· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2018

Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro

  13 Oktobra 2018

Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana.

Kazakhstan: Mankany amin'ny fanjavonan'ireo banky tsy miankina ?

  11 Oktobra 2018

Tato ho ato, nitrangàna zavatra maro mahalasa saina tany amin'ireo banky kazakh sy ny vidin'ny petrabola kazakh. Nampirodana ny sandan'ny petrabolan'ny banky telo ny famoahana vaovao mampiady hevitra sy tsy nisy fotony, ary niteraka ny fandraisana ho fananam-panjakana ireo banky roa lehibe tsy miankina.

Kambodja: Ny Famotehana ny Dey Krahorm

  07 Oktobra 2018

Rava ny tanana tsizarizary tao Dey Krahorm ao Phnom Penh [teny anglisy]. Vinaniana ho 800 ka hatramin'ny 1 400 no isan'ireo olona nipetraka tao tamin'ny taona 2005. Notombanan'ny Tanàna ho fianakaviana 90 sisa no tavela tao.

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

  06 Oktobra 2018

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"