Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2015
Mpanoratra Sady Mpanao Gazety Belarosiana Svetlana Alexievich No Nandrombaka Ny Loka Nobel Literatiora 2015
Alexievich no vehivavy faha-14 nahazo ny loka Nobel Literatiora, ary mpanoratra amin'ny teny Rosiana voalohany nahazo ny voninahitra hatramin'ny 1987 nahazoan'i Joseph Brodsky, poeta ny loka.
Mpanavakavaka, Mpankahala Pelaka ary Anti-semita ny Minisitra Lefitry ny Fitaterana Voatendry Vao Haingana Ao Gresy
Ny anton'ny fandroahana tampoka dia fanambarana izay, roa taona lasa izay, namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka, antisemita sy mankahala pelaka tao amin'ny kaonty Twitter efa tsy miasa intsony i @portaporta ("isam-baravarana") na i Kammenos.
Tsy Ny Mpitsoa-ponenana sy ny Polisy Ihany No Tsy Mifankahazo Ao Balkana
Raha momba ny mpitsoa-ponenana no resahina, mahomby kokoa amin'ny famelomana indray ny disadisa taloha ny fanapahan-kevitra vao haingana eo amin'ireo mpitondra vondrona Eoropeana fa tsy namaha ny krizy ankehitriny.
Tahotra Momba Ilay Siriana Injeniera Informatika Voafonja, Nafindra Ho Aminà Toerana Tsy Fantatra
Takian'ireo mpikatroka mafàna fo ny governemanta Siriana hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Bassel Khartabil (Safadi), taorian'ny nanesorana azy tao amin'ny fonja nisy azy ho any aminà toerana iray tsy fantatra, ny maraimben'ny 03 Oktobra teo.