ny alika mpiambina  [ru], raha toa ka tompon-daka amin'ny haiady kosa ny iray .

Misy fifamatorany ihany koa amin'ny tolo-kevitr'ilay Loholona Aleksandr Torshin  amin'ny fanalalahana ny fanànana basy tsotra . Afaka niaro ny tenany tsaratsara kokoa ve ireo mponina teo an-tanàna raha niaraka tamin'ny basy tsotra fa tsy basim-borona? Sa ve ireo andian-jiolahy mbola nanana fotoana malalaka kokoa nanafihana , raha nahazo alàlana hampiasa ireny basy mitovy amin'izany ireny koa izy ireo ?

Maninona ary izany ireo bilaogera Rosiana no tsy miraharaha azy io? Sa ve fifantohana nandalo ihany izany? Na izany na tsy izany, taona iray izay no lasa hatramin'ny nitrangan'iny toe-javatra iny. Na koa angamba hoe lavitra an'i Moscow iny raharaha iny no nitranga, ka dia tsy tratran'ny Radar-mpirenena? Na koa tsy dia politika loatra , na dia teo aza ny fandraisan'anjaran'i Roizman?

Angamba ny fototr'olana dia ny tsy fahatakarana loatra ny atao hoe tsy manan-tsny raha tsy efa voatsara (presumption of innocence). Raha vao nampangain'ny fitsaram-bahoaka ny mpanafika, dia mety hiato tsy hiraharaha ny fitsarana . Sarotra aloha ny hino hoe ireo mpiasa 23 ireo, tsaraina miaraka amin'ny fotoana iray, no hizara mitovy  ny heloka iampangana azy. Na dia izany aza, Roizman dia niantso azy ireo hoe “V**n'omby”  tamin'ny tsy fanaovan'izy ireo fialantsiny  [ru], mifandraika amin'ny  fomba nangatahana ireo fialantsiny (ary farany voaray [ru]) avy tamin'ny  Pussy Riot.

Ny 3 Aogositra tao amin'ny  Twitter [ru] , ilay  mpanao gazety Vladimir Soloviev dia niatrika ilay resaka tsy misy farany momba ny Fitsarana ny Pussy Riot : “Tsy misy hahatakatra mihitsy hoe toy izany no fomba fitondran'ny Fitsarantsika ny olona rehetra.” Mandra-pijanon'ny olona tsy hibanjina zavatra iray amin'ny fotoana iray , ary hifantoka amin'ny tontolon'ny resaka lalàna , dia toa tsy hisy zavatra hiova mihitsy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.