Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?

Amin'ity fizarana ity, mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda ny Toniam-baovaon'ny Global Voices, Lauren Finch sy ny tenako — Tonia Mpanatanteraka ato amin'ny Global Voices.

Ao Shina, milaza aminareo momba ireo Shinoa mpanohitra nihoro-koditra taorian'ny nanakaraman'ny Twitter miaramila manamboninahitra Shinoa [mg] hampivelarana ny paikady ara-pandraharahan'izy ireo ao amin'ny faritra goavan'i Shina. Nisarika ny saintsika momba izany tantara izanyi Oiwan Lam.

Hitodi-doha any Meksika indray isika amin'ilay tantara notaterin'ny mpiara-miombon'antoka aminay Sin Embargo ny tantaran'ny mpiantoka akaikin'ny governemanta Meksikana indrindra mamindra toerana vondrom-piarahamonina indizeny mba hananganana lalambe. Avy eo, atodintsika any Jamaika ny masontsika, namoaka lahatsoratra momba ireo mpianatra ao amin'ny Fisotroana Kafe Afa-manao Zavatra ny Marenina! mianatra ny fomba fanaovana kafe sy ny fomba fitantanana ny lafiny rehetra amin'ny fandraharahana avy amin'ny mpanoratra antsika Emma Lewis. Ao Makedonia indray, feno mpanao fihetsiketsehana mitaky ny rariny ny eny an-dalambe. Nitatitra ny tantara ny mpiara-miasa amintsika Goran Rizaov.

Farany, ho any Oganda isika, izay tezitra manoloana ny heverin'ny governemantan'izy ireo ho laharam-pahamehana ny olona. Simba vao haingana ny milina tokana fitsaboana homamiadana amin'ny tana (radiotherapie) ao amin'ny firenena. Nampiasaina hitsaboana marary maherin'ny 27 000 isan-taona izany, saingy tsy takatra amboarina izany ankehitriny. Nandray anjara tamin'ny fandraisam-peo (podcast) ny mpiara-miasa amintsika Prudence Nyamishana mba hilaza bebe kokoa ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra sy ny idiran'ny milina mpamantatra zava-betaveta amin'izany.

Amin'ity fizarana amin'ny Herinandro tao amin'ny Global Voices ity, nanasongadina ny mozika voaaro amin'ny Creative Commons avy amin'ny Tahiry Mozika Malalaka (Free Music Archive) izahay, anisan'izany ny Henoy Tsara Azafady avy amin'i Jahzzar; Twitterpated avy amin'i Floating Spirits; Gladiator avy amin'ny Tommy Tornado; Good Riddance avy amin'ny Ars Sonor; Lalambe 101 avy amin'ny Josh Spacek; ary Voodoo Machine avy amin'i Lavoura.

Misaotra betsaka ho an'ireo mpanoratra, mpandika teny sy tonian-dahatsoratra namantsika nanampy nampisy ity fizaràna ity. Manantena hihaino ny feonay indray afaka tapa-bolana.

Sary amin'ny Hajiantsary Soundcloud: Sarin'ny milina fitsaboana amin'ny tana (radiotherapie) avy amin'ny Profesora Seegenschmiedt. Navoaka teo ambanin'ny Lisansa Creative Commons.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.