Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.
Taorian'ilay fanafihana vao maraim-be tamin'ity Alakamisy 17 Febroary 2011 ity, natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu tao Manama renivohitry ny Bahraini, mivoaka izao ny tatitra momba ny fisian'ireo fiara mifono vy manatona ny tanàna..

Fiaraben'ny tafika ao Riffa mitodi-doha ho any Manama renivohitry ny Bahraini. Sary avy amin'i @ahmed289.
Ity lahatsary avy amin'i Ali Al Saeed, mpampiasa TwitVid ity, dia maneho fiara mifono vy mizotra mankany Manama avy ao amin'ny tanàna mpifanolo-bodirindrina, Riffa.
@alialsaeed http://twitvid.com/IMZKO – Fiaraben'ny tafika mirongo fiadiana mizotra ho any Manama avy ao Riffa.
@ammar456: Fiara mifono vy eny an-dalambe migodana: http://twitpic.com/40m8x8 #bahrain #feb14 #lulu

Fiara mifono vy an'ny tafika ao Bahrain, tao an-dalambe migodanan'i Shaikh Khalifa mitodi-doha hihazo an'i Manama. Sary avy amin'i @ammar456, mpampiasa Twitter.
Ireo no hany sary roa voamarina fa navoaka satria noraofin'ny polisy manodidina an'i Manama daholo ny finday azo hakàna sary teny amin'ny olona raha vao tratra makamaka sary; mandefa bitsika mikasika izay indrindra ilay mpitoraka bilaogy, Redha Haji:
@RedhaHaji voasakana tao amin'ny sampanan-dàlan'i salmaniya. Mody miresaka sady maka sary amin'ny finday #bahrain #lulu #feb14 http://yfrog.com/h77cjamj

Polisy eo akaikin'ny sampanana ao Qufool akaikin'i Hopitalin'i Salmaniya. Sary avy amin'i @RedhaHaji, mpampiasa Twitter
@RedhaHaji Nohidiako tamin'ny tenimiafina ny finday talohan'ny nanomezana azy an-dry zareo. Mipetraka miandry ato anaty fiara. Navela nandeha aho #bahrain #lulu #feb14 mangovitra tsy afaka mitendry.
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay mikasika ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.