Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2016

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2016

31 Mey 2016

Mpanoratra Angoley Ondjaki Nahazo Voalohany Tamin'ny Lokan'ny Literatiora Tany Frantsa

Nahazo ny loka literatiora tany Frantsa, tamin'ny boky "Os transparentes" [Ny Mangarahara] nivoaka tamin'ny 2012 izay efa nahazo ny Lokan'ny mpanoratra literatiora José Saramago, herintaona taorian'ny namoahana azy (2013) ihany koa ny mpanoratra Angoley Ondjaki.

30 Mey 2016

Ny Fanambaran'ny Vondrona Eoropeana Manoloana Ny Fanafahana An'i Marco Mavungo Tao Angola

tokony ho dingana voalohany mankany amin'ny fahazakan'ny governemanta, eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona ao Angola, ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony hanafaka an'i Marcos Mavungo, hoy ny fanambaran'ny mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana.

29 Mey 2016

Miteny “Gineana” Va ianao ? Na Ireo Teny 10 Voalohany Tsy Mitovy Dika Ao Ginea Sy Any An-kafa

Ilay bilaogera Gineana, Alimou Sow, nahazo ny loka 2013 avy amin'ny daholobe , tao anatin'ny sokajy Bilaogy Tsara indrindra amin'ny fiteny Frantsay tamin'ny 2013, ho an'ny bilaoginy Ma Guinée plurielle, no manolotra ao anatin'ny lahatsorany farany "Miteny "Gineana" Va ianao ? ireo teny sy fomba fiteny 10 voalohany amin'ny teny...

28 Mey 2016

Tsanganana Tokana dia Nahaova Fiainan-dReny Somali Mananon-tena Mananjanaka Valo

Andro iray monja dia nahaangona vola mihoatra ny 4000 dolara amerikana ny fanangonam-bola niainga avy any amin'ny maro ho setrin'ny tantara.

26 Mey 2016

Tetikasa ‘Enfants du Pays (Zanaky Ny Firenena)’ Mahatsiaro Ireo Niharam-boina Tamin'ny Krizy Tao Borondi

"Mankasitraka anareo ry #EnfantsDuPays amin'ny fanaovana an'i #Burundi-ey tsy ho faty "fanindroany"

Nivoady Tsy Handràra Ny WhatsApp, Skype Sy Ny Antso Viber Ny Minisitra Ghaneana

GV Mpisolovava

"Methinks the telcos need to smell the coffee because the traditional 'voice game' is over, and with it, the monopoly profits they used to make." "Mieritreritra aho fa ny mpandraraha amin'ny fifandraisandavitra mila manimbolo ny kafe, satria vita hatreo ny 'filalaovana antso' mahazatra teo aloha, ary miaraka amin'izany, ny ampihimamba...

25 Mey 2016

Profesora Sy Mpamakafaka Politika Nisy Naka Ankeriny Sy Voadaroka Tao Maputo

Nisy naka an-keriny sy nidaroka i José Jaime Macuane, mpanadihady politika mozambikana sady mpamoaka hevitra ao amin'ny televiziona. Hita naratra teny an-dalana ity mpampianatra oniversite ity ary nampidirina tao amin'ny hopitaly tsy miankina iray ao Maputo.

Voasivana Ao Madagasikara, Mamiratra Any Eoropa Ilay Tarika Mpiangaly Gadona Rock-mpanoherana “The Dizzy Brains”

Ny fisandratana tsy hay tohaina ho an'ilay tarika mpiangaly rock avy any Madagasikara: The Dizzy Brains. Ivereno iainana ireo fotoana 3 nanamarika ny fahombiazany.

24 Mey 2016

Mozika Nataon'i Valsero, Kameroney Mpiangaly Rap, Hamelezana Ny 33 Taona Naha-teo Amin'ny Fitondràna Ny Filoha Biya

"Jereo ireo tanora ireo! Tsy misy nofisin-dry zareo intsony afa-tsy ny handeha lavitra / Jereo ireo tanora ireo! Tsy mitolona intsony satria tsy misy dikany izany ho an'ny sasany"

21 Mey 2016

Ginea: Ny Teknolojia Vaovao, Vintana Ho An'ireo Fiteny Ao Amin'ny Firenena

Rising Voices

Tafa niarahana tamin'i Tafsir Baldé momba ny fampiroboroboana ireo fiteny ao amin'ny firenena afrikàna