· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2013

Mitolona Manohitra Ny Heloka Amin'ny Fomba Amam-panao Ny Gaboney

  22 Avrily 2013

Nampivandravandra ny lozan'ny famonoan'olona ara-pomba amam-panao ao Gabon ny fandaharana iray amin'ny fahitalavitra Canal Plus. Anisan'ny finoana mahatonga famonoan'olona ara-omba amam-panao ao Gabon ny fakàna taova aminà olona velona iray mba hahafahan'ny olona...

Ny Anganom-pitiavana Sy Ny Vetaveta Avy Ao Angola

  21 Avrily 2013

Tanora Angole mpitoraka bilaogy sady "mpampita vaovao" monina any Loandà i Rosie Alves, 21 taona, avy ao Loanda, manoratra tantara fohy izay mazàna miresaka ny fitiavana sy ny finamànana akaiky ao amin'ny bilaoginy "Sweet Cliché". Zarainy amin'ny Global Voices ny aingam-panahiny sy ny hetahetany, ilazany amintsika misimisy kokoa mikasika ny andian-taranaka misy azy sy ny tontolon'ny bilaogy Angole tsy mitsaha-mitombo.

Bilaogera Tshadiana Nofonjaina

  12 Avrily 2013

Nitatitra ny  Internet Without Borders (Internet tsy misy sisintany) fa nosamborin'ny miaramila tao N'Djamena, renivohitr'i Tshady tamin'ny 22 marsa i Jean Laokolé, mpanoratra sady bilaogera Tshadiana. Nisy ny fanangonan-tsonia natao...

Fikarohana Lalam-baovao Ho Fampihenana Ny Fahantrana

  08 Avrily 2013

Ny zavatra tadiaviana dia ny vahaolana ho fampihenana ny fahantrana satria efa manakaiky ny 2015 fetra farany ho an'ny Tanjon'ny Taonarivo ho a'ny Fampandrosoana napetraky ny Firenena Mikambana na UN Millenium Development Goals (MDG). Vondrona maro no mitady làlam-baovao mba hahita valiny.

Zimbaboe: Nosamborin'ny Mpitandro Filaminana Ny Sangany Amin'ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona

  07 Avrily 2013

Iray andro taorian'ny nankatoavan'ny Zimbaboeana an-tapitrisa ilay lalàm-panorenana vaovao izay hiafara amin'ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka atsy ho atsy amin'ity taona ity, dia voasambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona malaza, Beatrice Mtetwa, rehefa nangataka taratasy fanamarinana tamin'ny mpitandro filaminana nikasa hisambotra ireo olona arovany.

Ireo Fototry Ny Olana Ankehitriny Ao Amin'ny Repoblikan'i Centrafrique

  01 Avrily 2013

Raha nanambara fidirany tao Bangui renivohitra ireo ireo mpihoko avy amin'ny Séléka io sabotsy 23/03 io, ary nangataka fivoriana maika ao amin'ny ONU ny governemanta frantsay, ndeha hoezahantsika takarina ny antony ahafahana nilaza fa efa voavinavina ny hampandamoka ny fifanarahana tao Libreville.