
Roma, Italia. 9 Janoary 2015 — Mpanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintavan'i Raif Badaw, manohitra ny fanasaziana ho faty ary mitaky ny famotsorana an'ilay bilaogera. — Sit-in teo anoloan'ny Masoivohon'i Arabia Saodita ho fanoherana ny vely karavasy sy mitaky tsy misy hataka andro ny famotsorana an'ilay mpanoratra gazety sy bilaogera Saodiana Raif Badawi nogadraina noho ny “apostasie (fialàna amin'ny finoana)”. Sary avy amin'i Stefano Montesi. Zon'ny mpamorona: Demotix
Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi tamin'ny 9 Janoary rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy “nanevateva ny Islamo”.
Araka ny filazan'ny vavolombelona, voalaza fa voavely karavasy in-50 androany teo ivelan'ny moskea ao Jeddah, taorian'ny vavaka Zoma ity bilaogera 30 taona izay voasazy vely karavasy in-1 000 sy 10 taona an-tranomaizina tamin'ny taon-dasa ity. Mbola hovelesina karavasy izy isan-kerinandro mandra-pahafeno ny saziny.
Niteraka resabe manerantany ny didim-pitsarana, anisan'izany ny onitra 1 tapitrisa Rial Saodiana (eo amin'ny 260 000 dolara Amerikana eo).
Nanamafy ny vaovao ny kaonty Twitter-n'ilay mpisolovava Saodiana Waleed Abulkhair, manana mpanjohy miisa 78.3K:
جرى بالفعل جلد رائف بدوي قبل قليل في محافظة جدة أمام جمع من الناس بعد صلاة الجمعة ووسط ترديد بعضهم: الله أكبر ..
— وليد أبوالخير (@WaleedAbulkhair) January 9, 2015
Tena marina fa voavely karavasy teo imasom-bahoaka tao Jeddah i Raif Badawi androany, taorian'ny vavaka Zoma. Niventso ny sasany tamin'ireo nanatrika: Allah Akbar (Lehibe Andriamanitra)
Tany am-ponja nandritra ny sivy volana hatramin'izao i Abulkhair, filohan'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona ao Arabia Saodita ary ireo namany no mitantana ny kaontiny.
Tao amin'ny Facebook, nizara ny sarin'ny moskea Jeddah nanaovana ny vely karavasy i Kacem El Ghazzali:

Moskea Jeddah izay fantatra fa nikapohana karavasy an'i Badawi androany. Sary nozarain'i Kacem El Ghazzali tao amin'ny Facebook
Niteraka fanehoan-kevitra feno hatezerana ny lahatsoratra. Hoy ny mpaneho hevitra iray nanoratra:
Hands down one of the stupidest countries on Earth. Just being there makes you feel like you've entered some sort of wasteland from The Dark Ages with Skyscrapers.
Aidino ny tanana ry iray amin'ireo firenena adala indrindra eto an-tany. Ny fahatongavanao ao dia mahatonga anao hahatsiaro fa tafiditra amin'ny tany midadasika avy amin'ny Vanim-potoanan'ny Aizina ahitana tranobe manaka-danitra ianao.
Hoy ny hafa nanampy:
A very sad and dark moment, I can not even fathom the unbearable pain he must withstand, helpless in the hands of these psychopaths.
Fotoana mampalahelo sy manjombona tokoa, tsy vitako ny maminavina ny fanaintainana tsy zaka tsy maintsy iaretany, tsy afaka manao na inona na inona eo am-pelatanan'ireo marary saina izy.
Tao amin'ny Twitter, niaka-peo nanohitra ny fanasaziana ireo mpanohana avy ao Arabia Saodita sy manerana ny tontolo Arabo. Nilaza i Dohan Alsalem fa tsy ho lefy mandrakizay ny anaran'i Badawi.
الا يعرفون انهم خلدوا اسمة في التاريخ!! #جلد_رائف_بدوي
— Dohan (@DohanAlsalem) January 9, 2015
Mba fantatr'izy ireo ve fa tsy ho faty mandrakizay eo amin'ny tantara ny anaran'i Badawi noho izy ireo.
Hilda Ismail, avy ao Dammam, Arabia Saodita nisioka tamin'ireo mpanjohy azy miisa 22.6K:
#جلد_رائف_بدوي ليس انسانا ذلك الذي لم يشعر بوجع كل ضربة سوط تلقاها #رائف_بدوي ع جسده اليوم. . آه يابلد.
— ღ..هيـــلدا (@Hildaismail) January 9, 2015
Tsy olombelona ianareo tsy mahatsiaro ny hirifiry isaky ny vely karavasy voarain'i Raif Badawi amin'ny vatany.
Misentoa ry fireneko.
Tounsia Hourra [Free Tunisian] nanampy hoe:
فقط للتذكير، من ينتقد داعش التي تقطع الرؤوس وتجلد الناس ويأتون بالأطفال ليتفرجوا، هم الآن يبررون جلد شخص في السعودية. دواعش يا أخي دواعش.
— tounsiahourra (@tounsiahourra) January 9, 2015
Fampatsiahivina fotsiny: Ireo izay mitsikera ny ISIS, izay manapa-doha sy mamely karavasy olona, ary mandahatra ireo ankizy mba hojerena, dia anisan'ireo miala tsiny amin'ny famelezana karavasy an'ilay lehilahy ao Arabia Saodita. ISIS avokoa izy ireo.
Maro ireo manome tsiny ny firenena Tandrefana noho izy ireo manohy manohana an'i Arabia Saodita, na dia tompondaka amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona aza izy.
Marietje Schaake, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana niresaka tamin'ireo mpanjohy azy miisa 30.1K tao amin'ny Twitter:
‘Strategic partner’ #Saudi Arabia is due to severely flog blogger #RaifBadawi today; sentence will likely lead to severe injury. Barbaric
— Marietje Schaake (@MarietjeSchaake) January 9, 2015
namely karavasy an'ilay bilaogera #RaifBadawi i Arabia Saodita androany noho ireo «Mpiara-miombon'antoka stratejika», sazy izay hitarika ratra goavana. Tsy mifaditrovana
Avy ao Angletera, nampahatsiahy ireo mpanjohy azy 1700 ao amin'ny Twitter i Daniel Wickham mikasika ny fividianan'i Arabia Saodita fitaovam-piadiana ao amin'ny fireneny :
Today, Saudi Arabia, the number one recipient of British-made arms in the world, flogged a man for setting up a liberal website. #FreeRaif
— Daniel Wickham (@DanielWickham93) January 9, 2015
Androany, firenena voalohany manerantany itobian'ireo fitaovam-piadiana vita Britanika i Arabia Saodita, namely karavasy lehilahy nananganana habaka liberaly.
Tale lefitra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ao amin'ny Amnesty International, Hassiba HadjSahraoui nanipika ny zava-misy-amin'ny “Fahazoana alalana maimaimpoana azon'ny Saodiana.”
Sheer madness. Flogging of Raif Badawi taking place right now in Saudi Arabia. Flogging for writing. And Saudi getting a free pass as always
— Hassiba HadjSahraoui (@HassibaHS) January 9, 2015
Hadalana tanteraka. Tontosaina androany ao Arabia Saodita ny fikapohana karavasy an'i Raif Badawi. Velesina karavasy noho ny fanoratana lahatsoratra. Ary mahazo alalana hanao izany maimaim-poana araka ny mahazatra ny Saodiana