Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2008

Kamerona: Lahatsary fanadihadiana ny adin'ny Alemana sy ny Bakweri

  25 Janoary 2008

Lahatsary fanadihadiana vaovao momba ny tantaran’ny vahoaka Bakweri avy ao Kamerona iray indray no mivoaka: “…“Kuva Likenye”  no lohateniny ary mahatratra 30 minitra ny faharetany. Voatantara ao ny fitarihana nataon’ny Mpanjaka antsoina hoe Kuva Likenye ny andian’olona maro nitsangana nanohitra ny miaramila Alemana indrindra tanelanelan’ny taona 1891 sy 1894.”

Aostralia: ny lisitra 100 voalohan'ny bolongana any!

  25 Janoary 2008

Ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Dipping into the Blogpond no nanangona sy nandahatra ny lisitry ny bolongana Aostraliana 100 voalohany araka ny fandaharan'ny Bolongana Alexa sy ny Technorati azy. (hita tamin'ny alalan'ny Endverse) Sambany vao nisy resaka tany teto an! Raha manindry ao ianao dia samy misy ny fandaharana araka ny isan'ny rohy...

Kambôdza: Fanevam-pirenena napetaka amin'ny kapa

  24 Janoary 2008

Tezitra amin'ny Vietanmiana mivarotra kapa misy ny sarin'ny tempolin'ny Angkor mipetaka eo amboniny ny Kambôdziana. Ahitana ny sarin'ny tempolin'i Angkor avokoa manko na ny vola na ny sainam-pirenena Kambôdziana.

Brezila : Ny filazam-baovao no nampikorakapa ny resaka tazovony

  24 Janoary 2008

Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity...

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

  24 Janoary 2008

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.

Manao antso avo ny nahazo ny loka Nobel momba ny tontolo iainana

  24 Janoary 2008

Hita ao amin’ny Pambazuka: fa manao antso avo hanoherana ny famoizana aina sy fananana any Kenya ny Prof. Wangari Maathai, izay efa nahazo ny loka nobel momba ny tontolo iainana. “ Efa nolazainy kosa fa efa nisy tantarany ny fisamatsamahana, nandamoka tamin’ny fifampiraharahana tamin’ny mpamporisika sy ny mpanakorontana. Nolazain’ny Prof...

Bahrain: Mpifanolo-bodirindrina hoe?

  24 Janoary 2008

Cookie, avy any Bahrain, no milazalaza ny momba ny manodidina na mpifanolo-bodirindrina ao amin’ny lahatsorany. “Mijanona eny amin’izay tiany hanajanonany ny fiara tahaka ny hoe tompon’ny arabe ny olona. Ny vehivavy kosa miady matetika isa-tapa-bolana na latsak’izany any IVELAN’NY tokantranony!” hoy izay nosoratany.

Shina: Fitombon'ny mpivoivoy amin'ny aterineto

  22 Janoary 2008

Navoakan'ny Foiben'ny Fifandraisan-davitra sy filazam-baovao any Shina tamin'ny herinandro lasa teo ny mombamomba ny fivoaran'ny Aterineto any. Voambara ary fa nahatratra 210 000 000 ny isan'ny Olonineto (mpivoivoy amin'ny aterineto) tamin'ny taona 2007 ka nolazana fa ny nampitombo be dia be io isa io dia noho ny fitombon'ny tambanivohitra niditra...

Taiwan sy Shina : Gadra an-tanàna afaka

  22 Janoary 2008

Velabelarin’i Hsiang-Tai ny fiainan’ny gadra roa Hu Jia sy Zheng Jinyan izay eo ambany fitantanan’ny polisy miandraikitra ny filaminam-pirenena (tsy mitovy amin’ny teny hoe mitandro ny filaminana tsotra izany). Asongadin’ny mpamaham-bolongana Taiwaney ary fa: Raha tian’i Shina tokoa ny hiverenan’i Taiwan ho ao aminy, aza fady, tompoko, miovà aloha ianareo!...