Holandey-Iraniana maty novonoina tany Iran

Zahra Bahrami

Zahra Bahrami

Raha ny fahitan'i Holandy sy ny vaovaon'ny haino aman-jery iraisam-pirenena azy, dia maty novonoina tany Iran ny Holandey-Iraniana Zahra Bahrami taorian'ny nahitana fa meloka izy noho ny heloka be vava amina rongony ary nahazo didy fanamelohan-ko faty tamin'ny 2 Janoary. Nogadraina izy tamin'ny 27 Desambra 2009 raha izy nanatrika ny fihetsiketsehana fanoherana ny governemanta nandritra ny fitsidihana an'i Tehran araka ny vaovao voaray.

Nanoratra taratasy ho an'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny Holandey [en] tamin'ny Septambra 2010 ny fanentanana mitaky ny famoahana ireo gadra politika any Iran, izay natao hanaitra azy ireo hanao fangatahana amin'Iran ny hamotsorana an-dravehivavy. Nandray an-tanana ny raharaha Bahrami [nl] ihany koa ny sampana Holandey ao amin'ny Amnesty International ary nihevitra fa tsy fitsarana ara-drariny mihitsy no natao an'i Bahrami. Taninkeo maraina, nilaza vaovao izy ireo mikasika ny didy famonoan-ko faty azy eo amin'ny Twitter:

Nederlands-Iraanse Zahra Bahrami in Iran geëxecuteerd door ophanging (via @nrc) #doodstraf #bahrami nrc.nl/nieuws/2011/01…

Nomelohin-ko faty nahantona tany Iran ny Holandey Iraniana Zahra Bahrami (tamin'ny alalan'ny [gazety Holandey] @nrc) #deathpenalty #bahrami

Nanao hetsika tamin'ity vaovao ity ihany koa ny mpampiasa Twitter Holandey.

Nanoratra [nl] i @voetvaeg :

SCHOKKEND: ondertussen heeft Iran de Nederlandse Zahra #Bahrami geëxecuteerd door ophanging! http://bit.ly/hKpnc5

TOHINA: mandritra izany, novonoin'i Iran tamin'ny alalan'ny fanantonana ny Holandey Zahra #Bahrami ! http://bit.ly/hKpnc5

Ny olona sasany toa an’ i @VrolijkRechts, kosa moa te hanao mihoatra kokoa noho ny hoe manao tweet [nl] fotsiny mikasika izany:

Beste mensen. Hoe laat zijn jullie bij de Iraanse ambassade om jullie te laten horen? Of blijven wij boos twitteren? #Zahra #Bahrami

O rey olona, rahoviana isika no hihaona amin'ny masoivohon'i Iran hanandratra ny feontsika? Sa isika dia haneho fotsiny ny tweetntsika tezitra mikasika izany ? #Zahra #Bahrami

Ny sasany, sahala amin'ny @bobbraak, kosa dia miantso ny governemanta Holandey handray andraikitra [nl]:

vanmiddag om 17:00 uur gaat er vlucht naar tehran. Uri, die kan de iraanse ambassadeur mooi nog halen! #bahrami

Misy fiaramanidina mankany Tehran androany hariva amin'ny 5ora hariva. Ry Uri ô![anaran'ny Minisitry ny raharahambahiny Holandey], mbola manana fotoana betsaka ny masoivohon'ny Iraniana hanatratrarana an'io! #bahrami

@Leon_Bosma kosa dia manana fijery lavitra ny raharaha [nl]:

Veel verontwaardiging over #Bahrami. Zonder af te willen doen, wat maakt één staatsmoord zo belangrijk versus bv. de ruim 30 in #Egypte?

Tena fanalam-baraka loatra mikasika an'i #Bahrami izany. Raha tsy misy na inona na inona esorina mikasika ity raharaha ity, dia inona no mahatonga an'ity tranga famonoan'olona iray ity ho tena mavesa-danja raha oharina amin'ny 30 tany #Ezipta?

Kivy [nl] ihany i @BartNijman amin'ity tranga ity:

Als op drugsdelicten in Iran de doodstraf staat, waarom zou voor een Iraans-Nederlandse dan wat anders moeten gelden? #bahrami #iran

Raha tena heloka be vava ny heloka mikasika ny rongony any Iran, dia nahoana kosa izany no tsy ho ampiharina amin'ny vehivavy Holandey-Iraniana? #bahrami #iran

Naneho fihetseham-po avy amin'ny mpisolovavan'i Bahrami [en] ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona hoe:

Tena tohina aho. Tena tsy nahalala momba izany mihitsy aho. Tokony nampahafantarin'izy ireo ny mpisolovavany aloha ny didy fanamelohan-ko faty, fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy izany. Tsy hitako izay ho lazaina. Fa fotsiny hoe tena tohina aho.

Tamin'ny Sabotsy tolakandro, nilaza [nl] ny gazety Holandey de Volkskrant fa nanamafy ny masoivoho Iraniana any Holandy fa tena efa novonoin-ko faty i Bahrami , ary niaraka tamin'izay dia novahan'i Nederlandy avokoa ny fifamatorana rehetra tamin'i Iran. Niantso ity tranga ity ho “fanalam-baraka, nataon'ny fitondrana barbariana” ny Minsitry ny raharaham-bahiny Holandey, Uri Rosenthal.

tenifototra Twitter : #bahrami

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.