
Manama, Bahrain. 2 Janoary 2015 — Zazavavy kely miaraka amin'ny reniny sy ny mpiray tampo aminy voahodidin'ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny fifandonana. –Mbola mitohy ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy, taorian'ny fisamborana an'i Sheikh Ali Salman. Mitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Sayed Baqer Al Kamel. Zon'ny mpamorona: Demotix
Mbola mitohy ao Bahrain tamin'ity taona vaovao ity ny fifandonana taorian'ny fitroaram-bahoaka tamin'ny taon-dasa. Any am-ponja ireo lehiben'ny antoko politika goavana indrindra (Al Wefaq Islamic Society tarihin”i Shaikh Ali Salman sy ny National Democratic Action Society tarihin'i (Waad) Ebrahim Sharif), any am-ponja ihany koa ireo mpitarika ny fihetsiketsehana tamin'ny 2011 ary mbola any am-pialokalofana na miatrika fitsarana ireo rehetra lehiben'ny mpikatroka ny zon'olombelonna ao amin'ny firenena.
Iray amin'ireo mavitrika indrindra ao amin'ny firenena Arabo ny tontolon'ny Twitter ao Bahrain, mampiasa Twitter ireo Bahrainita, iray amin'ireo fantsona vitsy hanehoana fanoherana mbola misy ao amin'ny firenena – ho fanehoana ny fisian'ny fisarahan-kevitra.
Mankalaza ny Taombaovao amin'ny fanaovany azy manokana i Khaled bin Ali Al Khalifa, minisitry ny Fitsarana sy ny Raharaha Islamika ao Bahrain, nisioka izay heverin'ny maro fa fandrahonana ny fanoherana ny fitondrana :
كثير من الايجابيات حملتها ٢٠١٤، وتعدنا ٢٠١٥ بإيجابيات اكثر. وهي بالفعل تسبب كثيرا من الصداع السياسي لمن خانهم تفكيرهم في التعاطي الإيجابي.
— Bu Abdullah (@Khaled_Bin_Ali) January 1, 2015
Maro ireo zavatra tsara nitranga tamin'ny taona 2014, ary mbola mampanantena zavatra tsara maro ny taona 2015, miteraka aretin-doha ara-politika tokoa hoan'ireo voafitaky ny fahadisoam-pijeriny amin'ny fifamaliana asa tsara izany
Nilatsaka taorian'ny disadisa madinika teo amin'ny minisitra sy ny mpanohitra mikasika ny fanaovana ankivy goavana ny fifidianana solombavambahoaka 2014 izany. Nosamborina tamin'ny herinandro lasa tamin'ny 28 Desambra 2014 ny filohan'ny antokon'ny mpanohitra lehibe indrindra, Al Wefaq tarihin'i Cheikh Ali Salman, fotoana fohy alohan'ny hanombohan'ny fivoriana voalohan'ny solombavambahoaka vaovao izay niantsoany ny olona tsy handray anjara fifidianana tamin'izany.
Tamina sioka hafa, nanonona mpanao tononkalo mandrahona ny hanapaka ny lohan'ireo mpifanandrina aminy ny minisitry ny Fitsarana:
@sawsanalshaer يقول عنترة بن شداد : وسيفي كان في الهيجا طبيبا…. يداوي رأس من يشكو الصداعا pic.twitter.com/RXw2ITqDVk
— Bu Abdullah (@Khaled_Bin_Ali) January 1, 2015
Antar Ben Shaddad [mpanao tononkalo mpanompo sampy] nilaza hoe: Fanafody manasitrana ireo marary an-doha ny sabatro fitondra miady
Amin'ny sehatra politika hafa, nisioka am-piesoesoana i Abdulnabi Salman, lehiben'ny vondrona laika “The Progressive Tribune” ao Bahrain:
كانت امسية رائعة على رائحة الغازات المسيلة للدموع لنا ولعوائلنا ونحن نودع العام 2014..شكرا لكل من اسهموا في اسعادنا#البحرين
— Abdulnabi Salman (@BuSalman1960) December 31, 2014
Alin'ny faran'ny taona hifoha taombaovao mahafinaritra, manao veloma ny taona 2014 miaraka amin'ny fofon'ny baomba mandatsa-dranomaso. Misaotra hoan'ireo izay nanome izany fifaliana izany ho anay
Tamina fanarahana sioka, hoy izy nanoratra:
عموما أتمنى لجميع أبناء شعبنا نساءا ورجالا أطفالا وشيوخا السعادة والفرح بعام جديد قادم نتجاوز فيه عذاباتنا وننظر بأمل نحو المستقبل#البحرين
— Abdulnabi Salman (@BuSalman1960) December 31, 2014
Na izany aza, mirary hasambarana sy fifaliana hoan'ny Bahrainita rehetra aho, na vavy na lahy amin'izao taombaovao izao mba hialantsika amin'ny fijaliana ary hibanjina hoavy tsara kokoa #Bahrain
Tamina fambara hitohizan'ny famoretana amin'ny taona hafa, nanome baiko fisamborana ny sekretera jeneralin'ny vondrona politika goavana indrindra ireo manampahefana an'i Bahrain. Vao avy voafidy indray ho sekretera jeneraly i Ali Salman roa andro mialoha ny fisamborana azy. Noho ny fifandraisana amin'ny fitondrana sy fikambanana any ivelany amin'ny firesahana momba ny “raharaha anatin'i Bahrain” no iampangana azy. Noresahina sy niampangàna firenena marobe ny olana momba ny fitsabahan'ny vahiny nanomboka tamin'ny famoretana, anisan'izany i Etazonia, Iran, Qatar, ary koa Irlandy, izay tafiditra ao anatin'ny lisitry ny firenena “miteti-dratsy” miaraka amin'ny mpanohitra teo aloha.
Nampatsiahy ny tantara 20 taona lasa ny fisamborana an'i Salman, raha niteraka ny fitroarana 1999 tao Bahrain ny fisamborana azy. Amin'ny maha mpitarika malaza azy eo amin'ny sehatry ny politika ao Bahrain, nahazo vato be indrindra i Salman tamin'izy nandray anjara tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny taona 2006. Tsy mahagaga raha nitarika andiam-pihetsiketsehana manerana an'i Bahrain ny fisamborana azy, fihetsiketsehana izay mbola mitohy ankehitriny.
Nisioka lahatsary mampiseho ny sasany amin'ireo endriky ny “fankalazana” ny Taombavao tao amin'ny renivohitra Manama, izay nanaovan'ireo olona fihetsiketsehana fanoherana ny fisamborana an'i Salman ny mpisera Twitter @FreedomPrayers:
Not the new year fireworks but post-prayers tear gas in manama tonight #bahrain https://t.co/yeWyXNz0zn
— Free Shawqi Radhi (@FreedomPrayers) January 1, 2015
Tsy afomangan'ny taombavao io fa baomba mandatsa-dranomaso tao manama tamin'ny alina taorian'ny fivavahana
Mpikatroka, John Horne nizara lahatsary hafa ahitana mpanao fihetsiketsehana iray mihantsy ny fiara raitran'ny polisy eo akaikin'ny tranon'i Ali Salman, mba hotifirina avy aty aoriana raha niezaka nandositra izy:
A fearless #Bahrain protester plants a flag on an armored police vehicle firing tear gas as it advances towards him https://t.co/O9oM2sT8M2
— John Horne (@JohnHorneUK) January 5, 2015
Manatsatoka sainam-pirenena eo amin'ny fiara raitran'ny polisy izay mitifitra baomba mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana iray tsy matahotra mihitsy no sazy mandroso manatona ilay fiara
Niteraka izay lazain'ny hafa fa fanafoanana ny mpanohitra ara-dalàna ao Bahrain ny fitroarana noho ny fisamborana an'i Salman :
So I guess there's no legal opposition in Bahrain | #Bahrain al-Wefaq leader Sheikh Ali Salman arrested http://t.co/ou8Ak1MEL1
— Kristin Diwan (@kdiwaniya) December 28, 2014
Mihevitra aho fa tsy misy intsony ny mpanohitra ara-dalàna ao Bahrain| Nosamborina ny lehiben'ny al-Wefaq, Cheikh Ali Salman
Ny solitany no loharanom-bola voalohany indrindra ao Bahrain, izay nidina ambanin'ny 55 dolara ny vidin'ny iray barika. Nilaza ny fanadihadiana fa mety hiharan'ny tsy fahampiam-bola ny governemanta ary tsy ho afaka handoa ny karaman'ny mpiasam-panjakana rehefa midina 45 dolara ny vidin'ny iray barika amin'ny solika.
Mandritra izany, mponina maherin'ny 3 000 amin'ny 600 000 ao amin'ny firenena no nampidirina am-ponja noho ny fandraisana anjaran'izy ireo tamin'ny fitroarana ary vao avy namarana ny taona nanjakan'ny herisetra goavana indrindra tao anatin'ny taompolo ny faritra. Mety ho sarotra ny hijery izay zavatra tsara nandritra ny 2014, saingy manantena aho fa ho taona tsara lavitry ny sabatra sy ny aretina an-doha ny taona 2015.