Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Togo

08 Jona 2016

Andiany Voalohany Amin'ny Fetibe (FABY) Iraisan'ireo Afrikana Mpanoratra Bilaogy Sy Mpikirakira Youtube Ao Dakar, Senegaly

Nampiranty ny talentany sy ny fahaizamanaony nandritry ny andro roa ireo andianà bilaogera sy mpikirakira Youtube 36 avy aty Afrika, niaraka tamin'ireo mpisehatra erantany nofantenana avy amin'ny tontolo dizitaly Afrikàna

15 Aogositra 2014

Afa-Manova Ny Fanaon'ny Afrikana Mpanao Didijadona Ve Ny Filoha Obama? Toa Tsia an, Hoy Ny Tchadiana Blaogera Iray

"Fa toy izao manaraka izao ny fanontaniana iankinan'ny hafa rehetra : inona avy ny fepetra azon'ny filohan'i Etazonia raisina ahafahana manova zavatra?"

22 Marsa 2014

Vehivavy Enina Notazonina Ho Andevo Tao Libanona Atsimo

Navoakan'ilay tranonkala avy any Cote d'Ivoire antsoina hoe Koaci.com ny fisian'ny vehivavy enina notazonina ho toy ny andevo tao an-tanànan'i Nabatieh ao atsimon'i Libanona. Niantso hijerena ny zava-manjò ireo vehivavy ireo ny blaogera Libaney Joey Ayoub

28 Jolay 2013

Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay

"Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika." Ao amin'ity lahatsoratra ity isika no hijery ny tetikasam-panamarinam-baovao amin'ny media miteny frantsay.

10 Oktobra 2012

Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny

Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana ny “fitrandrahana tafahoatra ny tahiry Afrikana” [fr]. Taorian'io kabary io dia namoaka fanambarana an-gazety ny Banky Mondialy fa nanangana tahirim-bola...

20 Jona 2012

Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”

Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona...

25 Febroary 2012

Togo : Manery an'i Faure Gnassingbé Ny Fikambanana Miaro ny Zon'olombelona

Fanindroany tamin'ity taona 2012 ity indray, naneho ny tsy fifaliany ny Fikambanana Mpiaro ny zon'Olombelona manoloana ny toe-draharaha sosio-politika ao amin'ny firenena. Tamin'ny 11 febroary farany teo, nanao diabe tao amin'ny presidansa ao Lomé ny tompon'andraikitra ao amin'ny ODDH, ny mpitolona sy ny mpanohana.

08 Aogositra 2011

Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia...