Nahazo ny fon'ny mpiray tanindrazana aminy tamin'ny alalan'ny fandaharana fampielezam-peo na fahitalavitra amoahany amim-pahazotoana ny vina goavana sy ny fahitany lavitra [es] ny andavanandrom-piainan'ny firenena i Jaime Garzón, Kolombiana mpahay lalàna, mpanao gazety, mpisehatra, mpampianatra, mpandala ny fandriampahalemana, mpanadihady ara-politika, mpandalina ara-piarahamonina, mpikatroka ary mpitsikera. Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 i Garzón, izay noheverina ho nataon'ny milisy sy ny manamboninahitra ambony [es] ahitana ny tale teo aloha [es] ao amin'ny Departemanta Ara-pitantanan'ny Fiarovana (DAS). Mahatsiaro azy [es] ny Kolombianan isaky ny andro ahatsiarovana [es] ny namonoana azy.
Farany teo, noho ny firoborobon'ny fitaovam-pifampitambaovaon'olo-tsotra, nalaza tao amin'ny Twitter indray ny anarany [es] , ary nihiaka noho ny fisian'ny tsimatimanota tamin'ny famonoana azy ny bolongana maro – tahaka izay nataon'i La Pastusita ao amin'ny tsanganana “Lo mismo que antes” [es] (Toy ny Taloha ihany).
Lab Social Blog mitsikera ny Kolombiana ho lasa manao vain-drahalahy tsy marary ka taratry [es] ny tsy firaharahiana sy ny fisian'ny tsimatimanota momba ny raharaha famonoana an'i Garzón:

“Sin Olvido Jaime Garzón” (Fahatsiarovana an'i Jaime Garzón). sarin'ny mpisera Flicker Gert Steenssens, alalana Creative Commons
Pasan los días, los años y solo contamos de forma repetitiva en los diarios que ha pasado un año más de impunidad y que aún no se desenmascaran los verdaderos autores de los grandes magnicidios de nuestro país.
Ao amin'ny bilaoginy “Thinking Without Side-effects,” Rosa Cristina no manome voninahitra an'i Garzón [es] sy mahatsiaro ireo anjara birikiny, ka anisan'izany ny fanairana ny fahazoana firenena tsara kokoa:
Jaime se esforzó al máximo y de todas las formas que tuvo a su alcance, por despertarnos, por puyarnos para que nos moviéramos por impulsarnos a ser conscientes a ser actores de nuestro presente y futuro.
Ny mpanoratra ny bilogy Proyecto D, izay niantso ny tenany ho “Zorro del Desierto”, no niantso hananganana ny firenena tsara kokoa [es] amin'ny fanarahana ny lova navelan'i Garzón:
Garzón creía en la vida, creía en las instituciones, en la Constitución del 91, a pesar de todo creía en una nueva Colombia, creía en que esto se podía mejorar. El mejor homenaje que se le puede hacer hoy a Jaime, a todas esas víctimas anónimas, es el de hacer posible esa patria mejor, porque haciendo ese homenaje, a ese personaje que era Garzón en realidad estamos construyendo también Patria, democracia, o como sea que se llamen esas cosas, “tener un país, mínimamente más agradable”.
Manokana fahatsiarovana an'i Garzón ihany koa i Olga Lucía Lozano ao amin'ny La Silla Vacía amin'ny alalan'ny famoahana ny “Garzonpedia” [es] ahitana ny teny notsongaina 13 malaza nataony. Mamarana amin'ny alalan'ny teny notsongaina avy tamin'i Garzón izay nozarain'i Catalina Arbeláez ao amin'ny bilaoginy [es] i Lozano:
“En este país, el Estado existe o no existe. Existe para cobrarle a uno impuestos, IVA, valorización; pero no existe para darme seguridad social, empleo, seguro social, seguro médico, nada. Ahí no existe el Estado”.
Ny hafa indray nahatsiaro an'i Garzón tamin'ny alalan'ny famoahana lahatsoratra indray[es] izay efa navoakan'ny gazety be mpamaky, na misy ireo mizara ny lahatsary ao amin'ny YouTube.
Velona ao am-pon'ireo Kolombiana ireo izay mahatsiahy azy hatrany sy mitaky ny rariny amin'ny raharaha mahazo azy ny fahatsiarovana azy sy ny lova navelany.