Ejipta: Mitohy ny fety ho an'ny fahalafahana (Lahatsary)

Anisan'ny tatitra manokana ataonay amin'ny Fanoheran'i Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity

Hatramin'izay nivoahan'ny vaovao hoe nanapa-kevitra ny hiala tsy ho Filohan'i Eipta i Hosni Mubarak, dia niparitaka nanerana ny firenena ny fankalazana. Nanerana an'izao tontolo izao, nankalaza tanaty firaisankina amin'ny vahoaka Ejiptiana ny vahoaka ary koa ny fahitany ny fahalalahany vaovao indray. Horonantsary maro hatrany no aseho eo amin'ny tambajotra sosialy ary amin'ireo tranonkala fizaràna horonantsary. Vahoaka antapitrisany no naka sary tamin'ny zoro samihafa ny fotoam-pankalazana amin'ny ankapobeny. Ireto misy ampahana horonantsary naseho tamin'ny aterineto.

Taorian'ny filazàna ny fialàn'i Mubarak, antapitrisany no nidina teny amin'ny araben'i Kairo, nifampiarahaba sy nifampirary soa tamin-kafaliana. Ity horonantsary nasehon'i sweetbabynikki dia maneho ireo fotoana tsy manam-paharoa  ireo:

http://www.youtube.com/watch?v=vn7QiqWNF5c

Manerana izao tontolo izao, nirotsaka an-tsehatra tamin'ny fety avokoa ny vahoaka.

Ity horonantsarin'ny famoriam-bahoaka natao tao an-tanànan'i Chicago ity, Etazonia, dia navoakan'i DavidMoskow:

Avy any Zeneva any Soisa, ity horonantsary avy amin'i gasoline90:

Anjatony no nifamory tao an-kianjan'i Trafalgar tany afovoan'i Londona tamin'ny Sabotsy. Ato amin'ity horonantsary ity, izay nakarin'i 20088mmm no andrenesanao ny mpanao diabe mihira ny “Ry mpitandro filaminan'ny Fanjakana aiza ianareo? … Nitsahin'ny Facebook fotsiny ianareo!”:

Ato amin'ny horonantsary manaraka, nalefan'i GodBlesstheGrass, nifamory ireo  Eiptiana-Amerikana ary nanao piramida tamin'ny ranomandry teo anoloan'ny  Minnesota Capitol hankalazana ny fiafaran'ny didy jadon'i Mubarak:

Any Amman, renivohitra Jordaniana, nankalaza ny fandehanan'i Mubarak teo anoloan'ny masoivoho Ejiptiana ny vahoaka, araka ny haseho eto amin'ity horonantsary nasehon'i nadine89er ity;

Ity horonantsary hafa ity, izay nakarin'i TheHolyDamnation, dia maneho olona miangona eo anoloan'ny masoivoho any Londona, miaritra ny hatsiaka, ary safononoky ny hafaliana mihira ny hoe: “Indreto ny vahoaka Ejiptiana!”

Anisan'ny tatitra manokana ataonay amin'ny Fanoheran'i Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.