Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2015
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Ny Ilainao Fantarina Momba Ny Fifandonan'i Etiopia sy Ireo Bilaogeran'ny Zone9 : Didim-Pitsaràna Andrasana Amin'ny 20 Jolay
In-30 niatrika fitsarana tao anatin'ny 15 volana ireo biloageran'ny Zone9 ao Etiopia, ary nahemotra foana isaky ny mihetsika. "Tsy zavatra hafahafa izany ao anatin'ny rafi-pitsaràna faran'izay tsy manana elanelam-panahy ao Etiopia" hoy Endalk Chala.
Fikarohana Nahomby Nataon'ireo Mpianatra Siantifika Burkinabe sy Borondey Iadiana Amin'ny Tazomoka
Nitondra anjara biriky goavana amin'ny fampihenana ny iray amin'ireo aretina mahafaty indrindra ao Afrika ireo mpianatra roa avy ao Afrika: Moctar Dembele sy Gerard Niyondiko.
Fihetsehampon'ny Ethiopiana Anaty Fiaraha-Mifaly na Fiaraha-Miory, Tsikera Tamin'ny Famotsorana ireo Bilaogera
Sady nampiseho hafaliana no nampiseho fahamatrohan-tava ny mpanohana ny bilaogy iraisana Zone9 tamin'ny fanafahana ny sasantsasany -- saingy tsy izy rehetra -- amin'ireo blaogera hivoaka ny fonja tamin'ny herinandro.
Nitarika Hatezerana ny Fandravàn'i Ghanà Ilay Tanàna Mahantra Lehibe Indrindra Ao Aminy: ‘Sodoma sy Gomora’
Ganeana maro no niampanga ny fanjakana ho nivadim-pitokisana ny amin'ireo fampanantenany hanampy ny mponina ao Old Fadama izay simba trano sy very asa fivelomana.
VAOVAO MAFANA: Mpanao Gazety Ethiopiana Dimy Navotsotra, Saingy Mbola Am-ponja ny Ambiny
Ao anatin'ny firotsahan'ny hafaliana sy ny tsi-finoana tamin'ny fanafahana ireo bilaogera, NIfandrisika ny mpanohana hitazona ny "tantrummin" hafatra mandrapahatongan'ny tsy fisian'ny mpanao gazety migadra intsony ao Ethiopia.
Fihetsika Nahagaga Nataon'i Nizeria Tany Amin'ny Fiadiana izay Ho Tompondaka Erantany FIFA Vehivavy 2015
Mety ho firenena andalam-pandrosoana i Nizeria, saingy manana mpilalao baolina kitra vehivavy mahery izy. Ny ekipa, laharana faha-33 teo amin'izao tontolo izao, nanao ady sahala 3-3 tamin'i Soeda laharana faha-5
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...