Adihevitra an-tserasera ataon'ireo Ghaneàna momba ny zon'ny zazavavy iray 16 taona nampanambadiana lahiantitra 63 taona, pretra nentim-paharazana

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny ONE GHANA TV, ‘Oluman, 63 taona manambady zazakely 12 taona ao Ghana, Tezitra ny vahoaka!’ . Fampiasàna ara-drariny.

Ny Sabotsy 30 Martsa, nivezivezy tao amin'ny tambajotra sôsialy ireo lahatsary niteraka adihevitra sy hatezerana teny anivon'ireo Ghaneàna momba ny fankalazàna mariazin'i Naa Okromo, 12 taona sy ilay pretra ara-pombandrazana, 63 taona, Nuumo Borketey Laweh Tsuru XXXIII. 

Marobe ireo Ghaneàna izay naneho ny ahiahiny teny anaty tambajotra sôsialy no nilaza ny alahelon-dry zareo momba io fanambadiana io, tamin'ny filazàna fa manitsakitsaka ny zon'ilay ankizivavy izany. Mpampiasa iray tao amin'ny YouTube no naneho hevitra hoe:

Lazain-dry zareo fa voaràra ny fanambadiana ho an'ny latsaky ny 18 taona. Dia sambory àry ireo izay nanery io zazavavy io hiditra tamin'io fanambadiana io e! Ambony noho ny fombandrazana ny Làlan'ny tany. Na tsara aza ny manana fombandrazana, tsy azonao atao ny manitsaka ny lalàna ka milaza fa fombandrazana ilay izy. Mila mijoro sy hentitra ny governemanta ary mampitsahatra an'io. Mijery izao tontolo izao.

Nanampy ny mpampiasa iray hafa hoe:

Rikoriko aho fa ny baiboly no ampiasain-dry zareo hanamarinana ny fihetsika barbariàna ataony. Firy ireo ankizy roa ambinifolo taona hafa novadiany hatramin'ny nitànany io toerany io? Mila hadihadiana izany ary entina eo anatrehan'ny lalàna ireo nahavanon-doza.

Kanefa, nomelohan'ireo mpitarika ny vondrom-piarahamonina ilay valinteny, tamin'ny nilazàn'izy ireo fa tsy takatr'ireo mpanakiana ny fombandrazany, araka ny notaterin'ny BBC. Raha mpitarika vondrom-piarahamonina iray ao an-toerana kosa, Nii Bortey Kofi Frankwa II, namaritra ny anjara toeran'ilay ankizivavy amin'ny maha-vadin'ilay pretra azy ho “fomba amam-panao nentindrazana madiodio,” Nanazava ilay pretra ara-pombandrazana fa toy ny fifamofoana no nanaovana ilay fanakambanana. Notsindriany fa tsy voatery mihitsy hanatanteraka andraikitry ny vady an-tokantrano ilay ankizivavy.

Ho setrin'ny tabataba, namoaka fanambaràna tao amin'ny pejiny Facebook ny sampandraharahan'ny pôlisy ao Ghana, tamin'ny 2 Aprily, nilazàny fa samy napetraka ho eo ambany fiarovan-dry zareo ny reniny sy ilay zazavavy. Nomarihan'ilay fanambaràna ihany koa fa hiaraka hiasa amin'ny Ministeran'ny Miralenta, ny Ankizy, ny Fiahiana ara-tSôsialy sy ny Departemantan'ny Fiarovana ara-tSôsialy ry zareo pôlisy mba hiantohana fa hahazo izay fanohanana ilainy ilay zazavavy mandritra ny fanatanterahana ny fanadihadiana.

Ny andron'ny 2 Aprily ihany, ny ministeran'ny fiandrianana sy ny  raharaha ara-pinoana, Stephen Asamoah Boateng, dia nanazava tao amin'ny fandaharana “Top Story” an'ny Joy FM hoe ilay vady vaovaon'ny pretra Ga, Naa Okromo, izay ho antsoina manomboka izao hoe Naa Yomo Ayemuede ho an'ny Gborbu Wulomo, dia tsy 12 taona araka ny voatatitra tany aloha. Ho feno 16 taona amin'ny Jolay 2024 izy.

Nuumo Borketey Laweh Tsuru XXXIII dia antsoina hoe “Gborbu Wulomo” iray, na pretra faratampony ara-pombandrazana, ao anivon'ny vondrom-piarahamonina indizeny Nungua ao Accra renivohitra. Amin'ny maha-mpitarika ara-panahy azy ao anivon'ny vondrom-piarahamoniny, ny Gborbu Wulomo no manara-maso ireo fomba ara-kolontsaina rehetra, mitarika ireo fombafomba nentim-paharazana, misolo tena ny vondrom-piarahamonina manatontosa ny sorona toy ny fametrahana ireo lohandoham-pisorona ara-pombandrazana, ary manao vavaka ho fiarovana ny vondrom-piarahamoniny.

Araka ny lazain'ny “Girls Not Brides”, 12 tapitrisa isantaona ireo ankizivavy ampanambadiana alohan'ny faha-18 taonany manerana izao tontolo izao. Ny fandalinana ireny angondrakitra ireny dia mampibaribary fa isaky ny iray minitra dia misy ankizivavy 23 ampanambadiana, ary iray isaky ny roa segondra. Ao Ghana, manodidina ny ampahadimin'ny ankizivavy no ampanambadiana alohan'ny faha-18 taonany

Na eo aza ny maha-tsy ara-dalàna azy io, mbola mitoetra ao Ghana ny fampanambadiana ankizy. Araka ny lazain'ny UNICEF, nisy fihenàna ny fampanambadiana ankizy tao Ghana tato anatin'ny telopolo taona lasa, na dia tsy mitovy aza ny fivoarana manerana ireo faritra. Ny faritra Avaratr'i Ghana no mitohy manana ny taha ambony indrindra, 28 %, arahan'ny Ambony-Atsinanana 28 %, Volta  24 %, ny Andrefana 23 %, ny Ambony-Andrefana 23 %, Brong Ahafo sy Ashanti  17%. 

Araka ny  notaterin'ny “Ghana News Agency, tafiditra ho isan'ireo singa mitondra amin'ny fampanambadiana ankizy ao Ghana ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny vohoka aloha loatra, ny fahasahiranana ara-toekarena, ny tsy fahalalàna, ny tsimatimanota, ny zara fa fampiharana ny lalàna, ary ireo fenitra ara-pombandrazana, toy ny amin'ny trangam-panambadian'i  Naa Okromo. Matetika dia antony iray manandanja amin'ny fampanambadiana ankizivavy amin'ny taona ambany tahaka io ny tsy fahampian'ny fanabeazana. Araka ny voalazan'ny UNFPA, 47 % amin'ny ankizivavy tsy nahazo fanabeazana no mandeha manambady alohan'ny faha-18 taonany, raha ampitahaina amin'ny 15% ho an'ireo ankizivavy nandalo ny fampianarana ambaratonga faharoa.

Mba hiadiana amin'io olana io, tamin'ny 2014 ny  Ministeran'ny Miralenta, ny Ankizy ary ny Fiahiana ara-tSôsialy ao Ghana, dia nametraka antokon-draharaha iray hisahana ny olan'ny fampanamabadiana ankizy, izay hifantoka amin'ny fampiroboroboana sy fandrindràna ireo hetsika atao ho fampitsaharana ny fampanambadiana ankizy. Mandray anjara ihany koa miady amin'ny fampanambadiana ankizy ireo fikambanana samihafa tsy miankina amin'ny fanjakàna, toy ny Zakat sy ny Sadaqa Trust Fund ary ny Planned Parenthood Association of Ghana. 

Raha nankasitraka ny pôlisy ao Ghana ny sasany tamin'ireo mpampiasa tambajotra sôsialy noho ny hetsika malaky nataony, ny sasany kosa miandry izay ho vokatry ny fanadihadiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.