Oman: Mitohy ny fihetsiketsehana ao Sohar

Nahatratra ny faritr'i Oman ny onjan'ny fikomiana Arabo ka Omanis anjatony no nidina an-dalambe mba hitaky fanovana sy ny fanafoanana ny kolikoly ao amin'ny faritra maro ao amin'ity firenena entina Sultan ity.

Nitohy ny fanoherana tao Sohar,  faritra indostrialy sady misy ny  seranan-tsambo Indostrialy, mpanao fihetsiketsehana maherin'ny  1000 no nibahana ny fidirana mankao amin'io faritra indostrialy iankinan'ny toe-karem-pirenena io tamin'ny Alatsinainy:

@SultanAlQassemi Al Hurra: Nahita maso: Nohidin'ireo mpanao fihetsiketsehana 1,000 ny fidirana ao amin'ny seranana  Sohar; Nihira hoe “Mila fanovana izahay#Oman

@mehindaa #oman #saudi #kuwait #uae #qatar محتجون يغلقون مدخل ميناء صحار اليوم، ثاني أكبر الموانئ بعُمان http://twitpic.com/44oki2

Pro reform protesters block the Sohar Port entrance

Nohidian ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny fanovana ny fidirana ao amin'ny seranana Sohar, seranana lehibe faharoa ao Oman, androanyt (Alatsinainy)

@RebaBerry #Oman: lalana mankany amin'ilay seranana lehibe fanondranana entana izay voahidy

Nampiseho ny fahatezerany ireo mpanao fihetsiketsehana sasany  noho ny vono olona teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana nataon'ireo polisy manohitra ny fikomiana, ka nandoro ny magazay lehibe sy ny toerana iray tao amin'ny minisiteran'ny asa.

@mehindaa #oman #saudi #kuwait #qatar #uae دخان يرتفع من مبنى تابع لمكتب وزارة القوى العاملة في صحار بعُمان اليوم http://twitpic.com/44o963

Fire at Ministry of Labour and Workforce branch in Sohar, Oman

Afo tao amin'ny ministeran'ny asa sy ny toeram-piasana ao Sohar, Oman

Nanaka-danitra ny setroka tao amin'ny tranon’ ny ministeran'ny asa tao Sohar androany (Alatsinainy)

http://www.youtube.com/watch?v=kQe1iR4nrXc
avy amin'ny mpampiasa YouTube freeoman1 izay nanoratra:

احتراق مركز لولو التجاري نتيجة لقتل قوات الأمن في سلطنة عمان لمجموعة من المتظاهرين .

Ny magazay iray lehibe Lulu izay may noho ireo mpitandro ny filaminana namono sasantsasany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Sultanat ao Oman.

Nandefitra ny Sultan Oman Qaboos ka hanampy amin'ny fanalefahana ny ady ao Sultanate ary nanome asa vaovao 50.000 ka nijery ny fangatahan'ireo vahoaka tao Sohar izy.

@3alfailakawi قابوس: يوفد اليوم شخصيات سياسية الى صحار للاستماع لمطالب المعتصمين والمحتجين

Qaboos: mpanao politika mpitarika ao Sohar nihaino ny hetahetan'ny mpanao fihetsiketsehana

@SultanAlQassemi ONA: Nanome asa 50000 ho an'ireo olom-pirenena ny Sultan Qaboos ao Oman http://bit.ly/dRbHVZ

Ireto manaraka ireto ny hita tao amin'ny Twitter omaly:

@muscati: @chanadbh tadidio azafady, tsy misy fihetsiketsehana tao Oman ka nihoatra ny anjatony ny isany ary izy rehetra dia mpanohana 100 isan-jato ny Sultan avokoa

@Maithams: Nisy zava-niseho tao amin'ny hopitaly vonjy aina#Sohar!! vahoaka naratra! ka hohamariniko! #oman

@Thereluctantmum: amin'izao fotoana izao ao sohar, dia voatoraka  vato ny toeram-piasan'ny polisy ary nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo vahoaka miisa eo amin'ny 15o eo.

@khokhz: Rahoviana no hianatra izy ireo? “@Maithams: dia NANAMAFY: naratra 12 ary 1 maty  tao #Sohar #Oman ny ankamaroan'izy ireo dia voatifitra ! ary 2 tazomina eny amin'ny hopitaly famonjena aina”

@spinonspin: Tsy “diabe maintso” intsony tao #sohar. Mihantsy polisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Valian'ny polisy aminy fandefasana gazy sy setroka izany.

@spinonspin: nahatazana fakantsary ny mpanao fihetsiketsehana tao #sohar  ary niangavy ahy haka sary azy ireo. “tahaka an'i Kaddafi.” izay nanontany raha nahita sary tao #libya.

@spinonspin: miharatsy ny toe-draharaha ao Sohar, mifampitorabato ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana, eo koa ny baomba manetroka. Mihazakazaka ireo mpijery eny amin'ny sisiny sy ny manodidina an'i #oman

@Maithams: Nandoro kamiao teo akaikin'ny toeram-piasan'ny polisy izy ireo ho mariky ny fanoherana! Izay no niatombohan'ny horakoraka tao#Oman #Sohar

@Mo3athooo: sari-na mpanao fihetsiketsehana voasaron'ny setroka…hitanao ny vato eny an-tànany http://twitpic.com/44b6wp #Sohar

@momina95: Fa inona no mitranga ao amin'ny tanànan'i Sohar izay tsy tia ady:/ Toa mandalo tetezamita marina ny Moyen Orient. Mino aho fa ireo Omanis dia tsy hanaradia an'i #gadafi.

@momina95: Nisy mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fidiram-bola kely sy ny tsy fisian'ny asa eto Sohar, tanàna avaratr'i Oman. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy @AJEnglish @cnnbrk

@savannahterr88: Mipetraka eto Salalah aho, Oman, raha nanomboka omaly ny fihetsiketsehana.  Milamina izy ireo, nefa toa karazany tsy hahazaka ny onjan'ny fihetsiketsehana …

@spinonspin: mila mpanao gazety ao  #sohar mba hanadihady olona , mandrakitra ny seho, hoy ny voalazan'ny isa hitan'ireo olom-pirenena. Mihetsi-po be tao #oman, mba alefaso aty ny mpanao gazetinareo azafady.

@LV_1: Mino ireo mi-tweet ao Sohar aho, handray fepetra i Oman ary tsy ho voarebireby ny fikasana halaza vetivety ao amin'ny Tweeter.

@LV_1: Mitandrema azafady rehefa mi-tweet momba ny zava-miseho ao Sohar Oman. Mety tsy hahazo ny fomba filaza izay tsy teto an-toerana ka mety hampikorontana [hanitatra] .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.