· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2018

Singapaoro : dokambarotra maharikoriko ho an'ny Burger King

  18 Oktobra 2018

Manolotra sandwich (mofo voasesika) vaovao antsoina hoe ''Super Seven Incher" ho an'i Singapaoro ny Burger King (Fanamarihana: 7 inch = 18 sm eo ho eo). Mba hampahafantarana ity vokatra vaovao ity, nanao afisy iray izay manintona saina sy tsikera manerana izao tontolo izao ny masoivoho ray mpanao dokambarotra any an-toerana.

Armenia: Straight mankany an-tanàna

  18 Oktobra 2018

(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.

Koety: Tonga Amin'ny Fomba Ofisialy Ny Fahavaratra

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fahavaratra ao Koety ary miady hevitra mikasika ireo toerana tsara handosirana ny hafanana ireo blaogera. Tsaratsara kokoa ve ny mitady paradisa voaaro mba hitoniana any an-trano na mandeha any am-pitandranomasina ary mety ho tratran'ny orana sy ny alahelo? Vakio ny famintinana ireo blaogy kowetiana nataon'i Abdullatif Al Omar mba hahafantarana izany.

Koety: Tapitra Ve Ny Fahavaratra?

Toa tapitra ny fahavaratra any Koety satria mivoaka amin'ny hakamoany ny tontolon'ny blaogy ao amin'ny firenena. Amin'ity herinandro ity, resahan'ireo biloagerantsika ny mikasika ny fanakanana iray hafa ao amin'ny firenena, ny fividianana DVD tsy ara-dalàna, gazetiboky vaovao ho an'ireo Filipiana any Koety ary andro iray nahafinaritra tany amin'ny... toerana iray famokarana sarimihetsika.

Bangladesh: Taorian'ny tondradrano

  14 Oktobra 2018

Fantatra fa olona miisa 587 no matin'ny tondradrano tamin'ny fotoana nanoratana tamin'ny taona 2007 tany Bangladesh. Efa nihena ny tondra-drano tany amin'ny ankamaroan'ny faritra saingy nanakana ireo olona voakasik'izany tsy ho tafody tany an-tranony ny tondradrano (vao haingana) tany amin'ny faritra maro .