· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2011

Bahrain: Diabe Roa Samihafa Ho an'ny Firaisam-pirenena

Nitohy ny tolona am-pilaminana tany Bahrain tamin'ny Talata raha nikarakara fihaonamben'ny Firaisam-pirenena ny fito tamin'ireo vondrona mpanohitra goavana, manomboka any Salmaniya sy ny faritr'i Seef mankany amin'ny Fiodinana Pearl (Lulu). Amin'ny Alarobia, hisy fihaonambe iray hafa hokarakarain'ny vondrona antsoina hoe Fihaonamben'ny Firaisam-pirenena, miaraka amin'ny ny fangatahany manokana.

Holandey-Iraniana maty novonoina tany Iran

Novonoin-ko faty tany Iran ny Holandey-Iraniana Zahra Bahrami taorian'ny nahitana fa meloka mikasika ny heloka mikasika ny rongony izy ary nomelohin-ko faty ny 2 Janoary. Nogadraina i Zahra Bahrami ny 27 Desambra 2009 raha toa izy ka nanatrika ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta araka ny vaovao voaray.

Bahrain: ‘Nanapoaka Sarom-bilany’ Hanohitra Ny Sekoly (Lahatsary)

Sekoly Ambaratonga (ambony) faharoa maromaro no 'nanapoaka sarom-bilany' hihetsika hanohitra ny governemanta manerana an'i Bahrain tamin'ny Talata 1 Martsa. Ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana milasy ao amin'ny Fihodinana ao Pearl (Lulu) dia nivoaka ny sekoliny daholo teny anelanelan'ny andro fianarana, na lahy, na vavy, ka nanao filaharana teny ivelan'ny sekolin-dry zareo tao an-tanànan'i Isa , Hamad ary Jidhafs.

Oman: Mitohy ny fihetsiketsehana ao Sohar

Nahatratra ny faritr'i Oman ny onjan'ny fikomiana Arabo ka Omanis anjatony no nidina an-dalambe mba hitaky fanovana sy ny fanafoanana ny kolikoly ao amin'ny faritra maro ao amin'ity firenena entina Sultan ity. Nitohy ny fanoherana tao Sohar,  faritra indostrialy sady misy ny  seranan-tsambo Indostrialy, mpanao fihetsiketsehana maherin'ny  1000 no nibahana...

Libya: “Ny fahafahana no zavatra tokana irinay

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadiana manokana mikasika ny Fihetsiketsaham-bahoaka tao Lybia taona 2011. Ny Alahady 27 febroary, andro hafa indray nisiana rà mandriaka tao Libya, toy ny fihetsiketseham-panoherana an'i Kolonely Muammar Al Gaddafi efapolo taona nitondràna dia mitohy izany tamin'ny andro faha iraika ambinifolo Nilaza ny tatitry ny mpanao gazety eran-tany...

Bahrain: Mibahana ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena ny fihetsiketsehana

Nobahanan'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana io alatsinainy maraina io Lapan'ny Filakevi-pirenena izay toerana ivorian'ny Parlemanta sy ny Filankevitra Shura (Consultative) isan-kerinandro. Ny anton'ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena moa dia ny handravana ny rafitra "roa loha" ankoatra ny fitakiana hafa ataon'ny mpanao fihetsiketsehana toy ny Lalampanorenana vaovao sy ny fanonganana ny fitondrana.