Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2024
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #13
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: sonkoriser - fitenin'ny Seneagaly, raconter sa life ary ilay tena safiotra frantsay-japoney アベック.
Ankizivavy etiôpiàna manova ny fombandrazana amin'ny alàlan'ny filalaovana skateboard
"... Tsy zakan'ny fiarahamoninay ny filalaovana skate. Heverina ho toy ny fanatanjahantena fanaon'ny bandy ratsy taiza izy io, araka izany dia sarotra ho an'ireo ankizivavy toa ahy ny handeha hanohitra azy ireny"
Fiakarana faobe ny vidin'ny aterineto ao Madagasikara : tafa niarahana tamin'i Harinjaka Andriankoto Ratozamanana
Noho ny halafon'ny vidiny nanomboka tamin'ny 1 Aprily 2024, lasa entam-barotra tsy fahita firy ao Madagasikara ny aterineto
Manana tranombakoka izao ny fanjakàna Bamoun mba hitantaràna ny tantaran'i Kamerona
Mitokana tranombakoka iray natokana ho an'ny 600 taona teo amin'ny tantarany ny fanjakàna Bamoun, iray amin'ireo fanjakàna tranainy indrindra ao Afrika atsimon'i Sahara, any adrefan'i Kamerona.
Olan'ny maha-olona ao RDC sy Sodàna : mihoatra ny 14 tapitrisa no nafindra toerana, ary atahorana ny kere
2024, nanisaka olona 14 tapitrisa ao amin'ny tanibe ny fifandonana roa goavana miseho ao RDC sy Sodàna.
Ny asan'ny mpiaro ny tontolo iainana hihazonana ny anjara asan'ny natiora amin'ny fananganam-pandriampahalemana ao Ogandà avaratra
"... maika ny fanavaozana ny fomba ampidirana ny hasarobidin'ny zavaboary amin'ny politikam-pananganam-pandriampahalemana sy ny fampandrosoana misy amin'izao fotoana ao Ogandà."
AfrikElles, media tôgôley mametraka ny vehivavy afrikàna ho ivon'ny matoandahatsorany
Ao Togo, ny AfrikElles no iray amin'ireo fampahalalam-baovoa tena vitsy sy mampiasa ny teny frantsay miresaka ny andavanandrom-piainan'ny vehivavy amin'ny fametrahana azy ireny ho ivon'ny matoandahatsorany.
Ny anjara asan'ny fiteny amin'ny fampaharetana ny herisetra ara-nofo ao Ogandà
Marobe ireo fombandrazana sy voambonana miorim-pàka lalina any anaty kolontsaina ary ampiasaina ao amin'ny firenana no mandray anjara ankolaka amin'ireo fitantaràna mampaharitra ny herisetra ara-nofo sy manavakava-behivavy
An'ny voambolana ny fitenena:Fizaràna #12
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: ny 'Jom' amin'ny fiteny wolof, bitos amin'ny fiteny frantsay tôgôley ary ny fampiasàn'ny Japôney ny グルメ (hanim-py).
Adihevitra an-tserasera ataon'ireo Ghaneàna momba ny zon'ny zazavavy iray 16 taona nampanambadiana lahiantitra 63 taona, pretra nentim-paharazana
Navoitran'ny angondrakitra fa manerana izao tontolo izao, isa-minitra dia ankizivavy miisa 23 no ampanambadiana, ankizivavy iray isaky ny roa segondra. Ao Ghana, manodidina ny ampahadimin'iero ankizivavy no alefa manambady alohan'ny faha-18 taonany