Takian'ireo mpikatroka mafàna fo ny governemanta Siriana hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Bassel Khartabil, ilay Siriana injeniera informatika fantatra ihany koa amin'ny hoe Bassel Safadi, taorian'ny nanesorana azy tao amin'ny fonja nisy azy ho any aminà toerana iray tsy fantatra, ny maraimben'ny 03 Oktobra teo.
Safadi, izay efa tany am-ponja nandritry ny efatra taona latsaka kely, dia fantatra tsara ihany koa amin'ny maha-mpamokatra rindrambaiko misokatra azy. Izy no mpitarika ny Creative Commons ao Syria ary mavitrika amin'ireo tetikasa toy ny Mozilla Firefox sy Wikipedia, ary anisan'ny nandray anjara tamin'ny fisokafan'ny aterineto Siriana sy ny fanitàrana ny fahafahana miditra amin'ny serasera ary ny fahalalàna ho an'ny daholobe. Araka ny ambaran'ny Parlemanta Eoropeana, ampahany amin'ny ezaky ny governemanta Siriana hameperana ny fidirana amin'ireo vondrom-piarahamonina an-tserasera sy hanakendàna ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena ny fitazonana azy.
Araka ny pejy iray Facebook noforonin'ireo mpanohana mitaky ny famotsorana azy:
تم نقل باسل من سجن عدرا الى جهة مجهولة بعد ان اتت دورية لا يعرف بالضبط الى اي جهة تتبع وطلب منه اخذ كل اغراضه
من المتوقع ان يكون نقل الى مقر المحكمة الميدانية في الشرطة العسكرية في منطقة القابون
قلق ومخاوف على مصير باسل بعد ان اصبح وضعه مجهولا من جديد
Taorian'ny fisafoana, izay tsy fantatra ny fironana misy azy, nandalo tao aminy sy niteny taminy hanangona izay zavatra rehetra azy, dia nafindra niala ny fonjan'i Adra ho any aminà toerana iray tsy fantatra i Bassel. Azo eritreretina ny hoe nafindra ho any amin'ny foiben-toeran'ny fitsaràna sivilin'ny Polisy Miaramila ao amin'ny faritr'i Al Qaboun izy. Manahy izahay ary matahotra ho an'i Bassel taorian'ny tsy fahafantarana izy toerana misy azy indray
Nosamborin'ny Sampana 215-n'ny Tafika tamin'ny 15 MArtsa 2012 i Khartabil, nandritry ny fankalazàna ny tsingerintaona voalohany nanombohan'ny revolisiona Siriana. Nalaina am-bavàny sy nampijaliana izy nandritry ny dimy andro. Nafindra ho any amin'ny Sampana 248 Mpanadihady ary notazonina tsy nisy fampitàm-baovao nandritry ny sivy taona. Ny 9 Desambra 2012, nentina niatrika ny mpampanoa lalàna miaramila i Khartabil, tsy natrehan'ny mpisolovava, ary nampangaina ho “nanao asa fitsikilovana ho an'ny Firenena fahavalo”. Avy eo izy nalefa ho any amin'ny fonjan'i Adra tao Damaskaosy, izay nitazonana azy hatramin'ny 03 Oktobra 2015. Manamarika ny Electronic Frontier Foundation (EFF) hoe :
Ny fisongadinan'i Bassel amin'ny maha-mpahay teknolojia sy mpikatroka mafàna fo azy no nahatonga azy ho lasibatry ny fampidirana am-ponja.
Efa vonona ao amin'ny Change.org ny fanangonantsonia nataon'ny namana sady mpanentana Mohamed Najem, hitakiana ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Khartabil. Iangaviana mba hikitika ny rohy hahafahanao manao sonia.
Maneho ny fanohanany amin'ity hetska ity ny namana sady mpanentana momba ny fahalalahana miteny, Jillian C. York, sady koa Tale Iraisampirenen'ny EFF ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra. Mibitsika izy :
My friend Bassel Safadi has been transferred from Adra prison in Syria, we don't know where-Please sign our petition https://t.co/sER4lWTXjB
— jillian c. york (@jilliancyork) October 3, 2015
Nafindra niala ny fonjan'i Adra tao Syria, tsy fantatray hoe aiza, ny namako Bassel Safadi- Miangavy, soniavo ny fanangonantsonia ataonay
We know petitions won't convince Syria (or anyone) but it's all we've got. Please help get the word out so Bassel stays safe.
— jillian c. york (@jilliancyork) October 3, 2015
Fantatray fa tsy handresy lahatra an'i Syria (na ny hafa) ny fanangonantsonia, saingy izay aloha no hany azonay atao. Miangavy, aelezo ny feo mba tsy haninona i Bassel