Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Hetsi-Panoherana Miboridana Nisarika Ny Saina Ho Any Amin'ny Kolontsaim-Panolanana Ao Amin'ny Onivesiten'i Rhodes Ao Afrika Atsimo

A screenshot of images of Rhodes University protesters posted on Twitter.

Pikantsarin'ny mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Oniversiten'i Rhodes navoaka tao amin'ny Twitter.

Nanao fihetsiketsehana manohitra ny politikan'ny herisetra ara-nofo tao amin'ny Oniversiten'i Rhodes (RU) ao Grahamstown ny mpianatra mampiseho tratra ao Afrika Atsimo. Niato noho ny fihetsiketsehana avokoa ny asa fampianarana rehetra.

Ny lisitra antsoina hoe “RU Reference List” [Lisitra Fampitahan'ny Oniversiten'i Rhodes] izay nivoaka tao amin'ny media sosialy mba hanome anarana sy hanala baraka olona 11 noahiahiana ho mpanolana tao amin'ny oniversite no niteraka ny hetsi-panoherana . Nisioka tamin'ny diezy toy ny #NakedProtest, #RUReferenceList ary #RapeCulture ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpanohana azy  dia nibitsika tamin'ny tenifototra toy ny hoe #HetsikaMiboridana , #RUTsiahyLisitra sy #KolontsainaFanolanana . Nandrahona ny hanakatona ny anjerimanontolo ny mpianatra, raha tsy azony ny fitakiany ny fanavaozana ny politikan'ny fanolanana ao amin'ny oniversite, ny fanovana ny famaritana ny atao hoe fanolanana, ny fanesorana ny porofo be dia be avy amin'ny niharam-boina, ny fiofanana saropady tsy maintsy hataon'ny mpiasa ary ny fampiatoana ireo 11 voalaza fa mpanolana.

Fitakiana hafa koa ny fialan’ ireo mpanadina ao amin'ny oniversite, Gordon Barker sy Sarah Driver, ny fananganana vondron'asa manokana hanadihady ny herisetra ara-nofo, ny fanatanterahana ny fandraràna ireo mpanao herisetra ara-nofo tsy hilatsaka ho solontenan’ ny Vaomieran'ny Mpianatra, ary ny tsy fanasaziana ny mpianatra amin'ny asa fifampifehezana noho ny fanaovana hetsi-panoherana.

Nilaza koa ny mpianatra fa ny politikan'ny fanolanana amin'izao fotoana izao ao amin'ny oniversite dia mitaky amin'ireo niharam-boina mba hanaporofo fa mitady hanolana azy ireo ny nahavanon-doza ary tsy misy afa-tsy iray ihany ny Mpiandraikitra misahana ireo fanohintohinana sy fanararaotana ary herisetra.

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy grenady mankarenintsofina tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny polisy ary nisambotra mpianatra telo . Nentina teny amin'ny hopitaly ny mpianatra  iray rehefa narary noho ny fikoropahana.

Naneho ny heviny manoloana ny fihetsiky ny polisy manohitra ny mpianatra i Saya Pierce-Jones ka nanoratra hoe:

:””(
“Mama a, notifirin'ireo izahay satria tsy te-ho aholana intsony” #RUReferenceList#RhodesShutDown pic.twitter.com/cgoOiUqtfd

 Ny Lisitra Fampitahan'ny Oniversiten'i Rhodes

Nanangana  ekipa tompon'andraikitra maro ny anjerimanontolo hanavao ny politikan'ny fanolanana ao an-toerana, hoy ny Mpiadidy Lefitra Sizwe Mabizela ao amin'ny Oniversiten'i Rhodes .

Nahatonga ny  adihevitra hoe ahoana ny fomba hiatrehan'ny Oniversite ny fanolanana sy ny fanararaotana ara-nofo ao amin'ny anjerimanontolo ny antsoina hoe “Lisitra Fampitahan'ny Oniversiten'i Rhodes” izay nanome aingam-panahy ny hetsi-panoherana. Nandresy lahatra ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny mpanohana azy ireo fa ny fizarana ilay lisitra no vokatry ny tsy  fandraisana ny fanolanana ho zava-dehibe ao amin'ny oniversite, ka nilaina tsy maintsy natao ny fihetsiketsehana hampisy fiovana.

Fa niteraka tosi-bohontanana manerana an'i Afrika Atsimo ny lisitra sy ny vokatry ny hetsi-panoherana, Afrika Atsimo izay mitsipaka ny maha ara-drariny ny fitarainan'ny vehivavy, na mahatsapa fa voampanga ho nanolana avokoa ny lehilahy rehetra .

Zavatra mampalahelo amin'ny Lisitra Fampitahan'ny Oniversiten'i Rhodes ny fanalam-baraka ataon'ny vehivavy mpirehareha vitsivitsy amin'ny lehilahy tsy manantsiny

Noheverina ho nitadiavana soa ny Fihetsiketsehana mitanjaka tao amin'ny Oniveriten'i Rhodes ..nefa nahoana ny lehilahy rehetra no natao hoe mpanolana rehefa voaholana ny vehivavy

Fiampangana tsy fahamaontinana

Tonga amin'ny fiarovana ny mpianatra  nanao fanoherana mitanjaka ny sasany amin'ireo mpisera Twitter taorian'ny nitsikeran'ny Afrikana Tatsimo sasany azy ireo ho tsy maontina.

Lindiwe Mazibuko,  mpitarika ny mpanohitra teo aloha ao amin'ny parlemanta ao Afrika Atsimo, nilaza hoe:

Nalahelo tamin'ny valinteny sasany manoloana ny hetsi-panoherana mitanjaka. Olona miresaka “tsy fahamaontinana” sy ny tahaka izany. Taiza ianareo rehefa nilaina fanaraha-maso ny fanolanana tsy maontina ?

Raha niteny Yvette hoe:

Nisy lehilahy sasany tia mandray fiboridanana nefa nihemotra rehefa nampiasain'ny vehivavy ho amin'ny antony manokana izany. Hitanay ianareo. Hetsi-panoherana mitanjaka.

Nanontany i Beey:

Maninona no manohina anao ny vehivavy  manana finiavana hampiseho ny vatany, nefa ny herisetra nihatra taminy tsy mampaninona anao? hetsi-panoherana mitanjaka.

Nanontany tena ny mpisera iray hafa:

Mampihomehy ny Lalànan'i Afrika Atsimo… maninona hetsi-panoherana mitanjaka = tsy maontina, anefa tsy mampaninona na iza na iza ny miakanjo nentim-paharazana, leo ny polisy

Mamela ny vehivavy hampiseho tratra ny fiakanjo nentim-paharazana Afrikana sasany  .

Grootman'bae nanoratra hoe:

Tsy nahalala mihitsy aho hoe nahoana ny dadako no saro-piaro fatratra rehefa nanao toy izany ny anabaviko raha tsy rehefa lehibe aho vao nahafantatra fa miaina miaraka amin'ny biby isika #RhodesShutdown

Anisan'ireo mpianatra mpitarika hetsi-bahoaka ao Afrika Atsimo mihamahazo laza ny mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Rhodes tato anatin'ny volana maromaro. Matetika karakaraina amin'ny alàlan'ny  fitaovana media sosialy ireo hetsi-panoherana. Anisan'izany ny hetsika hafa #RhodesMustFall , #FeesMustFall ary #AfrikaansMustFall .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.