Qatar: Manontany izay tetikasa amin'ny hoavy ireo miasa ivelan'ny tanindrazana

Ny Filan-kevi-piaraha-miasa any amin'ny  Golf , ahitàna an-dry Bahrain, Kaoety, Arabia Saodita, Qatar, Oman ary ny Emira Arabo Mitambatra, dia manana mpiasa vahiny voavinavina ho eo amin'ny 13 tapitrisa eo, izay 40 isan-jaton'ny mponina ao aminy. Amin'ny mponin'i Qatar 1,69 tapitrisa, 200 000 no inoana fa tena teratany.

Saika ireo mpiasa rehetra no miverina any amin'ny tanindrazany rehefa mifarana ny fifanarahan'asany. Ao amin'ny Qatar Living, miezaka mamaly ny fanontaniana tsy azo idifiana ireo niala ny tanindrazany: Inona no hataony rehetra miverina an-tanindrazana izy ireo?

Manafàna ny resaka ilay Filipiana Obed Castro Jr manao hoe:

Izaho dia teratany Filipiana izay nipetraka taty Qatar efa ho 9 taona izao ary an-kafaliana no hilazako fa nahitako voka-tsoa ny nipetrahako taty, afaka manana ny tranoko manokana aho ary mahavita mitahiry kely, izao aho nanapa-kevitra ny hiverina any amin'ny tanindrazako, nefa inona no hataoko rehefa tafaverina aho… toy izany koa ny an'ireo teratany hafa rehetra “inona no hataonao amin'ny fiainanao rehefa afaka an'i Qatar”

Haingana ny namalian'i Drmana izany:

Hiova ny toeram-ponenana fa mitohy tahaka ny tany Qatar ihany ny fiainana…..

Manampy i afrinnabees :

mbola tsy nieritreritra ny momba izany. manomboka androany dia toerana hialàna sasatra fotsiny ny fiverenana mody……..

Ary i Frexie mampatsiahy ireo mpamaky:

Azo antoka fa halahelo ny fiainanao be ierehana ianao… Fantatrao fa tsy azo antoka ny zava-drehetra… nefa tsy ratsy mihitsy ny miomana ho amin'ny zavatra iray… ka mino aho fa tokony hiomana ianao raha tena hody marina…

ochiha dia miteny rehefa nonina 5 taona sy tapany tany Qatar fa tsy malahelo ny fiainany tany an-tanindrazany mihitsy izy:

miteny ny olona fa mahafinaritra ny miverina any an-tanindrazana dia maka aina, nefa tsoriko fa tsy mitovy hevitra amin'izany aho. marina fa malahelo ny fianakaviako aho, fa tsy dia malahelo loatra ny fiainana any an-tanindrazako.

ratsy ve izany sa maro ireo olona mahatsapa toy izany koa?
efa 5 taona sy tapany aho no taty

Mamaly i sex.ex.expat :

na malahelo ianao na tsia. raha tsara kokoa ny toe-piainanao sy ny mety hahitanao asa, inona no tsy hijanonanao mandra-pahitanao fa nivoatra ny toe-javatra any an-tanindrazanao?

Ary i foolish dia manolo-kevitra ny hanandramana manao afera:

Maninona raha manangana fihariana kely ianao; mba ho tale indray mandeha amin'ny fiainanao tpt. Izaho izao manandrana ny famokarana atody ary mandeha tsara izany. Mieritreritra ny hody aho mety ho amin'ny heritaona raha mandeha tsara ny asa.

arymoceana dia manohana ilay hevitra sy ireo antony:

Indraindray dia ny fiverenana no mampatahotra antsika indrindra satria maro ireo zavatra tsy ara-tsika tany an-tanindrazantsika. Mieritreritra isika fa maro loatra ireo zavatra niova ka mety tsy ho zatra vetivety, nefa ny marina dia isika izay niaina taty amin'ny kolotsaina hafa no tena niova be.

Makà aina tsara aloha, hifalio ny vola valin-kasasaranao. Nefa hamarino fa tena manana tetika hamelomanao ny tenanao sy ny fianakavianao ianao. Fantatrao tsara ny toe-draharaha any Filipina, mikoriana toy ny rano ny vola, ary noho ianao mpiasa tany ivelany dia mieritreritra ny rehetra fa nitondra kitapo feno QR ianao.

Tsoriko fa moramora kokoa dieny mbola aty ny manao bizina any an-tanindrazana  dia avy eo raha mandeha tsara izay vao manapa-kevitra hody. Eny e, hevitro ihany izany.

Nefa i Mr. Balut mampatsiahy ireto teboka ireto alohan'ny hiverenana any an-tanindrazana:

1.) Hamarino ny toekarena any an-tanindrazana!

2.) Hamarino ny tahan'ny fanaovana asa ratsy any an-tanindrazana!

3.) Hamarino ny toetr'andro any an-tanindrazana!

4.) Hamarino raha ampy ny vola entinao mamelon-tena!

5.) Hamarino raha mbola amin'ny taona tokony hahita asa tsara ianao raha sendra lany vola!

****Raha tsy mety aminao ireo TOKONY ATAO ireo, tsaratsara ho anao ny manafoana ny fodianao! Ndeha miverina miasa!

Raha mponina efa ela tany amin'ny iray amin'ireo firenen'ny GCC ianao, inona ireo tetikasa maharitra anananao? Inona no hataonao rehefa tafaverina an-tanindrazana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.