Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.
Sekoly Ambaratonga (ambony) faharoa maromaro no ‘nanapoaka sarom-bilany’ hihetsika hanohitra ny governemanta manerana an'i Bahrain tamin'ny Talata 1 Martsa. Ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana milasy ao amin'ny Fihodinana ao Pearl (Lulu) dia nivoaka ny sekoliny daholo teny anelanelan'ny andro fianarana, na lahy, na vavy, ka nanao filaharana teny ivelan'ny sekolin-dry zareo tao an-tanànan'i Isa , Hamad ary Jidhafs.
Ireo sekoly tao an-tanànan'i Isa dia nitodi-toha nankany amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana hangataka ny fialàn'ny minisitra sy haneho ny hatezeran-dry zareo momba ny rafitra ‘mpampianatra mpirotraka an-tsitrapo’ izay napetraka rehefa nitokona ireo mpampianatra manohana ireo maritiora latsak'aina sy ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Fihodinana ao Pearl.
@mShareeda noraketiko anaty lahatsary ry zareo http://yfrog.us/5hc0wz tao amin'ny Sekoly Ambonin'ny tanànan'i Isa!!!! #bahrain
*Potsero ny rohy mba hijerena ny lahatsary
Ity lahatsary ity dia maneho ny anaran'ireo sekoly nanatevin-daharana ny hetsika sy nanao filaharana nankany am-bavahadin'ny Ministeran'ny Fanabeazana. Nampakarin'ilay mpampiasa YouTube MMulti2.
http://www.youtube.com/watch?v=i5ALC1Waz9M
Nirotsaka an-dalambe niaraka tamin'ny kitapony ireo mpianatra tao an-tanànan'i Hamad, miantso fanatsaharana ny politika fanomezana fizakana zom-pirenena ho an'ireo teratany vahiny, izay tena mivandravandra be any amin'ireo tanàna izay haingana be ny fanaraha-maso ny fangatahana tranom-panjakana homena ireo Arabo nomena zom-pirenena.
http://www.youtube.com/watch?v=tKiETTBTaFY
Nampakarin'ilay mpampiasa YouTube AloOoOy93
Bitsika maro no maneho fahasorenana amin'ny hetsik'ireo mpianatra ary miteny fa tokony ho ny fianarana no hifantohan’ izy ireo fa tsy izay hetsi-panoherana.
@Teema_K Fa dia inona loatra re no mitranga any an-tsekoly ankehitriny e!! Aiza ny Ministeran'ny Fanabeazana!! Mandra-pahoviana ny tsy firaharahiana!! Tokony hosaziana ireo mpampianatra ireo!
@Shirley_Riffa Andraikitry ny mpampianatra ny mitarika ny mpianatra hiaina anaty fandriampahalemana sy firindràna ary tsy mamafy fisarahana eo amin'ny fiarahamonina.
@RshRsho mpianatra tao “Al Had AlZaher” (ny tena anarany: Al-Ahd Al-Zaher) nandao ny sekoly mba hanao hetsika fanoherana! Iza no tompon'antoka amin'izao heloka bevava ara-panabeazana izao! #Bahrain http://bit.ly/dSutNB
Ao amin'io sekoly io ihany, tovovavy iray 17 taona no voalaza fa niady taminà mpitsabo mpanampy iray tao an-tsekoly. Ny tranonkala mpomba ny governemanta, Peace Bahrain, dia namoaka sary ahitàna ny ratra nahazo ilay tovovavy.
Sary nahazoana alàlana avy amin'ny tranonkala Peace Bahrain
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitray manokana mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.