Korea Atsimo: fiarovana tsy ampy niteraka fipoahan'ny fiarabe mpitatitra

Mbola nianoka fitsangatsanganana mandritra ny fialantsasatra ry zareo Koreana Tatsimo raha nahita tamin'ny lahatsary ny fipoahana mampihoron-koditra fiarabe mpitatitra iray tao afovoan'i Seoul. Fiarabe mpitatitra efa mahazatra ny rehetra ary mandeha eran'ny kihon-dalana rehetra ao an-tanàna no nipoaka narahana feo mahery ka nampatahotra ireo mpandeha izay nitsambikina avy tao anatin'ny fiara ary nihazakazaka tao anatin'ny setroka mainty. Olona 17 no naratra mafy tamin'iny fisehoan-javatra iny izay niseho vokatry ny fiakaran'ny hafanana  tao amin'ny fitoerana gazy noho ny hafanana be loatra mandritra ny fotoan'ny fialantsasatra. Toran-kovitra ny mponina nahita ity fiarabe mpitatitra azy ireo ity izay nanjavona tao anatin'ny iray segondra. Mitombo ny tahotra satria mihevitra ny hanolo ireo fiarabe mpitatitra hafa rehetra ho CNG (Compressed Natural Gas) toy ity nipoaka tamin'ity herinandro ity ny mpitantana ny tanàna.

Ilay mpitoraka bilaogy Natzrin nahita ny fisehoan-javatra rehetra nandritra ny loza taorian'ny fipoahana ary vavolombelon'ny fahapotehan'ity fiarabe mpitatitra ity izay mpitondra ny ankohonany. Nanampy ilay mpitoraka bilaogy fa iny sary mahatsiravina iny dia tsy ho afaka ao an-dohany mandritra ny fotoana maharitra. Ireo sary nalaina tao ankavia dia nalaina tamin'ny fakan-tsary mihetsika navoaka tao amin'ny bilaogy Qnahsladml

퇴근해서 집에 도착하자마자 바깥에서 엄청난 폭발음이 들렸다…나중에 체육관에 가려고 집 밖으로 나가보니 버스가 폭발했더라…동생이 등교할 때 타고 다니던 버스가 폭발한 거라서 섬뜩했다. 가까이 가보니 버스의 창이란 창은 다 깨져서 도로 주변 상가까지 그 파편이 여기저기에 널려있었다. 그리고 버스 아래 부분이 폭발했는지 버스는 밑이 폭발해서 주저 앉은 채로 있었다…또 다시 잠재적 공포 중의 하나가 수면 위로 떠올라 당분간 머릿속을 어지럽힐 것 같다.

Naheno zavatra nipoaka be aho raha iny handeha hody avy niasa iny…Avy eo dia nivoaka ho any amin'ny fanaovana fanatanjahan-tena aho, teo aho vao nahita fa hay fiarabe mpitatitra ilay nipoaka… Nampatahotra be ny nijery izany satria ity fiarabe mpitatitra ity no mpitondra ny rahalahiko sy ny anabaviko mankany an-tsekoly. Notomoriko akaiky ilay izy, ka hitako fa ny varavarankely rehetra dia vaky daholo sady miparitaka manodidina ny toeram-pivarotana akaiky eo ny vakim-pitaratra. Nipoaka ny tapany aorian'ny fiarabe ary potika tsikelikely teo ny lohany… Teo indray… natahotra be teo aho ka narary elaela teo ny an-dohako.

Maro amin'ireo mpiserasera an-terinety no nanahy asa fampihorohoroana raha vantany vao nahoraka tamin'ny fampahalalam-baovao ity vaovao ity. Soa ihany fa tsy izay ary raha izay dia angamba iny no zava-niseho ratsy indrindra ho an'ny fanjakana Koreana Tatsimo. Handray ny fihaonana an-tampon'ny G20 ny fanjakana Koreana Tatsimo ato ho ato ary voatery ny mponina amin'ny lafiny fanentanana ara-tsosialy ho mendrika sy tsara fanahy manoloana ireo vahiny mandritra ny fihaonana an-tampony ary haneho ny endrika tsaran'i Korea manoloana ireo vahiny. Ilay mpitoraka bilaogy Arirang mampifandraika ny zava-niseho amin'izay lafiny izay.

이제 곧 G20 정상 회담이 개최된다. 이 일(버스 폭발)이 그때 일어났다면 테러로 오해했을 많은 가능성이 있으며 외국인들은 나중에 진실을 알지만 불안해 떨었을 것이다.

Hanomboka tsy ho ela ny fihaonana an-tampon'ny G20. Raha tao anatin'ny fihaonana no nitranga iny fipoahana iny, dia maro no nihevitra fa asa fampihorohoroana ilay izy ary hiaina anaty tahotra sy horohoro ny vahiny mandrapahafantany ny tena marina.

Avy amin'ny sary mihetsika azo dia miahiahy ny olona ary mihamitombo isan'andro izany arakaraky ny hiparitahan'ny vaovao fa ity modely farany ity, ny fiarabe mpitatititra CNG madio izay tsy manaparitaka entona maloto dia hanolo ny fiarabe mpitatitra rehetra ao an-tanàna. Ny fiarabe CNG, nipoaka tany Korea efa in-8 izao hatramin'ny taona 2005 niaraka tamin'ity fipoahana tamin'ity herinandro ity dia maneho fa tsy mbola misy ny fomba fiarovana. Maro no mandroso hevitra an-terinety fa tokony hapetraka eo alohan'ny fiara ny fitoerana entona mba hampihenana ny fahapotehana ateraky ny fipoahana. Ankehitriny dia ao ambanin'ny gorodon'ny fiara no mipetraka izany ary ny sary nalefan'i Joognag no mampiseho fa izay no antony mahatonga ny mpandeha maratra mafy eo amin'ny ranjo sy ny kitrokely mandritra ny loza.

Ilay mpitoraka bilaogy Koreana Jotdding izay mpianatra toe-karena ao amin'ny sekoly ambony any Japon, mampitaha ny zava-misy any Korea amin'ny any Etazonia sy Japon. Any Etazonia, eo aloha amin'ny fiara ny fitoerana entona ary any Japon dia novaina ny fitoeran'ny entona ka nafindra eo amin'ny tendrony aloha. Soritan'ity mpitoraka bilaogy ity fa tsy misy mihitsy ny “tafahoatra” amin'ny resaka fiarovana, manambony ny “fomba fanao” (tahaka ny fampitandremana faratampony) izay tsy hita eo amin'ny vahoaka Japoney raha ny resaka fitandremana sy fiarovana.

이번 사고를 합하면 벌써 8번째라 하는데 그 동안 무슨 대책을 세워 왔는지 묻고 싶습니다…CGN 버스의 구조입니다. 이번 폭발한 가스통은 버스의 밑에 장착이 되어 있는데 미국은 이것이 버스 위에 장착이 되어있다고 하더군요. 가스통이 폭발할 때 수직으로 상승하면서 폭발하기 때문에 위에 장착되어 있으면 피해를 최소화할 수 있다고 합니다…일본은 우리가 생각하는 것에 비해 너무하다 싶을 정도로 설레발을 치곤 하지만, 그런 설레발이 안전함을 담보해 주는 것이 아닌가 하고 느낄 때도 있습니다.

Voalaza fa efa in-8 izao no nipoaka ny fiarabe mpitatitra CNG tany Korea ary tsy fantatro hoe inona no fepetra efa noraisina hatramin'izay… Tena ny toetran'ilay fiara CNG mihitsy no ohatr'izay. Eo an-tampon'ny fiara no mipetraka ny fitoerana entona. Any Etazonia, any aloha no mipetraka ny fitoerana entona. Raha mipoaka iny, dia miakatra mankany ambony, ary mamoaka afo mankany ambony. Noho izany, raha any aloha no misy azy dia hihena ny fahavoazana… Ny vahoaka Japoney dia ohatra ny mampiasa ny “sarotra” ary mihevitra aho fa “ny fanaony” dia ahazoana antoka amin'ny fiarovana ny olona.

Ny sary dia avy ao amin'ny bilaogy Qnahsladml

Olom-pirenena iray mitonona ho mpitantana teo aloha ny tobin'entona CNG no nanoratra lavabe ao amin'ny vohikalan'ny Daum's Agora mikasika ny olana 3 lehibe misy amin'ny fiarabe mandeha amin'ny CNG. Nahasarika mpitsidika aman'arivony ity lahatsoratra ity tao anatin'ny andro vitsy monja. Olana goavana 3 nolazainy ny tsy fahampian'ny mpiasa ao amin'ny tobin'entona CNG, ny kaompania mpanao fiarabe fitaterana sy ny tompona tobim-pamatsiana entona manamaivana ny fiarovana ary ny tsy fahampian'ny zadraharaha any amin'ny biraom-paritra manara-maso ny fitaterana ataon'ny fiarabe.

버스회사 오너들과 충전소 오너들은 버스 충전지연으로 버스가 정상 시간에 운행되지 못하는 것만 신경을 씁니다. 또한 안전점검하고 관리하는 직원들을 할일 없는 사람 취급을 합니다. 안전관리를 말만 외칠 뿐 현실적 인건 외면을 합니다. 모든 사고는 1차 관리만 잘 이루어지면 80% 이상은 막을 수 있다고 생각합니다.

Ny tobim-pamatsiana entona sy ny tompon'ny toby dia mifantoka fotsiny amin'ny fandehanan'ny fiarabe sy ny tetiandrony ka lazainy ho tsy manan-katao izay mihevitra ny momba ny fiarovana. (Ampahibemaso) Lazainy fa manara-maso ny fiarovana izy ireo, kanefa ny tena marina dia tsy miraharaha izany izy… Ny 80% ny loza dia azo sorohina raha narahina tsara ny fomba fiarovana hatrany am-boalohany.

Anankiray amin'ireo fikambanan'ny mpamily matanjaka indrindra ny federasionan'ny mpiasa Korean Automobile and Transport Workers nanao fanambarana androany niantso ny fanjakana sy ny biraom-paritra rehetra hamaha ny olana ifotony ary nandrahona ny hanao fitokonana. Araka ny voalazan'ny Federasiona, variana amin'ny famoahana antontan'isa mahavariana mikasika ny tontolo iainana fotsiny no atao ka maika fotsiny hanolo ny fiarabe mpitatitra ho madio fa tsy mandray fe-petra momba ny fiarovana. Olom-pirenena iray ID: Haeorm ao amin'ny vohikala Daum’s Agora mahita fijery toy izao.

현재 서울시에서 굴러 다니는 대중교통 버스 차량 7천 558대 전량에 대해 연말까지로 하여 모두 CNG버스로 개량한다고 하는데, 공해 오존 문제로 고심하고 있는 市가 시내버스 전체를 무공해 버스로 대체하겠다는 복안에 대해 만류할 사람은 없겠지만도,그런 원대한 비전을 실천하기 전에라도 먼저, 빈발하는 CNG버스들의 폭발사고의 원인과 시스템 개선부터 선행하는 것이 일의 완급 순서가 아닐까.

Naheno fanambarana aho fa ny fiarabe mpitatitra miisa 7 558, ny fiarabe mpitatitra rehetra ao Seoul dia hosoloina CNG avokoa. Tsy misy misakana ny tanjon'ny tanàna amin'ny fanoloana ny fiarabe ho aotra fandotoana rivotra satria efa miferin'aina amin'izany rivotra maloto izany sy ny fihenan'ny hatevin'ny ozona isika. Kanefa mialoha ny hanatanterahana izany tanjona goavana izany dia tokony (mikasika ny olana tena misy) jerena ny antony mahatonga ny fipoahan'ny fiarabe CNG ary soloina izay tsy mety. Izany no zavatra tokony hatao.

Efa mangatsiaka ny andro nahamay be niteraka iny loza iny, kanefa tsy tahaka izany ny fahatahoran'ny olona ny tsy fisian'ny fanaraha-maso ny fiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.