Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2019
Ahoana moa no andrahonan'ny fanomezan'i Etazonia fitaovam-piadiana an'i Arabia Saodita ny fandriampahalemana sarotra azo ao Sodàna
Vatsian'ny Saodiana vola sy fitaovam-piadiana ny RSF, koa raha manohana ny fifanaraham-barotra fitaovam-piadiana amin'i Arabia Saodita i Etazonia dia efa manohana ihany koa ny RSF izany ry zareo.
Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety
Mbola nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana izay anisan'ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta na dia teo aza ny fiafaran’ny fanakatonana ny Aterineto naharitra 10 andro.
Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana
Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka) ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.
Zo hahazo vaovao: Manoloana ny lalàna vaovao momba izany, hanara-dia an'i Nizeria ve i Ghana?
Manamafy ny UNESCO fa "ampahany feno amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny fahalalahana hahazo vaovao." Ao amin'ny faritra, voasoratra ao amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka sy ny Fanambarana ny fitsipika momba ny Fahalalahana maneho hevitra ao Afrika ny zo ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.