Hetsika Mandao Fonenana: Mandrisika ireo tanora Angoley hisaraka amin'ny ray aman-dreniny ny fironana vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy

Hita eto i Mario Igoor Diias, mponina ao Namibe (Angola), fa mandao ny tranon-dreniny. Sary nahazoana alalana.

Fironana ao amin'ny media sosialy novokarin'ny tanora Angoley mba handrisihana ny tsirairay hahaleo tena ny Hetsika Mandao Fonenana .

Tao anatin'ny volana vitsivitsy lasa izay, tanora an-jatony no namoaka ny sariny mibata entana sy miala ny tranon'ireo ray aman-dreniny, hetsika fifaninanana sy fandresena ho an'ireo izay miasa ho amin'ny fahaleovantenany manokana.

Saingy tsy tena afaka miala ny ankamaroan'izy ireo satria raikitra ao an-trano. Misarika ny saina amin'ny zava-misy ny hetsika fa maro ny tanora Angoley no mijanona ao an-trano noho ny krizy ara-bola maharitra, tsy fisian'ny asa ho an'ny tanora izay tafakatra manodidina ny 56 isanjato .

Lasa lamaody ny Hetsika Mandao Fonenana taorian'ilay fihaikana sary-sy-soratra malaza antsoina hoe ‘Novonoinao aho‘ izay nampifoha an'i Angola ahitana tanora nanohitra ny tsy firaharahian'ny governemantany amin'ny fikarakarana ny filàna fototra.

Fiainana tsy azo antoka, fahafahana voafetra

Ny 21 Jolay 2018, tanora an-jatony no nanao diabe tao an-drenivohitra Luanda nanohitra ny tsy fananan'asa goavana, ary nitaky ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny Filoha Angoley João Lourenço tamin'ny famoronana asa miisa 500.000 .

Viriato da Cruz, 28 taona, iray amin'ireo mpikarakara, nilaza fa tsy an'asa izy nandritra ny fito taona .

Araka ny fanadihadiana natao momba ny fiakaran'ny vidim-piainana izay namakafaka ny saran'ny sokajy miisa 200, anisan'izany ny trano sy ny fitaterana, iray amin'ireo tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany amin'ny entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro ny tanàndehiben'i Luanda.

Nanatevin-daharana ny fanentanana ny Hetsika Mandao Fonenana i Fernanda Januário NGuami Maka, mpianatra serasera ao amin'ny Oniversite tsy miankina iray ao Angola,  tamin'ny alalan'ny fizarana ny sariny izay mampiseho azy nandao ny tranon'ireo ray aman-dreniny. Ankoatra ny fihomehezana kely, dia mahita ity fironana ity ho endrika fanoherana ny toe-javatra misy ankehitriny ao Angola izy.

Hoy izy nanoratra raha niteny tamin'ny governemanta:

Entenda mano (a).

Este tema que muitos apenas o olham pelo lado cómico é uma forma de protestar a situação actual do povo Angolano. Os jovens Angolanos na sua maioria adultos ainda vivem sobre tutela dos Pais motivo pelo qual entenda o verdadeiro sentido do tema “SAI DA CASA DA VELHA”

Tira-me da casa da velha vc que estás a piorar a vida dos jovens na desgraça. Tira-me da casa da Mãe vc que na abundancia só se preocupou com o desvio do erário público.

Tira-me daqui, vc que só está preocupado comigo quando precisas do meu voto. Tira-me da casa da Mãe, vc que não consegue construir escolas mais vive dizendo que estas a combater o analfabetismo.

Me tira daqui porra vc que não cria políticas de emprego + continuas a corres com as zungueiras, vc que aproveita da farda para extorquir os taxistas.

Ry namako,

Ity lohahevitra ity izay mety hihomehezan'ny ankamaroan'ny olona dia fomba iray hanaovana hetsi-panoherana manohitra ny toe-javatra iainan'ny vahoaka Angoley ankehitriny. Mbola miaina eo ambany fiahian'ny ray aman-dreniny ny tanora Angoley amin'ny ankapobeny, ka natao izany mba hahatakaran'izy ireo ny tena hevitr'ilay lohahevitra hoe “MANDAO NY FONENAN'NY RAY AMAN-DRENY”.

Roahy ao amin'ny tranon'ny ray aman-dreniko aho, ataonareo izay hahamenatra ny fiainan'ny tanora ratsy kokoa. Roahy ao amin'ny tranon'ny tranon'ny reniko aho.

Roahy eto aho, rehefa mila vato ihany ianareo vao mody manahy ny momba ahy. Roahy ato an-tranon'ny reniko aho, tsy afaka manangana sekoly intsony ianareo, milaza ianareo fa miady amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra.

Roahy eto aho, tsy manangana politikan'ny asa ianareo, manararaotra ny fanamiana mba handrahonana sy hangalana vola amin'ny mpamily taksy.

Fernanda Januário NGuami Maka nandray anjara tamin'ny hetsika fanentanana  Mandao Fonenana. Sary nahazoana alalana.

Nilaza tamin'ny Global Voices i Tatiana Pinheiro sy Ilda Calandula, mpianatra roa ao amin'ny Oniversite Tsy Miankina any Angola, fa tsy ratsy ho an'ny tanora akory ny miara-mipetraka amin'ny ray aman-dreniny, raha nitanisa ireo antony ara-kolontsaina izy ireo:

Há questões culturais que estão patentes em algumas grupos étnicos que podem estar na base de muitas famílias não permitirem com que os seus membros festejem longe deles.

Ou seja, há uma raiz familiar e cultural, que pode ser vista a nível da construção de habitações que sirva para toda a família em um só espaço físico, num quintal com maior dimensão para estes serem repartidos em pequenas residências onde todos podem viver.

Misy ny olana ara-kolontsaina avy amin'ireo vondrom-poko vitsivitsy izay mety ho anton'ny tsy hamelan'ny fianakaviana maro ny havany handao azy ireo.

Misy lafiny ara-pianakaviana sy ara-kolontsaina momba ny [firafitry ny] tranonay izay honenan'ny fianakaviana iray manontolo ao amin'ny toerana iray amin'ny efitra lehibe kokoa izay zaraina ho trano kely kokoa mba ahafahan'ny tsirairay miaina.

Na izany aza, nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook niaraka tamin'ny fahakiviana i Graça Isabella Sebastião , tovovavy iray hafa izay nanatevin-daharana sy nanohana ilay hetsika :

Operação saír da casa da velha: Alguém aí de boa fé pra me acolher, nesse momento estou na rua chorando sem saber onde ir.

Ny hetsika mandao ny tranon'ny ray aman-dreny: misy olona ve handray ahy? Amin'izao fotoana izao, ety an-dàlana aho mitomany sady tsy fantatro hoe aiza no halehako.

Miaraka amin'ireo tanora Angoley an'arivony izay maniry ny handao ny akanin'ny ray aman-dreniny, maro ireo nanomboka vondrona Facebook manana ny anarana hoe Hetsika Mandao Fonenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.