· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Lahatsarin'ilay Fanafihana Vao Mangiran-dratsy Tao amin'ny Rond-Point Lulu

Vao niposaka ny andron'ny Alakamisy 17 Febroary 2011, nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina tao Bahrain, dia notafihan'ny polisy mpandrava korontana ireo mpanao fihetsiketsehana resin-tory nanodidina ny rond-point Lulu, ivon'ny hetsika fanoherana atao hoe Andron'ny Hatezerana mitranga ao Bahrain amin'izao fotoana. Indreto lahatsary vitsivitsy avy amin'ireo hetsika nivoaka hatreto.

Ejipta: Mitohy ny fety ho an'ny fahalafahana (Lahatsary)

Hatramin'izay nivoahan'ny vaovao hoe tapa-kevitra ny hiala tsy ho filohan'i Ejipta i Hosni Mubarak, dia nandeha ny fety nanerana ny firenena. Nanerana an'izao tontolo izao, nankalaza tanaty firaisankina amin'ny vahoaka Ejiptiana ny vahoaka ary koa ny fahitany ny fahalalahany vaovao indray. Horonantsary maro hatrany no aseho eo amin'ny tambajotra sosialy ary amin'ireo tranonkala fizaràna horonantsary. Horonantsary mihamaro hatrany no alefa amin'ny tambanjotra sosialy sy horonantsary zaraina amin'ny tranonkala. Vahoaka antapitrisany no naka sary tamin'ny zoro samihafa ny fotoam-pankalazana amin'ny ankapobeny. Ireto misy ampahana horonantsary naseho tamin'ny aterineto.

Kioba: “Operation Cyber-Mambí”

  13 Febroary 2011

Nisy resaka betsaka nandeha ny amin'ny hoe mety hahita làlana ho tonga hatrany Karaiba ve ny fanahin'ny fanoherana niainga avy any Ejipta sy Tonizia. Raha ny fanakatsoana ny tsena anatiny amin'ny resaka fampahalalam-baovao ataon'ny governemantan'i Castro no rindrina manasaraka ny Kiobana tsy faly sy ny fihetsehana, tsy dia nahagaga loatra an'ireo mponin'ny aterineto araka izany ny hetsika natao tsy ela akory izay, mampiasa mpitoraka bilaogy "manohitra-fiovàna" hifanandrina amin'izy ireny.

Ejipta: Andro faha-15 Mitohy ny hetsika goavana

Mitohy mampihovitrovitra an'i Ejipta manontolo ny hetsi-panoherana efa ho 15 andro misesy, mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Mubarak. Raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny olona tonga ao an-kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Kairo, fitorevahana iray koa no mitohy eo ivelan'ny tranoben'ny Parlemanta. Androany koa, nanomboka ny fitokonan-dry zareo ny mpiasa; nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana ny eny amin'ny ambaratonga ambony, ary nanomboka nahita ho lazaina ireo mpanao gazety Ejiptiana.

Libanona: Feo fanohanana ireo Ejiptiana mpanohitra

Nivatravatra mihitsy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Libane amin'ny fanohanany ny hetsi-panoherana Ejiptiana izay niteraka faty olona 150 hatreto. Tsy nitazam-potsiny tamin'izao ireo Libane mpitoraka bilaogy, nefa ny tontolo Arabo no manatri-maso ny zava-misy izay mety hanova tanteraka ny aty amin'ny faritra. Toy izao no fandraisan-dry zareo azy.