Ozbekistàna Sy Ny Mpifindra Moniny : Ny Tantaran'ireo Filoha Anankiroa

Sarintanin'i Azia Afovoany. Maherin'ny antsasaky ny mpifindra monina avy any Obezkistàna (mena) no maty tamin'ny firehetan'ny fiarabe fitaterambahoaka tany Kazakstàna (maitso) teny an-dàlana ho any Rosia tamin'ny 18 Janoary. Mpanoratra : Cacahuate. Asany manokana  mifototra amin'ny sarintany madion'izao tontolo izao. CC 2.0.

Mandrafitra ny iray amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny mpifindra monina lehibe indrindra any Rosia  ireo olom-pirenena avy any Ozbekistàna sady manana anjara goavana amin'ny fanamaivanana ny fahantrana iainan'ireo fianakaviana any an-tanindrazany. Hatramin'ny teo aloha kely teo anefa, dia natarazoky ny governemantan'io firenen'i Azia Afovoany io ny fijerena azy ireo, ny filoha teo aloha Islam Karimov aza moa dia nilaza azy ireo ho “kamo” nandritra ilay kabariny mandranitra tamin'ny 2013.

Nandray làlana hafa i Shavkat Mirziyoyev, ilay mpandimby azy. Rehefa naneho hevitra tamin'ilay fahafatesana mampihorohoron'ireo mpifindra monina ozbeka 52 tamin'ny firehetan'ny fiara fitaterambahoaka ho any Rosia tamin'ny fiandohan'ity volana ity, dia nampangainy ho namorona tontolo ara-toekarena izay nanery olona roa tapitrisa mahery hitady asa amin'ny karama varimasaka any ivelany ny governemantany sy ireo tompon'andraikitra ambony ao aminy.

Nandritra ny fitsidihana ny fasan'ny mahery fo tao an-toerana, dia nivavaka ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay fiara nirehitra izy ary naneho ny fiarahamioriny tamin'ireo fianakaviana :

Ato ny lahatsary

Кечаги бўлган палакатлар кўп нарсадан далолат беради. Халқимизни олдида ҳали қарзимиз кўп. Одамларизга шароит яратмаганимиз учун, улар бегона юртларга бориб иш қидириб юришибди. Бу албатта давлатчилик, давлат раҳбарияти, ҳамма тизимдаги раҳбарларнинг хато ва камчиликлари ўз вақтида бартараф этилмаганидан далолат беради.

Улар бегона юртларда сарсон-саргардон бўлиб юрибди деган гап, бу бекор гап эмас. Бечора уларнинг ҳам умидлари, орзулари бўлган албатта. Худодан не ниятлар қилиб, боламни боқаман, отамга бир сўм олиб келаман, деб йўлга чиққан. Қандай ёш-ёш йигитлар, мўмин мусулмонлар, ҳаммаси ўзбекистонликлар”

Porofon'ny zavatra maro nitranga ilay loza, isan'izany ny hoe tsy maintsy mbola misy zavatra maro ataontsika ho an'ny vahoaka. Tsy maintsy mitady asa any amin'ny firenena hafa ny olona satria tsy mamorona ny asa ho azy ireo isika. Mampiseho izany fa ny Fanjakana, ny governemanta, ary ireo mpitarika rehetra amin'ity rafitra ity dia tsy nahavita ara-potoana nanafoana ny tsy fahombiazana.

Mirenireny any amin'ny firenena hafa ry zareo mba hitady asa — mahantra ry zareo. Manonofy ihany koa ry zareo, mazava ho azy. Mandeha mba hahazo tapa-mofo ho an'ny zanany na vola kely varifitoventy ho an'ny rainy. Tovolahy tanora, Silamo avokoa, ozbekistàna daholo.

Tamin'ny Septambra 2017 no nandraisan'i Mirziyoev ny fitondràna an'i Ozbekistàna, rehefa avy nitàna ny toeran'ny Praiministra nandritry ny 13 taona tamin'ny andron'i Karimov izay maty tapaka lalandrà. Ny fanjakan'i Karimov, izay naharitra 30 taona dia nanomboka talohan'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantenany tamin'ny andron'ny sovietika ary nalaza tamin'ny habibiany sy ny jadony. 

Marika kely fotsiny no nataon'i Mirziyoyev amin'ny demokrasia sy ny zon'olombelona hatramin'ny nahatongavany teo amin'ny fitondrana, fa ny fandalàna ny vahoaka no natsangany ho paikadin'ny fitondrany. Nahazo sitraka tamin'ireo vahoaka nampahoriana tamin'ny nanalavirany ireo politika tena ratsin'ny olona nodimbiasany sy ny filazàny ny zavatra marina amin'ny fotoana marina ity lehilahy enimpolo taona ity.

Karimov kosa, mifanohitra amin'izany, toa tsy nihevitra mihitsy izay fahitan'ny olona azy izy. Ny fampitarazohany efa ho dimy taona ny amin'ireo mpifindra-monina no hahafantarana toetranà lehilahy iray izay efa ela no tsy nanana fifandraisana tamin'ny zava-misy marina iainan'ny vahoakany isan'andro :

Дангасалар деб кимни ҳисоблайман? Ҳўв Москвани бориб кўчаларини, майдонларини супурадиганларни. Ўтта нима йўқ… Одам жирканади, ки ўзбек миллатидан шунақа бориб, ўзига бир бурда нон топиш учун шу ёққа бориши керак экан. Ҳа, Ўзбекистоннинг ўзида ҳеч ким очликдан ўлаётгани йўқ

Iza no heveriko ho kamo ? Ireo izay mankany Maosko mba hamafa làlana, zaridaina fipetrapetrahana.   Inona no ho azy ireo ? Maharikoriko izany. Tena menatra ny firenena Ozbeka [noho ny amin-dry zareo] — miharihary izao fa mandeha lavitra ianareo noho ny tapa-mofo iray. Nefa aty Ozbekistàna tsy misy ny matin'ny hanoanana, misaotra an'Andriamanitra !

Tsy manaraka torohevitra ny governoram-paritra

Fotoana fohy taorian'ny fahamaizana nahatsiravin'ilay fiara fitaterambahoaka niseho tany amin'ny manodidina an'i Kazakstan tamin'ny 18 Janoary, dia navoakan'i Mirziyoyev ny didim-panjakàna manalefaka ilay fandraràna izay manakana tanteraka ny fitadiavan'ireo mpifindra monina maro ao an-toerana  asa any Tashkent renivohitra Ozbeka .

Nampihena ny tsindry ara-demografika ao an-drenivohitra ireo fepetra napetraka talohan'ny 22 Janoary fa nampitombo ny firongatry ny olom-pirenena ho any Rosia.

Mbola tafajanona ao an-toerana ilay rafi-piraketana henjana, saingy tsy ilaina intsony ilay atontan-taratasy fisoratana anarana notakiana taloha entina hitadiavana asa ao amin'ilay tanàna misy mponina 2.5 tapitrisa

Na izany aza, toa tsy ny manam-pahefana rehetra no vonona ny halefaka amin'ireo mpifindra monina.

Vao haingana ny governoran'ny iray amin'ireo faritra be mponina indrindra ao amin'ny firenena no voaray taminà rakipeo miafina niteny ozona tany amin'ny toerana hìnahafaty ireo mpifindra monina 16 tamin'ireo  52 tao amin'ilay fiara fitaterambahoaka may tamin'ny 18 Janoary ka nanao azy ireo ho “faikam-boto”.

Nampangain'ny governora Shukrat Ganiev ho nanao izay “mahamenatra” ny faritra misy azy izy ireo tamin'ny fiezahan'ireo  zatovolahy hitady asa any ivelany, tao anatin'ny fanehoankevitra nalefan'ny haino aman-jery tamin'ny 24 Janoary.

Nanenina imasom-bahoaka ihany koa izy tamin'ilay fanampiana nomen'ny fanjakana ny fianakavian'ireo niharam-boina, ary nandrahona ny hanapaka ny fivahinianana masina hajj.

Namoaka ny tao am-pony tao anatin'ny iray amin'ireo fanehoankevitra mahery vaika marobe tamin'ilay tatitry ny RFE/RL momba ilay rakipeo tafaporitsaka ny mpamaky iray :

Обвиняя всех людей района и называя их ублюдками Шухрат Ганиев позорит честь Узбекистана, честь правительства страны. Таких крыс, как этот хоким, нужно гнать пинками. Президент признал проблемы, выразил соболезнование, а какой то каримовский манкурт говорит обратное. Да кто он такой, чтобы перечить нашему президен.

Tsy manaja an'i Ozbekistàna sy ny governemantany  i Shukhrat Ganiev tamin'ny niampangany ny rehetra tao amin'ny distrika ary nilazàny azy ireny ho faikam-boto. Mila miala ireo olon-tsy vanona tahaka io governora io. Nanaiky ireo olana [ara-toekarena ] ny Filoha, naneho fiarahamiory, ary ity karazana mpamadika Karimov ity [dia tratra] nilaza ny mifanohitra amin'izany. Fa iza izy no manohitra ny filohantsika ?

Mbola eo amin'ny lahatsorany i Ganiev tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.