Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2018

31 Mey 2018

Kamerona: Fanehoankevitra Tamin'ilay Fifidianana An'i Obama

"4 taona lasa izay, tsy fantatr'izao tontolo izao i Obama, nandrasa ny anarany tamin'ireo mpanao gazety, ankehitriny lasa filohan'ny firenena matanjaka indrindra erantany izy. Ity fifidianana ity, ity fiakarana haingana dia haingana ity dia manaitra antsika zanak'i Afrika, satria na eo aza ny fijaliana sy ny tsy fananana asa iainantsika,...

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 20-27 Mey 2018?

Nandritra ny herinandron'ny 21-27 Mey 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena 206 ny lahatsoratra sy ny fandikan-teny navoakanay. Isa 19 ao anatin'ny lisitra? Libanona. Ary faha-198? ny Nosy Faroe.

Afrika Atsimo: Mahita marimaritra iraisana ao anatin'ny “ady ara-pirazanana”

Tsy daltoniana tokoa ny Afrikana Tatsimo. Ny efa-polo taonan'ny apartheid no niantoka fa raiki-tapisaka ao am-po sy ny sain'ny olom-pirenena maro ao Mzansi (araka ny ahafantarana ny firenena ao an-toerana) ny hevitra momba ny firazanana. Ny fiandohan'ny demokrasia tamin'ny taona 1994 no niteraka fanantenana ho an'ny fiarahamonina mitovy.

30 Mey 2018

Mozambika: Miankina amin'ny fanampiana ara-bola

Naaton'ireo firenena mpanome fanampiana ny tetibola ho an'ny governemanta Mozambikàna noho ny ahiahy mikasika ny kolikoly, ka miteraka fanadihadiana sy adihevitra momba ny fanampiana, ny kolikoly sy ny fitantanana.

26 Mey 2018

Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.

PangeaDay: Lahatsary natao hanova izao tontolo izao, amin'ny 10 mey 2008

y tanjona : mianatra mahafantatra ny fiainantsika tsirairay avy amin'ny fifantohana amin'izay mampitambatra fa tsy amin'izay mampifanohitra antsika, mba hiasa miaraka mankany amin'ny fandriampahalemana isika.

Afrika : Ndao Resahana ny Fifidianana Ao Etazonia

Araka izany, bandy roalahy no tonga avy any mba hofidianareo. Ny iray tsy dia mitovy loatra aminareo, somary tanora, milaza aminareo hoe ananany daholo ireo hevitra goavana ho entina mandamina ny zavatra rehetra, fa miteny koa izy hoe mila mitondra ny anjara birikinareo koa ianareo mba hampandeha tsara an'izany. (Etazonia...

25 Mey 2018

Madagasikara: Manome Aina Indray Ny Nofinofy Amerikana i Obama

Tsy isalasalàna fa tena lavitra an'i Etazonia i Madagasikara saingy maha-romotra ao koa ny tazom-pifidianana. Saintsainin'ireo blaogera malagasy sasantsasany ny antony anarahan'izy ireo am-pahalinana ny fifidianana amerikana ary ny hoe midika inona ho azy ireo ny filoha Obama.

24 Mey 2018

Lahatsary: Ny Andro Fanoherana Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Zon'olombelona an-tsary

Daty iray manandanja mandritra ny vanim-potoana fankalazana ny andro fanoherana ny herisetra atao amin'ireo vehivavy ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA.

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 14-20 mey 2018?

Nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 211 ny tantaranay sy ny fandikanteninay nandritra ny herinandron'ny 14 ka hatramin'ny 20 May 2018. Ny laharana faha 109 ao amin'ny lisitra ve ? Gabon. Ary ny faha 13 ? Alemaina.