Shina: Ho avy “angamba” ny fanafarana kolontsaina tsy misy famerana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2010 ny lahatsoratra teny Aglisy)

Vaovao malaza tamin'ny herinandro lasa teo avy amin'ny Reuters- “Nanaiky ny fanapahan-kevitry ny OMC (fikambanana manerantany misahana ny varotra) misahana ny entambarotra fialam-boly i Shina”; “OMC: tsy afaka mampiasa sivana hanamarinana ny sakana ara-barotra” i Shina- tsy dia nahazo fitantarana betsaka araka ny niheveran'ny olona azy, ary niafara tamin'ny fanesorana izany ireo media sasany namoaka ny tantara.

Ny vaovao tao amin'ny Reuters dia manondro ny taratasy nosoniavin'ireo ambasadera ao amin'ny OMC avy any Shina sy Etazonia izay nahitana fifanarahana fa hanaisotra ny sakana rehetra amin'ny fanafarana boky, mozika, sarimihetsika sy vokatra fialam-boly hafa i Shina amin'ny volana martsa amin'ny taona ho avy (2011).

Na dia tsy miseho mivantana avy hatrany aza, araka ny tatitra voalazan'ny Reuters, izay navoaka tao amin'ny tranokalan'ny OMC ny taratasy voalaza, azo jerena ao amin'ny tranonkalan'ny Foiben'ny OMC ao amin'ny Ivon-toerana Chung-Hua momba ny fikarohana ara-toekarena ny antontan-taratasy mitovy be amin'izany:

“… Nifanaiky i Shina sy i Etazonia fa tokony ho 14 volana manomboka amin'ny datin'ny 19 Janoary 2010 ny fe-potoana ara-drariny ho an'i Shina mba hampiharana ny fandrisihana sy ny fanapahan-kevitry ny Sampana Mpandamina ny Disadisa (“DSB”) amin'ny fifandirana i Shina – handrefy ny zo ara-barotra sy ny tolotra fanapariahana ireo famoahana sasany sy ny vokatra haino aman-jery fialam-boly (WT / DS363)... “

Nahatonga ny sasany hanontany mikasika ny vaovao ny tsy fahampiam-baovao misimisy kokoa mikasika izay zava-bita mendrika homarihana.

Na izany aza, nalaina haingana sy navoakan'ny fampahalalam-baovao Shinoa marobe ny tantara; Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra momba izany.

Huanqiu:

支持贸易自由,反对强买强卖。中国市场应该开放,但是不需要的东西可以不买啊!否则强买强卖能说是贸易自由吗?

Manohana ny fahalalahana ara-barotra aho, ary manohitra ny filazana amiko izay azoko na tsy azoko vidiana na amidy. Tokony hisokatra ny tsenan'i Shina, ary tsy voatery ho vidiana ireo zavatra tsy ilaintsika! Ahoana no hilazana hoe fahalalahana ara-barotra raha toa ka lazaina amin'izay azontsika na tsy azontsika vidiana sy amidy isika?

中国缺的是技术,不是文化!

Ny tsy ampy ao Shina dia teknolojia, fa tsy kolontsaina!

既然已经开放了,那就让全世界的文化产品全部进来

Koa satria misokatra izao [ny tsena], avelao hiditra ny vokatra ara-kolontsaina avy amin'izao tontolo izao.

。。。难道。。。WOW以后版本都能通过审核了?

Andraso…..midika ve izany fa…ho ankatoavina avokoa ny.endrika ho avin'ny ” World of Warcraft ” [Tontolon'ny Fitaovam-Piadiana]

NetEase:

中国保留两家国有电影发行公司,也无须提高每年引进20部外国电影的限额。还保护了中国政府对外国电影进行一定程度审查的权利。那么美国及其它外国企业引进的电影完全可以用审查不合格或者超过发行限额了来驳回。是这样吗?

Mbola hanana orinasa roa fitsinjarana horonantsary manokan'ny fanjakana i Shina, ary tsy voatery hampakatra ny fetran'ny sarimihetsika vahiny 20 isan-taona misy amin'izao fotoana izao. Hametraka ny zony hanivana ireo sarimihetsika vahiny ihany koa ny governemanta Shinoa. Noho izany, mbola afaka mitsipaka ny fifanarahana i Amerika na ny orinasa vahiny hafa mitondra filma eto amin'ny filazana sivana tsy voaantoka na fetrisan'ny fitsinjarana, sa tsy hiteny ianao?

Sina Military forum:

我们真正应该进口的是高科技而不是这些垃圾

Ny tena tokony hafarantsika dia teknolojia, fa tsy ity hadalana ity.

麻烦不断

Mbola vao hoavy ny korontana.

中国要的是科技,科技。科技啊

Ny ilain'i Shina dia teknolojia, teknolojia, teknolojia!

中国的文化不好吗? 需要竞争吗?

Inona no tsy mety amin'ny kolontsaina Shinoa? Mila mifaninana ve izy?

Solidot:

只要审查不立法,就可以想怎么审就怎么审。而我们都知道审查是不可能立法的。

Raha mbola atao ivelan'ny lalàna ny sivana, dia afaka manivana izay tiany izy ireo. Ary fantatsika rehetra fa tsy ho atao araka ny lalàna mihitsy ny sivana.

只谈我知道的,电影审查从来没有被什么法规定过,审查什么全凭只心见性,电影界呼吁了多少年,说给个条文出来也行啊,不给,为什么不给大家都明白。所以就这么一个WTO的裁决,顶多一个备忘录什么的,怎么可能限制电影审查呢。你指望什么华纳公司像google一样犯葛,也不大可能。

Raha miresaka afa-tsy izay fantatro ihany, tsy mbola voasoratra mihitsy anaty lalàna ny fanivanana horonantsary, ary ny sivana tanterahina dia miankina tanteraka amin'ny hoe iza no ao ambadik'izany. Efa nikitikitika momba izany nandritra ny taona maro ny indostrian'ny horonantsary, mitaky fananganana rafitra fanomezana naoty, izay rehetra azo atao, saingy tsy nisy na inona na inona tontosa ary tsy nisy antony nolazaina. Izany no antony mahatonga ny fanapahan-kevitry ny OMS ho toy izao, amin'ny ankapobeny, ho an'ny rakitsoratra fotsiny. Ahoana no ahafahana mampihena ny sivana amin'ny sarimihetsika? Heverinao ve fa ny Warner Brothers na iza na iza hahavita hanala zavatra tahaka izay nataon'ny Google? Aza manantena izany.

QQ News:

没有评论?

Tsy misy holazaina?

新闻没被删已经算是奇迹。。。

Fahagagana fotsiny raha tsy efa nofafana sahady ity vaovao ity…

Mikasika ny vaovao tahaka izany, hanatrika ny Fampiratiana ao Shanghai amin'ity herinandro ity amin'ny “Andro Fankalazana ny OMC” ny tale jeneran'ny OMC, Pascal Lamy, izay hanaovany kabary mandritra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.