Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi

Mpianatra ao amin'ny Oniversite Savitribai Phule any Pune, manohitra ny Lalàna Fanitsiana ny Maha Olom-pirenena sy ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia teo anoloan'ny polisy sy ireo mpiambiana ny oniversite i India. Sary avy amin'ny mpikatroka iray tsy mitonona anarana. Nahazoana alalana.
Rehefa lany tao amin'ny Rajya Sabha (Antenimieran-doholona) tamin'ny vato 125-105, dia nosoniavin'ny filoha Indiana Ram Nath Kovind ny Volavolan-dalànan'ny Fanitsiana ny Maha Olom-pirenena – Citizenship Amendment Bill (CAB) ary lasa fantatra amin'ny anarana hoe Lalànan'ny Fanitsiana Mahaolompirenena – Citizenship Amendment Act (CAA) tamin'ny 12 Desambra 2019. Niteraka tsikera avy amin'ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohitra ho manilikilika tsy ara-drariny ny Miozolomana ny lalàna, izay manome lalana hahazoana zom-pirenena ho an'ireo mpifindra monina tsy Miozolomana avy amin'ireo firenena manodidina toa an'i Pakistan, Bangladesh sy Afghanistan.
Hatramin'ny nampidirana azy tao amin'ny Lok Sabha (Antenimieran'ny depiote) tamin'ny 9 Desambra 2019, nipoaka manerana ny firenena ny fihetsiketsehana, indrindra indrindra tao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam, Tripura ary Meghalaya.
Since its introduction in the Lok Sabha (Lower House) on 9 December 2019, protests have erupted across the country, most notably in the northeastern states of Assam, Tripura and Meghalaya.
Vetivety dia niparitaka nanerana ny renivohitra Delhi ny fihetsiketsehana. Nanomboka tamim-pilaminana tamin'ny 15 Desambra 2019 tao amin'ny oniversite Jamia Millia Islamia ao Delhi ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny renivohitra, na izany aza, nivadika feno herisetra ny zava-drehefa rehefa nisy nitora-bato sy nandoro ireo fiara fitateram-bahoaka roa sy moto teo akaikin'ny oniversite. Tsy mbola fantatra ireo meloka nahavita izany herisetra izany saingy ny hariva, nanafika ny tobim-pianarana, trano famakiam-boky sy ny moskea ireo mpikambana 300 ao amin'ny milisy sy ny polisin'i Delhi misahana ny rotaka.
Araka ny fanambaran'ny lehiben'ny oniversite, tsy nahazo alalana mialoha hiditra ny faritry ny oniversite ny polisy fa niditra an-keriny. Nampiasa etona mandatsa-dranomaso sy kibay ny polisin'i Delhi, nahatonga ny mpianatra hiampanga ny fisian'ny herisetra mahery vaikan'ny polisy. Mpianatra teo amin'ny 200 teo no naratra ary 100 no notanana tany amin'ireo tobin'ny polisy.
Satria nikatona tao Delhi ireo toby metro miisa 17 noho ny fitroarana. Dia maro ireo sekoly ambaratonga faharoa sy kolejy ao Atsimon'i Delhi mbola nikatona ny 16 Desambra 2019.
Satria niditra media sosialy mba hitady fanampiana ireo mpianatra, nisy hatrany ny ahiahy ny mety hanakatonana ny tambajotra. Nanomboka niparitaka tao amin'ny Instagram ireo lahatsary sy sary misy ny tranga. Nanomboka nandefa tsanganana momba ny zava-nitranga ny vahoaka mba hampiely fanentanana.
Spoke with a student inside Jamia who sent me this video along with other videos. He claimed that the students were stuck inside library with the library filled with tear gas smoke and they were having a difficult time breathing. And that some could finally get out of there. pic.twitter.com/1XaD9jPrdt
— Pratik Sinha (@free_thinker) December 15, 2019
Niresaka tamin'ny mpianatra tao anatin'i Jamia izay nandefa ity lahatsary ity tamiko niaraka tamin'ny lahatsary hafa. Nilaza izy fa tafahitsoka ao anatin'ny tranom-boky feno setroky ny etona mandatsa-dranomaso ireo mpianatra ary tsy afa-niaina nandritra ny fotoana maharitra. Ny sasany kosa afaka nivoaka tao ihany
#JamiaProtest witnesses account:
Delhi Police fired tear gas canisters in the campus
Entered campus & vandalised classrooms, libraries, mosque
Fired live ammunition on students
Scaring residents with air fire
One tear gas shell fell inside Holy Family Hospital premises
— Uzair Hasan Rizvi (@RizviUzair) December 15, 2019
Filazan'ireo nanatri-maso #JamiaProtest:
Nitifitra etona mandatsa-dranomaso tao amin'ny toby fianarana ny polisin'i Delhi
Niditra ny toby & nanimba efi-pianarana, tranom-boky sy moskea
Nitifitra tamin'ny bala tena izy tamin'ireo mpianatra
Nampitahotra ireo mponina tamin'ny tifi-danitra
Nilatsaka tao amin'ny faritry ny Hôpitaly Fianakaviana Masina ny baomban'etona mandatsa-dranomaso iray
Protests outside @DelhiPolice headquarters at ITO in Delhi to demand withdrawal of police personnel from Jamia campus and stop the violence against students. #JamiaProtestsCAB pic.twitter.com/SzTbBaLz6M
— Neha Dixit (@nehadixit123) December 15, 2019
Fihetsiketsehana ivelan'ny foiben'ny @DelhiPolice ao ITO ao Delhi mba hitaky ny fialàn'ny polisy ao amin'ny tobin'i Jamia ary hanatsahatra ny herisetra amin'ny mpianatra.
Nitombo ny hatezerana satria nizara sary tao amin'ny Instagram ireo mpiserasera:
View this post on Instagram#JamiaProtest Image – @thewirein
A post shared by Sucharita Tyagi (@su4ita) on
View this post on InstagramA post shared by Adnan Abidi (@adnanabidi) on

Afisy mampitaha ny filoha Indiana Narendra Modi amin'i Adolf Hitler tao amin'ny Oniversite Savitribai Phule ao Pune, India nandritra ny fihetsiketsehana. Sary avy amin'ny mpikatroka tsy mitonona anarana. Nahazoana alalana.
Mihamitombo ihany koa ny fitakiana ao amin'ireo olo-malaza mba hijoro hanohitra ny herisetran'ny polisy. Natao nanerana ny firenena tany amin'ireo oniversite maro hafa ny fihetsiketsehana ho firaisankina amin'ireo mpianatry Jamia Millia Islamia.
Students of Pondicherry University, IISC- Bangalore, Jadavpur University (Kolkata) and many more will protest today in their campus in solidarity with students of Jamia Millia Islamia, Delhi.
— Nagarjun Dwarakanath (@nagarjund) December 16, 2019
Mpianatra ao amin'ny Oniversite Pondicherry, IISC- Bangalore, Oniversite Jadavpur (Kolkata) ary maro hafa no hanao fihetsiketsehana androany ao amin'ny toby fianaran'izy ireo ho firaisankina amin'ireo mpianatry ny Jamia Millia Islamia, Delhi.
Niala ny faritry ny fianarana ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ny ampitso rehefa navotsotra ireo rehetra notanana. Voalaza fa nosimbaina ny toby fianarana ary namaritra izany ho faritry ny ady ny mpianatra.
Nanasaraka ny tenan'izy ireo tamin'ny herisetra ny mpianatra ary nandà ihany koa ny polisy fa tsy nampiasa bala fingotra tamin'ireo mpianatra. Araka ny filazan'ny Komity lefitry ny Polisin'i Delhi, voatery nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny polisy rehefa nisy nitora-bato avy ao anatin'ny oniversite izy ireo, nodorana ireo fiara fitateram-bahoaka ary polisy iray no naratra. Satria nahazo vahana tao amin'ny media sosialy ny adihevitra, nanomboka naneho hevitra ny vahoaka ka misy ireo mijoro ho amin'ny firaisankina amin'ny hetsiky ny polisy.
Araka ny tatitra avy amin'ny News18, nanamafy ny polisy fa tsy ny mpianatra no nanomboka ny herisetra nandritra ny fihetsiketsehan'izy ireo. Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, nanome antoka ny tompon'andraikitry ny Seraseram-bahoaka ao amin'ny Polisin'i Delhi fa hotapahana amin'ny alalan'ny famotorana lalina ataon'ny Sampana misahana ny Heloka Bevava ny tamberina andraikitra tamin'ny zava-nitranga.
Mandritra izany, nampiasa etona mandatsa-dranomaso sy kibay tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana rehetra tao amin'ny firenena ny polisy.
Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Lalànan'ny Fanitsiana mahaolompirenena.
Vakinteny hafa:
Lalànan'ny fanitsiana mahaolompirenena (CAA)
- Explained: What the Citizenship (Amendment) Bill is all about, Haripriya Suresh, The News Minute, December 06, 2019
- Question & Answer: Citizenship Amendment Act explained, Apurva Vishwanath & Kabir Firaque, The Indian Express, December 17, 2019
- Citizenship law fails three tests of classification, Faizan Mustafa, VC, NALSAR University of Law, The Economic Times, December 15, 2019
- A Bill that undercuts key constitutional values, Gautam Bhatia, The Hindu, December 7, 2019
- The inevitability of errors in determining citizenship – The odds of genuine citizens facing state action are high enough to spark a humanitarian crisis in India, Shruti Rajagopalan, Live Mint, December 9, 2019
Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC):
- Not-So Short Guide to the Crisis of Citizenship in Assam, Sanjoy Barbora, RAIOT.in, March 13, 2019
- (Content Warning: Mention of suicide): Citizenship Kills: NRC/D-Voter Suicides in Assam:, Abul Kalam Azad, RAIOT.in, April 9, 2019
- If NRC is deployed across India, how will you prove your citizenship? Economic Times, August 3, 2019
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...