Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2011
Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi
Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.
Vietnam: Fandoroana Tena Ho Fanoherana Ny Kolikoly
Injeniera Vietnamiana iray, Pham Thanh Son, no toa nandoro tena ho fanoherana ny nakàn'ny manampahefana tao an-toerana ny fananan'ny fianakaviany. Maro ny sarin'ilay loza nalefa tamin'ny aterineto.
Gabon: Ny tolona tsy hita maso loatra
Tsy nahombiazana tamin'ny lazany ny fanoherana tany Gabon teo amin'ny sehatry ny vaovao iraisam-pirenena fa mbola variana nitodika tany amin'ny krizin'i Ejipta ny olon-drehetra. Nanontany tena i Mohamed Keita ao...
VAOVAO MAFANA Bahrain: Mihamafy ny fitifirana any amin'ny renivohitra
Nirotsaka tao amin'ny Twitter ireo tatitra mikasika ny fitifirana tany amin'ireo toerana samy hafa tany Manama renivohitra ny harivan'ny Zoma. Namaritra ny korontana fa miomana amin'ny fandatsahan-drà sy alahelo mihoatra noho izao i Bahrain.
Iran: Martioran'iza izy ?
Samy niady an'i Saleh Jaleh ho martiorany na ny Iraniana mpanohana ny fitondrana na ny hery mpanohitra. Maty voatifitra basy izy tamin'ny 14 Febroary fony ny mpanohitra nanao fihetsiketsehana tany Tehran sy tany amin'ny tanàna maro hafa.
Bahrain: Andron'ny Fahatezerana Faharoa
Tonga amin'ny andro faharoa izao ny fanoherana misarona fahatezerana any Bahrain. Mpanohitra roa no maty teo ampelatanan'ny mpitandro filaminana noho ny fampiasana hery tafahoatra. Ireto misy fihetseham-po sasany ao amin'ny Twitter tamin'io andro io
Bahrain: Olona iray no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana nataon'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy
Efa notaterinay tetsy sy teroa ny fanafihana tamin'ny andro vao mangiran-dratsy izay nataon'ny mpitandro ny filaminan'i Bahrain an'ireo mpanohitra izay nitangorona tao amin'ny Rond-point Pearl tao Manama renivohitra nanomboka ny 14 February 2011. Ankehitriny dia fantatra fa olona iray no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana.
Bahrain: Vaovao miely momba ny Fanaparitahana tao amin'ny Rond-point Pearl
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011. Vavolombelona nanatri-maso sy tatitra maro samihafa avy ao amin'ny Twitter no misesika tonga mikasika ilay fanafihana...
Bahrain: Mipongatra ny Fanoherana Ao Amin'ny Hopitalin'i Salmaniya
Tonga hatrany amin'ny hopitalim-bahoaka lehibe indrindra eto amin'ny firenena ny sakoroka, taorian'ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tamin'ny Alakamisy 17 Febroary natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu. Nanao hetsika ireo mpitsabo mba ho afaka manome fitsaboana maika ho an'ireo maratra ireo. Vakio raha te hahita ny zava-mitranga any.
Bahrain: Kaonty Mampivarahontsana Avy Amin'Ireo Nanatri-Maso ny ‘Vono olona’ Tao Pearl
Mitohy mipoitra ireo fitantarana mampihoron-koditra momba ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tao amin'ny renivohitra Barhaini, ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana naparitaky ny mpitandro filaminana avy tao amin'ny rond-point Pearl, toerana nofinidin-dry zareo hitobiana mba hanindriana ny fitakiany, raha samy mbola miezaka hanakatra ny tena nahazo azy ireo ny vahoaka Barhaini sy izao tontolo izao.